| Explanations in Malagasy |
8 Mampiseho ny ilany na ny lafiny tsy mbola niseho: Efa nivadika ve ireo lamba mihahy ireo
9 Mifandiso ka ny lafy ratsiny indray no miseho fa tsy ny lafy tsarany: Loza fa nivadika ny akanjonao teny an-dalana
10 Manova ny tehezana atao ambany mandry indray: Efa afa-mivadika ny marary
11 Miova ho ratsy tsy araka ny nampoizina: Nivadika ny anao taty aoriana ka izaho nanao soc azy indray no nofofoiny. / Nivadika tampoka teo lahy ny andro
12 Mitsipaka: Ny mivadika ny teny natao no anisan' ny ratsy indrindra
13 Mihohoka ka ny ambony no lasa ambany: Nivadika ny lakana ka saika maty daholo ny mpandeha
[1.1]
|