| Explanations in Malagasy |
17 Fiandohan' ny lalan-kanina, izay eo afovoany ambanimbany amin' ny tarehy no misy azy, ary misarintsarin-davaka ny endriny, voafaritry ny molotra roa ambony sy ambany: Ao anatin' ny vava no misy ny lela sy ny nify
18 Faritra misy loaka amin' ny zavatra anankiray, izay ampiasaina ho fidirana na fivoahana: Vava tafondro
19 Teny ilazana rehefa mety ho faritra mitarehin-davaka na loaka: Vava fery
20 Fiandohana: Vava asa, vava alahamady
21 Fahereza-miteny befahatany: Vavan' olona koa Rasoa iny!
22 Teny, fitenenana: Tsy tohako ny vavan-dRamatoa io ka aleoko mihataka ~ Vava soa sakafo fa ny vava ratsy adidy
[1.1]
|