|
|
|
|

Entry (1/2) 1  tafatoetra
Root  2 toetra
Part of speech  3  participle
Explanations in Malagasy  [1.1]
Explanations in French  4 qui s'est placé, qui s'est assis [1.3]
Examples  5  Taona betsaka taoriana izany, nony efa tafatoetra tsara ny fanjaka' ny, dia nihevitra hamely ny tompon-tany izy. [2.48#63]
Combinations  6  1 expressions, toponymes, phytonyms and others with the word tafatoetra

Entry (2/2) 7  Tafatoetra
Elementary words  8 tafatoetra
Part of speech  9  name (poem title) [Full list]
Vocabulary  10  Literature: poems
Author  11 Razakandraina Jean Verdi Salomon
Full text  12 
13  Tafatoetra ao am-poko miaraka aminao androany,
14  Ny hasambara-nokatsahiko hiononako eto an-tany!
15  Ny hatsaran-tarehy nohiraiko sy ny bika nokatsahiko
16  Tsy alaiko noho izay hitako aminao navahiko …

17  Sodokan’eritreritra aho izay elabe izay …
18  Hetahetan’ny tanteraka, afo mampiolomay
19  No nandoro ny fisainako! ‘zay nenjehiko kanefa
20  Moa tsy volavolam-bika tsy haharitra rehefa?

21  Fa ny hitako aminao dia ny vatosoa miafina;
22  Perla mamirapiratra, satry foana hotarafina
23  Fa mampita hazavana mampionona fanahy …

24  Tia ny endrikao aho, mamkamamy anao tanteraka;
25  Nefa mbola ambony lavitra, manan-kery haninteraka
26  Ny fanahy atolotrao hiara-tsambatra amin’ny ahy!

Anagrams  Tafatoetra, tafatoetra

Updated on 2026/10/18