|
|
|
|

Entry 1  fandrosoana
Root  2 roso
Part of speech  3  noun
Morphology 
4  Simple :
5  Prefixed :
Explanations in Malagasy  6 Fandehanana eo aloha: Ny fandrosoan' ny eo aloha indray mandingana monta dia hahafahan' ny atỳ aoriana mahazo toerana malaladalaka kokoa
7 Fanolorana zavatra ho an' olona, izay apetraka eo anoloany: Ikoto no hikarakara ny fandrosoana kafe ho an' ny oiona nasaina
8 Fitomboana fahaizana: Tsy misy fandrosoana ny fianaran' ny zanakao
9 Fandehanana tsara misy tombony, fahombiazana: Fandrosoana lehibe ho anao izao fahazoanao voninahitra izao
10 Fivoarana ho amin' ny tsaratsara kokoa vokatry ny fiitaran' ny fahaizana amam-pahalalan' ny olombelona: Betsaka ny aretina resy noho ny fikarohana nentin' ny fandrosoana [1.1]
Explanations in French  11 l'action d'avancer, de présenter, l'instrument pour présenter, le temps
12 le progrès, la civilisation [1.3]
Examples  13  Maro sady lehibe ny fandrosoana nentin-dRadama. [2.508#505]
14  Ary raha tsisy fandrosoana, ny vidim-piainana tsy hitsahatra ny hiakatra. [4.27]
15  Ary raha tsy maintsy lazaina ho fandrosoana izany, dia fandrosoana mankany an-kady! [2.503#34]
Antonyms  16 fihemorana
Combinations  17  2 expressions, toponymes, phytonyms and others with the word fandrosoana

Updated on 2026/04/22