Entry Rasoalao
Part of speech proverbial name [full list]
Explanations in Malagasy Rasoalao kosa, hono, dia Vazimbavavy avy any Ankaratra, ka niankandrefana nankany Ambohimiangara, ary nanambady an-dRapeto, ka niteraka vavy roa, dia Rasoavolandrainy sy Rangorimanga, Tao Ambohimiangara sy Ikasigeany Mandridrano, ary tao Ambatomanjaka sy Ambohibe, any Mamolakazo, no nisy vohitra fonenan' izy mivady. Mbola ao an-tampon' Ambohimiangara mandrak' ankehitriny, hono, ny vilany vin-dRasoalao sy ny fahitr' ombiny ary ny fatoran-janakombiny. Ny ombimanga rehetra any Antsakalava dia atao hoe "ombimangan-dRasoalao ;" ary raha handeha hisambotra ireny ny mpanonta, dia mitaraina amin-dRasoalao sy Ikotofotsy (vorompotsy) mpiandry ny ombiny mba hanome ombimanga azy, vao sahy mandroso manenjika. [2.69]
Vocabulary 

Updated on 2020/07/31