| <- -> | [King James Bible] 1st Samuel | [Baiboly 1865] 1 Samoela | [Baiboly Katolika] Samoela I | [Bible de Jérusalem] 1er Livre de Samuel | ||||||||||||||||||||||||||||||||
| <- -> | 
 | |||||||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Sm / 1Sam 11:1 | Then | Ary Nahasy Amonita niakatra ka nitoby tandrifin' i Jabesi-gileada; dia hoy ny mponina rehetra tao Jabesy tamin' i Nahasy: Manaova fanekena aminay, dia hanompo anao izahay. | Ary Naasy Amonita niakatra dia nitoby teo anoloan' i Jabesy any Galaada. Ka hoy ny mponina rehetra tany Jabesy tamin' i Naasy: Manaova fanekem-pihavanana aminay, dia hanompo anao izahay. | |||||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Sm / 1Sam 11:2 | And | Fa hoy Nahasy Amonita: Izao no hanaovako fanekena aminareo: hopotsirina ny masonareo ankavanana rehetra, ka hataoko fandatsana ny Isiraely rehetra izany. | Fa izao no navalin' i Naasy Amonita azy ireo: Hifampiraharaha aminareo aho, raha manaiky hianareo ny hamotsirako tsirairay ny masonareo rehetra ankavanana, mba hanalako baraka an' Israely rehetra. | Mais | ||||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Sm / 1Sam 11:3 | And the elders of | Fa hoy ny loholon' i Jabesy taminy: Omeo andro hafitoana izahay, mba hanirahanay olona ho any amin' ny fari-tanin' ny Isiraely rehetra, ka raha tàhiny tsy misy olona hamonjy anay, dia hivoaka hanatona anao izahay. | Ka hoy ny loholon' i Jabesy taminy: Mba omeo andro hafitoana àry izahay handefasanay iraka ho any amin' ny faritanin' Israely rehetra; ka raha tany tsy misy olona hamonjy anay, dia hitolo-tena aminao izahay. | Les anciens de | ||||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Sm / 1Sam 11:4 | Then came the messengers to | Dia tonga tany Gibean' i Saoly ny iraka ka nanambara ny teniny teo anatrehan' ny vahoaka; dia nanandratra ny feony ny vahoaka rehetra ka nitomany. | Nankany Gabaàn' i Saola ny iraka, dia nilaza izany zavatra izany mba ho ren' ny vahoaka, ka nanandratra ny feony ny vahoaka rehetra ary nitomany. | Les messagers arrivèrent à | ||||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Sm / 1Sam 11:5 | And, behold, | Ary, indro, Saoly tonga nandroaka ny omby avy tany an-tsaha ka nanao hoe: Inona izato nanjo ny olona, no mitomany izy? Ary nambarany azy ny tenin' ny mponina tao Jabesy. | Ary indro fa tonga avy any an-tsaha, nandroaka ny ombiny Saola tamin' izay, ka hoy Saola hoe: Maninona ity vahoaka no mitomany? Dia nambaran' ny olona azy ny voalazan' ny olona avy any Jabesy. | Or, voici que | ||||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Sm / 1Sam 11:6 | And the Spirit of | Dia nilatsaka tamin' i Saoly ny Fanahin' Andriamanitra, ka nirehitra mafy ny fahatezeran' i Saoly, raha nandre izany teny izany. | Vao nandre izany teny izany Saola, dia nilatsaka taminy ny Fanahin' ny Tompo ka nirehitra ny hatezerany. | et quand | ||||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Sm / 1Sam 11:7 | And he took a yoke of oxen, and hewed them in pieces, and sent them throughout all the coasts of | Dia naka omby roa izy, ka norasainy ireo, dia nampitondrainy ny iraka ho any amin' ny fari-tanin' ny Isiraely rehetra ka nataony hoe: Na iza na iza tsy mivoaka hanaraka an' i Saoly sy Samoela, dia tahaka ireny no hanaovana ny ombiny. Dia nahazo ny olona ny fahatahorana an' i Jehovah, ka nivoaka toy ny olona iray ihany izy. | Naka omby roa izy, norasarasainy ho madinika, dia nampitondrainy iraka ho any amin' ny faritanin' Israely rehetra nataony hoe: Na zovy na zovy tsy handeha manaraka an' i Saola sy Samoela dia hatao tahaka ireny ny ombiny. Azon' ny tahotra an' ny Tompo ny vahoaka, ka indray niainga toy ny olona iray ihany izy rehetra. | Il prit une paire de boeufs et la dépeça en morceaux qu' il envoya par messagers dans tout le territoire d' | ||||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Sm / 1Sam 11:8 | And when he numbered them in | Ary nandamina azy tany Bezeka izy, dia telo hetsy no isan' ny Zanak' Isiraely, ary telo alina no isan' ny lehilahy amin' ny Joda. | Notsapain' i Saola tamin' ny matso ny toetrany tany Bezeka, ka telo hetsy no isan' ny zanak' Israely, ary telo alina ny lehilahy amin' i Jodà. | Il les passa en revue à | ||||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Sm / 1Sam 11:9 | And they said unto the messengers that came, Thus shall ye say unto the men of | Ary hoy izy tamin' ny iraka izay tonga teo: Izao no holazainareo amin' ny mponina ao Jabesi-gileada: Rahampitso ilay efa mafampana iny dia hisy famonjena ho anareo. Dia tonga ny iraka ka nanambara izany tamin' ny mponina tao Jabesy; ka dia faly ireo. | Dia hoy izy tamin' iretsy iraka tonga: Lazao amin' ny olona an' i Jabesy any Galaada fa rahampitso ilay efa mahery iny ny andro dia hahazo famonjena hianareo. Nambaran' ny iraka tamin' ny olona tany Jabesy izany, ka feno hafaliana izy ireo. | Il dit aux messagers qui étaient venus : " Dites aux hommes de | ||||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Sm / 1Sam 11:10 | Therefore the men of | Ary hoy ny mponina tao Jabesy: Rahampitso no hivoahanay ho eny aminareo, dia hataonareo aminay izay rehetra sitrakareo. | Ary hoy ny olona tany Jabesy tamin' ny Amonita: Rahampitso hitolo-tena hanaiky anareo izahay dia hataonareo aminay izay tianareo. | Ceux-ci dirent à | ||||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Sm / 1Sam 11:11 | And it was so on the morrow, that | Ary nony maraina, dia nozarain' i Saoly ho telo toko ny olona, ka tonga teo amin' ny toby tamin' ny fiambenana maraina izy ary namely ny Amonita mandra-pahafampanan' ny andro; koa izay sisa dia niely patrana, ka tsy nisy olona tafaraka na dia hatramin' ny roa aza. | Nony ampitso, nozarain' i Saola ho telo toko ny vahoaka dia nankany an-tobin' ny Amonita, tamin' ny fiambenana maraina izy ireo, ka namely azy ireo mandra-pahafanàn' ny andro. Nieli-patrana izay afa-nitsoaka ka tsy nisy tafaraka na roa monja aza. | Le lendemain, | ||||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Sm / 1Sam 11:12 | And the people said unto | Ary hoy ny vahoaka tamin' i Samoela: Iza moa no nanao hoe: Saoly va no hanjaka aminay? Atolory ireny olona ireny hataonay maty. | Ary hoy ny vahoaka tamin' i Samoela: Zovy moa no nilaza hoe: Dia Saola ve no hanjaka aminay? Atolory anay izany olona izany fa hataonay maty. | Alors le peuple dit à | ||||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Sm / 1Sam 11:13 | And | Fa hoy Saoly: Tsy hisy olona hatao maty anio; fa androany no nanaovan' i Jehovah famonjena teo amin' ny Isiraely. | Fa hoy Saola: Tsy misy olona hatao maty anio, fa androany no namonjen' ny Tompo an' Israely. | Mais | ||||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Sm / 1Sam 11:14 | Then said | Ary hoy Samoela tamin' ny vahoaka: Andeha isika hankany Gilgala hanavao ny fanjakana any. | Ary hoy Samoela tamin' ny vahoaka: Andeha isika ho any Galgalà, hanavao ny fanjakana any. | Puis | ||||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Sm / 1Sam 11:15 | And all the people went to | Dia lasa ny vahoaka nankany Gilgala; ary tany Gilgala no nananganany an' i Saoly ho mpanjaka teo anatrehan' i Jehovah; ary tany no nanaterany fanati-pihavanana teo anatrehan' i Jehovah, dia nifaly indrindra teo Saoly mbamin' ny lehilahy rehetra amin' ny Isiraely. | Dia nankany Galgalà ny vahoaka rehetra ka nanangana an' i Saola ho mpanjaka, teo anatrehan' ny Tompo, tany Galgalà, ary teo no nanateran' izy ireo sorom-pisaorana teo anatrehan' ny Tompo; ary teo Saola sy ny lehilahy rehetra amin' Israely dia nanao firobirobiana fatratra. | Tout le peuple se rendit à | ||||||||||||||||||||||||||||||||
| <- -> | 
 | |||||||||||||||||||||||||||||||||||
| <- -> | [King James Bible] 1st Samuel | [Baiboly 1865] 1 Samoela | [Baiboly Katolika] Samoela I | [Bible de Jérusalem] 1er Livre de Samuel | ||||||||||||||||||||||||||||||||
|   |