Entry 1/4 tsangambato
Elementary words tsangana ; vato
Part of speech noun
Explanations in Malagasy Vato ajoro ho fahatsiarovana miaramila maty an' ady tany lavitra ka tsy hita ny taolambalony [1.1]
 Vato lehibe ajoro ho fahatsiarovana ny olona maty tany an' ady na noho antony hafa ka tsy hita ny taolambalony [1.62]
Explanations in English A gravestone, cenotaph, tombstone; a stone set up on end as a memorial of some event [1.2]
 A monument [1.7]
Explanations in French Pierre ou monument commémoratif [1.8]
Examples 
1Vorodamba efa tontan' ny ela no misarona ilay tsangambato (A. Rajon) [0]
2lo no tsangambato tsy levona mariky ny nanapahan' ny Hova azy. [2.499]
3Maro ny tsangambato navelany izay ataon' ny olona hoe Vatonkimosy. [2.508]
4Nanorina tsangambato teo akaikin' Ambaiboho, teo amin' ny moron' i Sahabe, ny mponin' Antsihanaka atsimo, ho fahatsiarovana ireo mpiray tanindrazana aminy namoy aina tao amin' ilay renirano manan-tantara. [2.472]
Synonyms vatolahy
Titles tsangambato
Illustrations 

Entry 2/4 tsangambato
Elementary words tsangambato
Part of speech noun
Explanations in Malagasy Zavatra tokony hotsarovana, asa mendrika hotadidina, andro lehibe na malaza tsy hohadinoina [1.1]
 Asa mendrika hotadidina sy hotsarovana mandrakariva, andro manan-daza tsy tokony hohadinoina [1.62]
Examples Ny boky no tsangambato avelan' ny mpanoratra ho an' ny taranaka [1.1|1.62]

Entry 3/4 Tsangambato
Part of speech name (book title)
Explanations in French Pendant son incarcération, [Randriamaromanana] a écrit un livre Tsangambato, où il laisse des conseils, des réflexion sur la philosophie malgache, sur le pouvoir, la culture. Cet ouvrage est encore inédit. [1.59]
Author Randriamaromanana Albert
Vocabulary 
Tables and plates All the titles

Entry 4/4 Tsangambato (tsangana, vato)
Part of speech name (toponym) [full list]
Vocabulary 
Coordinates -20.1666667, 45.2
-19.9833333, 48.7833333
-17.5833333, 49.1666667

Updated on 2023/08/17