<-
->

2Kr / 2Kor 1:1 Paul, an apostle of Jesus Christ by the will of God, and Timothy our brother, unto the church of God which is at Corinth, with all the saints which are in all Achaia: Paoly, Apostolin' i Kristy Jesosy noho ny sitrapon' Andriamanitra, ary Timoty rahalahy, mamangy ny fiangonan' Andriamanitra izay any Korinto mbamin' ny olona masina rehetra eran' i Akaia: Paoly Apostolin' i Jeso-Kristy, noho ny sitra-pon' Andriamanitra, sy Timote rahalahy, mamangy ny Eglizin' Andriamanitra izay any Korinto, mbamin' ny olona masina rehetra eran' i Akaia manontolo: Paul, apôtre du Christ Jésus par la volonté de Dieu, et Timothée, le frère, à l'Église de Dieu établie à Corinthe, ainsi qu'à tous les saints qui sont dans l' Achaïe entière ;
2Kr / 2Kor 1:2 Grace be to you and peace from God our Father, and from the Lord Jesus Christ. ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin' Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo. ho aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin' Andriamanitra Raintsika sy Jeso-Kristy Tompo. à vous grâce et paix de par Dieu, notre Père, et le Seigneur Jésus Christ !
2Kr / 2Kor 1:3 Blessed be God, even the Father of our Lord Jesus Christ, the Father of mercies, and the God of all comfort; Isaorana anie Andriamanitra, Rain' i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain' ny famindram-po sady Andriamanitry ny fampiononana rehetra, Isaorana anie Andriamanitra, Rain' i Jeso-Kristy Tompontsika, sy Rain' ny famindram-po, ary Andriamanitry ny fanalana alahelo rehetra, Béni soit le Dieu et Père de notre Seigneur Jésus Christ, le Père des miséricordes et le Dieu de toute consolation,
2Kr / 2Kor 1:4 Who comforteth us in all our tribulation, that we may be able to comfort them which are in any trouble, by the comfort wherewith we ourselves are comforted of God. Izay mampionona anay amin' ny fahorianay rehetra mba hahaizanay mampionona izay rehetra mitondra fahoriana kosa, anin' ny fampiononana izay ampiononan' Andriamanitra anay. izay manafaka alahelo anay amin' ny fahorianay rehetra, mba hahazoanay manafaka alahelo ny tra-pahoriana rehetra, amin' ny fanalana alahelo noraisinay taminy. qui nous console dans toute notre tribulation, afin que, par la consolation que nous-mêmes recevons de Dieu, nous puissions consoler les autres en quelque tribulation que ce soit.
2Kr / 2Kor 1:5 For as the sufferings of Christ abound in us, so our consolation also aboundeth by Christ. Fa araka ny haben' ny fijalian' i Kristy mihatra aminay no haben' ny fampiononana anay kosa amin' ny alalan' i Kristy. Fa araka ny haben' ny fijalian' ny Kristy mihatra aminay no haben' ny fanalana alahelo azonay amin' ny alalan' ny Kristy koa. De même en effet que les souffrances du Christ abondent pour nous, ainsi, par le Christ, abonde aussi notre consolation.
2Kr / 2Kor 1:6 And whether we be afflicted, it is for your consolation and salvation, which is effectual in the enduring of the same sufferings which we also suffer: or whether we be comforted, it is for your consolation and salvation. Ary raha ampahorina izahay, dia ho fampiononana sy famonjena anareo izany; ary raha ampiononina izahay, dia ho fampiononana anareo izany, ka miasa amin' ny fiaretanareo fahoriana mitovy indrindra amin' izay entinay. Raha azom-pahoriana izahay, dia ho fanalana alahelo sy famonjena anareo izany; ary raha alana alahelo izahay, dia ho fanalana alahelo anareo koa izany, fa mahatonga anareo handefitra tsara ireny fahoriana entinay ireny ihany. Sommes-nous dans la tribulation ? c' est pour votre consolation et salut. Sommes-nous consolés ? c' est pour votre consolation, qui vous donne de supporter avec constance les mêmes souffrances que nous endurons, nous aussi.
2Kr / 2Kor 1:7 And our hope of you is stedfast, knowing, that as ye are partakers of the sufferings, so shall ye be also of the consolation. Ary miorina tsara ny fanantenanay anareo, satria fantatray fa tahaka ny iombonanareo ny fahoriana no iombonanareo ny fampiononana koa. Ary mafy ny fanantenanay ny aminareo, satria fantatray fa toraka ny niombonanareo tamin' ny fahoriana no hiombonanareo amin' ny fanalana alahelo koa. Et notre espoir à votre égard est ferme : nous savons que, partageant nos souffrances, vous partagerez aussi notre consolation.
2Kr / 2Kor 1:8 For we would not, brethren, have you ignorant of our trouble which came to us in Asia, that we were pressed out of measure, above strength, insomuch that we despaired even of life: Fa tsy tianay tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, ny amin' ny fahoriana izay nanjo anay tany Asia, fa novesarana indrindra mihoatra noho ny zakanay izahay, ka dia efa nafoinay na dia ny ainay aza; Tsy tianay tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, ny amin' ny fahoriana nanjò anay tany Asia, fa novesarana tsy eran' ny aina sy tafahoatra ny zakanay izahay, ka efa tsy nanampo izay ho velona intsony; Car nous ne voulons pas que vous l' ignoriez, frères : la tribulation qui nous est survenue en Asie nous a accablés à l' excès, au-delà de nos forces, à tel point que nous désespérions même de conserver la vie.
2Kr / 2Kor 1:9 But we had the sentence of death in ourselves, that we should not trust in ourselves, but in God which raiseth the dead: eny, tsy nanampo izay ho velona intsony izahay, mba tsy hitokianay amin' ny tenanay, fa amin' Andriamanitra, Izay manangana ny maty ihany. fa toa efa renay ao amin' ny tenanay ny didim-pahafatesana mba tsy hitokianay amin' ny tenanay intsony, fa amin' Andriamanitra izay manangana ny maty. Vraiment, nous avons porté en nous-mêmes notre arrêt de mort, afin d' apprendre à ne pas mettre notre confiance en nous-mêmes mais en Dieu, qui ressuscite les morts.
2Kr / 2Kor 1:10 Who delivered us from so great a death, and doth deliver: in whom we trust that he will yet deliver us; Ary Izy no nahafaka anay tamin' izao fahafatesana lehibe izao, ary mbola hanafaka ihany; eny, Izy no antenainay fa mbola hanafaka anay koa, Izy no nanafaka anay tamin' izao fahafatesana efa hamely izao, sy manafaka anay ankehitriny, ary mbola antenainay hanafaka any aoriana koa, C' est lui qui nous a délivrés d' une telle mort et nous en délivrera ; en lui nous avons cette espérance qu' il nous en délivrera encore.
2Kr / 2Kor 1:11 Ye also helping together by prayer for us, that for the gift bestowed upon us by the means of many persons thanks may be given by many on our behalf. satria ianareo koa miara-miasa ho anay amin' ny fivavahanareo mba hisaoran' ny maro ny aminay noho ny fahasoavana azonay tamin' ny nataon' ny maro. indrindra fa raha manampy anay amin' ny fivavahana koa hianareo; dia ho maro ny mpisaotra noho ny fahasoavana azonay, satria maro no nangataka nahazoanay azy. Vous-mêmes nous aiderez par la prière, afin que ce bienfait, qu' un grand nombre de personnes nous auront obtenu, soit pour un grand nombre un motif d' action de grâces à notre sujet.
2Kr / 2Kor 1:12 For our rejoicing is this, the testimony of our conscience, that in simplicity and godly sincerity, not with fleshly wisdom, but by the grace of God, we have had our conversation in the world, and more abundantly to you-ward. Fa izao no ataonay ho voninahitray: ny fieritreretanay no vavolombelona fa tamin' ny fahamasinana sy ny fahadiovam-po avy amin' Andriamanitra, tsy tamin' ny fahendren' ny nofo, fa tamin' ny fahasoavan' Andriamanitra, no nitondranay tena teo amin' izao tontolo izao, mainka fa teo aminareo. Fa izao no voninahitray: ny konsiansinay no vavolombelona fa tamim-pahatsoram-po sy tamin-kitsim-po teo anatrehan' Andriamanitra, ary tsy tamin' ny fahendren' ny nofo, fa tamin' ny fahasoavan' Andriamanitra, no nitondranay tena tamin' izao tontolo izao, fa indrindra taminareo. Ce qui fait notre fierté, c' est ce témoignage de notre conscience que nous nous sommes comportés dans le monde, et plus particulièrement à votre égard, avec la sainteté et la pureté qui viennent de Dieu, non pas avec une sagesse charnelle, mais bien avec la grâce de Dieu.
2Kr / 2Kor 1:13 For we write none other things unto you, than what ye read or acknowledge; and I trust ye shall acknowledge even to the end; Fa tsy manoratra teny hafa aminareo izahay, afa-tsy izay vakinareo na izay fantatrareo; ary manantena aho fa mbola ho fantatrareo ihany hatramin' ny farany aza, Izay vakinareo sy fantatrareo tsara ihany no soratanay aminareo; ary manantena aho fa ho fantatrareo hatramin' ny farany En effet, il n' y a rien dans nos lettres que ce que vous y lisez et comprenez. Et j' espère que vous comprendrez pleinement -
2Kr / 2Kor 1:14 As also ye have acknowledged us in part, that we are your rejoicing, even as ye also are our' s in the day of the Lord Jesus. toy ny efa fantapantatrareo ihany fa voninahitrareo izahay, dia tahaka anareo kosa no voninahitray amin' ny andron' i Jesosy Tompontsika. (sady maro aza no efa mahalala anay tsara; fa izahay moa voninahitrareo, hianareo koa ho voninahitray toy izany, amin' ny andron' i Jeso-Kristy Tompontsika. ainsi que vous nous avez compris en partie - que nous sommes pour vous un titre de gloire, comme vous le serez pour nous, au Jour de notre Seigneur Jésus.
2Kr / 2Kor 1:15 And in this confidence I was minded to come unto you before, that ye might have a second benefit; Ary tamin' izao fahatokiana izao dia nikasa hankatý aminareo aloha aho (mba hahazoanareo soa fanindroany), Noho izany fahatokiana izany, tao aloha dia nikasa hankaty aminareo aho mba hahazoanareo soa indroa: C' est dans cette assurance que je voulais venir chez vous tout d' abord pour vous procurer une seconde grâce ;
2Kr / 2Kor 1:16 And to pass by you into Macedonia, and to come again out of Macedonia unto you, and of you to be brought on my way toward Judaea. ary hankany Makedonia aho, raha avy atý aminareo, ary dia vao hiverina ho atý aminareo indray raha avy any Makedonia, ary mba haterinareo ho any Jodia. hihazo any aminareo aho aloha rahefa mankany Masedonia, ary ho any aminareo indray rahefa miverina avy any, dia hianareo no hanatitra ahy any Jodea. puis de chez vous passer en Macédoine et de Macédoine revenir chez vous ; et vous m' auriez acheminé vers la Judée.
2Kr / 2Kor 1:17 When I therefore was thus minded, did I use lightness? or the things that I purpose, do I purpose according to the flesh, that with me there should be yea yea, and nay nay? Koa raha nikasa izany aho, moa nanao kitoatoa va aho? Ary izay zavatra kasaiko, moa kasaiko araka ny nofo va, mba hanaovako eny eny foana, sy tsia tsia foana? Ka moa niovaova hevitra foana va aho raha nanao izany hevitra izany? Sa araka ny nofo no anaovako fikasana, ka dia misy "eny" sy "tsia" ato amiko? En formant ce projet, aurais-je donc fait preuve de légèreté ? Ou bien mes projets s' inspirent-ils de la chair, en sorte qu' il y ait en moi le oui, oui, et le non, non ?
2Kr / 2Kor 1:18 But as God is true, our word toward you was not yea and nay. Fa raha mahatoky koa Andriamanitra, ny teninay taminareo dia tsy eny sy tsia; Araka ny maha-marina fa mahatoky Andriamanitra no tsy maha-"eny" sy "tsia" ny teninay taminareo. Aussi vrai que Dieu est fidèle, notre langage avec vous n' est pas oui et non.
2Kr / 2Kor 1:19 For the Son of God, Jesus Christ, who was preached among you by us, even by me and Silvanus and Timotheus, was not yea and nay, but in him was yea. fa ny Zanak' Andriamanitra, dia Jesosy Kristy, Izay notorinay teo aminareo, dia izaho sy Silasy ary Timoty, dia tsy eny sy tsia, fa ao aminy dia eny ihany. Satria ny Zanak' Andriamanitra dia Kristy Jeso, izay notorinay sy Silvano ary Timote taminareo, tsy nisy "eny" sy "tsia", fa "eny" ihany no tao aminy. Car le Fils de Dieu, le Christ Jésus, que nous avons prêché parmi vous, Silvain, Timothée et moi, n' a pas été oui et non ; il n' y a eu que oui en lui.
2Kr / 2Kor 1:20 For all the promises of God in him are yea, and in him Amen, unto the glory of God by us. Fa na firy na firy ny teny fikasan' Andriamanitra, dia ao aminy ny eny, ary amin' ny alalany koa ny Amena, ho voninahitr' Andriamanitra amin' ny ataonay. Fa na firy na firy fampanantenana avy amin' Andriamanitra, dia tao amin' i Jeso ihany ny "eny", ka dia amin' ny alalany sy amin' ny asanay koa no anaovana "Amena", mba ho voninahitr' Andriamanitra. Toutes les promesses de Dieu ont en effet leur oui en lui ; aussi bien est-ce par lui que nous disons l'" Amen " à Dieu pour sa gloire.
2Kr / 2Kor 1:21 Now he which stablisheth us with you in Christ, and hath anointed us, is God; Fa Izay mampitoetra anay mbaminareo ao amin' i Kristy sady nanosotra antsika dia Andriamanitra, Ary tsy iza no mampaharitra anay mbaminareo ao amin' ny Kristy, fa Andriamanitra, izay naha-voahosotra antsika, Et Celui qui nous affermit avec vous dans le Christ et qui nous a donné l' onction, c' est Dieu,
2Kr / 2Kor 1:22 Who hath also sealed us, and given the earnest of the Spirit in our hearts. Izay nanisy tombo-kase antsika koa ka nanome ny Fanahy ho santatra ato am-pontsika. sy nanisy tombo-kase antsika koa, ary nanome ny Fanahy ho antoka ao am-pontsika. Lui qui nous a aussi marqués d' un sceau et a mis dans nos coeurs les arrhes de l' Esprit.
2Kr / 2Kor 1:23 Moreover I call God for a record upon my soul, that to spare you I came not as yet unto Corinth. Ary izaho miantso an' Andriamanitra ho vavolombelona ny amin' ny fanahiko, fa ny fialàko nenina aminareo ihany no tsy mbola nankanesako tatý Korinto. Ary mianiana amin' ny fanahiko aho, sy miantso an' Andriamanitra ho vavolombelona fa fitsitsiako anareo no mbola tsy nankanesako aty Korinto indray; Pour moi, j' en prends Dieu à témoin sur mon âme, c' est par ménagement pour vous que je ne suis plus venu à Corinthe.
2Kr / 2Kor 1:24 Not for that we have dominion over your faith, but are helpers of your joy: for by faith ye stand. Kanefa tsy mihambo ho tompon' ny finoanareo izahay, fa mpiara-miasa hampandroso ny fifalianareo, satria finoana no itoeranareo. tsy dia hoe hanao jàdona amin' ny finoanareo izahay (sanatria), fa miara-miasa hampandroso ny hafalianareo; raha ny finoana, dia efa miorina tsara hianareo. Ce n' est pas que nous entendions régenter votre foi. Non, nous contribuons à votre joie ; car, pour la foi, vous tenez bon.

<-
->