|
|
|
|

Entry (1/2)1  amena
Part of speech  2  noun
All compound words 
Explanations in Malagasy  4  [1.1] Teny hebrio izay fahita amin' ny fiafaran' ny vavaka fanaon' ny kristianina, ka ny heviny dia hoe: Ho tanteraka anie izany
Examples  5  [2.649] Vita ny amena, dia tapitra ny ainy.
6  [2.996] Ary ravehivavy hanao hoe: amena, amena.
Vocabulary  7  Religion and Liturgy

Entry (2/2)8  Amena
Part of speech  9  name (poem title) [Full list]
Elementary words  10  amena
Vocabulary  11  Literature: poems
Author  12  Raoely James
Full text 
13  Tsy avona akory no mitondra 14  iny rahona iny hisavoana, 15  Fa mba toa azy koa ny foko, 16  maniry hisondrotra ambony!
17  Tonga ny taona vaovao 18  mitondra hira mavokely 19  hokaloin'ny voron'alina, 20  sombinaiko ô, mifohaza!
21  Avelao ny alahelo sy ranomaso 22  hoentin'ny reniranom-panadinoana, 23  Fa misy kintana iray baliaka 24  toy ny masonao diavolana, 25  hitarika antsika ho teraka indray 26  ao amin'ny fanantenana vaovao.
27  Amin'ny tany triatran'ny ririnina 28  no hamelatra indray ny voninkazo.
29  Sombinaiko ô, iriko ho anao 30  taona iray feno hanitra sy hira. 31  Iriko ho anao lanitra menafify 32  hampialona ny laoranjy masaka, 33  sy feon-dokanga mihararetra, miakatra 34  toy ny vavaky ny ankizy hatory. 35  Iriko ho anao ny fotoana mamy 36  hiverenan'ireo lasan-davitra; 37  ary ny tanana iray malefadefaka 38  hitondra safosafo eo an-dohanao 39  mivesatra ny onjan'ny tany.
40  Dia hiarahantsika manandratra 41  Ny Amena fiton'ny fitiavana .

Anagrams  42  Amena, amena, mañea

Updated on 2025/08/22