| Explanations in Malagasy |
8 Mamindra toerana ny vatan-tena amin' ny famindrafindrana ny tongotra: Tsy mbola afaka mandeha ny marary. / Efa miana-mandeha ny zafikeliko
9 Mizotra: Nandeha tamin' ny arabe izy fa tsy nihazo ny lalan-kely akory
10 Miala, miainga: Tongava maraindraina fa amin' ny fito aho no handeha
11 Mandalo: Nandeha tany antsena aho aninaraina
12 Mihelina, miserana: Mandeha haingana ny andro rehefa ririnina
13 Mihetsika ara-dalàna ny milina ao aminy: Mandeha ve iny famantaranandronao iny?
14 Mandroso: Mandeha ve izao varotrao ?
[1.1]
|