|
|
|
|

Entry 1  miresaka
Root  2 resaka
Part of speech  3  active verb
Morphology 
4  Present :
5  Past :
6  Future :
7  Imperative :
Explanations in Malagasy  8 Mifanakalo hevitra: Miresaka isan-kariva Rakoto sy ny zanany
9 Manao teny ifamaliana amim-pifalifaliana momba izao sy izao: Rehefa avy homana izy ireo dia miresaka ela be
10 Mitafasiry, mitafa, mitaria, mikorana
11 Miteny, milaza: Niresaka inona taminao izy?
12 Manao dinidinika, mandahatra: Niresaka momba ny tazo ilay dokotera
13 Milaza, manambara ny heviny, mibaiko: Miresaka amin' ny tanana ny moana [1.1]
Explanations in French  14 causer, parler, converser, parler de; causer beaucoup [1.3]
15 [Sakalava-Mayotte] crié, quelqu'un qui hurle, une personne qui parle fort [1.405]
Examples  16  Nandady aho no nanatona, hoy izy, ka nihaino, ary fantatro fa hianao no miresaka. [2.324]
17  Tovovavy kely tsy ampy roapolo taona ve no miresaka amiko sa vehivavy lehibe efa vory saina? [2.471#26]
18  Mba miresaka iny olona iny e! (Quel grand causeur!) [1.3#527]
19  Olona telo lahy no ao anatiny, revo miresaka. [2.472#200]
Analogs  20  mamboly resaka, 21  manokon-dresaka, 22  mikoràna, 23  mitafa, 24  mitafasiry, 25  mitaria
Combinations  26  1 expressions, toponymes, phytonyms and others with the word miresaka
Proverbs  27  Proverbs containing that word

Anagrams  28 maresaky, miresaka, 29 misarake, 30 seramika

Updated on 2026/04/22