| Entry | 1 kenda |
| Part of speech | 2 adjective |
| Derivatives |
|
| Explanations in Malagasy |
25 Misy zavatra mibahana ao anaty tenda ka manjary sempotra tsy afa-miaina: Kendam-bomanga i Lita kely ka nivontirika ny voamasony
26 Voageja, voatery mafy, voafihina ny tenda: Kenda aho fa vahao ny bokotry ny vozon' akanjoko 27 Enti-milaza zavatra, fantsona na lakan-drano, izay tsentsina na tampina ka tsy mamela handeha izay asisika na alefa ao anatiny: Kenda ny basy ka tsy mety mandeha ny fahana [1.1] |
| Explanations in English |
28 choked, throttled
[1.7] |
| Explanations in French |
29 étranglé
[1.3#322, 1.8] 30 serré au cou, obstrué, se dit du gosier, des canaux, des fusils, des tuyaux, des tubes [1.3#322] |
| Examples |
31 Tompoko, hoy i Fandrava tamin'ny feo efa kenda.
[2.895#191]
32 Niantso vonjeo aho kanefa tsy naloa-peo fa kenda. [2.643#169] 33 kendan’ ny taolana aho (Je suis étranglé par un os) [1.3#322] 34 kendan' ny vozon' akanjo aho (Je suis étranglé par le collet de la chemise) [1.3#322] 35 kenda ny basy ka tsy mety mandeha fahana (La charge du fusil est trop serrée et il ne veut pas partir) [1.3#322] |
| Combinations | 36 5 expressions, toponymes, phytonyms and others with the word kenda |
| Proverbs | 37 Proverbs containing that word |
| Updated on 2026/04/21 |
|