|
|
|
|

Entry 1  mahafaty
Root  2 faty
Part of speech  3  active verb or adjective
Morphology 
4  Present :
5  Past :
6  Future :
7  Imperative :
Explanations in Malagasy  8 Afaka hamono: Tsy mahafaty akoho akory, hono, Ramatoa io
9 Mahatonga ho faty: Tsy hahafaty azy akory io aretina io ~ Poizina mahafaty
10 Maharesy: Ny mpilalaonay Ampamarinana no nahafaty tamin' ny baolina
11 Mahazo: Tsy tsara ny tsena androany fa tsy nahafaty roanjato akory aho
12 Mamely mafy, tsy ahazoana aina, mahatrotraka: Mahafaty izany hatsiaka izany
13 Mamono, manala, mikosoka, mampanadino: Ny andro sy ny volana nifandimby no nahafaty ny soratra teto ~ Tsy misy hahafaty ny fahatsiarovako an' i Neny [1.1]
Explanations in English  14 To kill [1.2, 1.7]
15 To put out a lamp [1.2]
Explanations in French  16 Tuer [1.3#157, 1.8]
17 Pouvoir tuer, donner la mort, mortel [1.3#157]
18 Gagner au jeu, au commerce, gagner au pari [1.3#157]
19 Éteindre, effacer, enlever la force, abîmer, faire tomber en désuétude [1.3#157]
20 Éreinter, assommer, empester, étouffer [1.3#157]
Examples  21  Ny mamono olona mahafaty olona. [1.123#]
22  Ny sazin'ny heloka tsy mahafaty. [2.508#]
23  Nareo, hoy i, tsy raha mahafaty ahy! [2.606#]
24  mahafaty io poizina io (Ce poison est mortel) [1.3#157]
25  mahafaty ny hafanana (La chaleur est assommante) [1.3#157]
26  nahafaty olona iray izy (Il a tué une personne) [1.3#157]
27  Heloka mahatapa-doha izany, heloka mahafaty izany! [2.528#]
28  mahafaty ity fiakarana ity (Cette montée éreinte) [1.3#157]
29  nahafaty ny vary ny rano (L’eau a abîmé le riz) [1.3#157]
30  mahafaty ny fofon' io fatim-biby (Cette charogne empeste) [1.3#157]
31  mahafaty izany setroka izany (Cette fumée est étouffante) [1.3#157]
32  nahafaty ny jiro ny rivotra (Le vent a éteint la chandelle) [1.3#157]
33  mahafaty tena ho an’ ny zanany izy (Il se tue pour ses enfants) [1.3#157]
34  Tsy mahafaty ny mamba ny bala (Les balles ne peuvent tuer un caïman) [1.3#157]
35  Tsy hahafaty azy io aretina io (Cette maladie ne lui donnera pas la mort) [1.3#157]
36  Ny ranonorana no nahafaty io hosodoko io (La pluie a abîmé cette peinture) [1.3#157]
37  Inona no nahafaty io soratra io? (Qu’est-ce qui a effacé cette écriture?) [1.3#157]
38  nahafaty ariary telo aho tany an-tsena (J’ai gagné trois piastres au marché) [1.3#157]
39  Iza no nahafaty taminareo roa lahy? (Quel est celui de vous deux qui a gagné au jeu?) [1.3#157]
40  Inona no nahafaty ny herin' ity toaka ity? (Qu’est-ce qui a diminué la force de ce rhum?) [1.3#157]
Combinations  41  4 expressions, toponymes, phytonyms and others with the word mahafaty
Proverbs  42  Proverbs containing that word

Anagrams  mahafaty, 43 mahatafy

Updated on 2026/07/17