Entry Rahajarizafy: Hanitra Nentin-drazana
Part of speech   name (book or play title)
Author   Rahajarizafy Antoine (s.j.)
Tables and plates   All the titles
Text   Ny tsara sy ny marina
Averiko eto indray aloha fa fo aman-tsaina ny olombelona, ary tsy mihetsika ila fotsiny na oviana na oviana izy: izany hoe, tsy miraika raha tsy amin'izay ampoiziny ho " tsara " sy heveriny ho " marina " . Atao hoe "tsara" izay maha-afadiana an'ilay fo te-ho tia ary atao hoe " marina " izay maha-afadiana an'ilay saina te-hahalala. Tsy misy mihodivitra amin'izany - na olombelona na anjely na Andriamanitra aza - rahefa hoe manam-pitiavana sy manam-piheverana ihany koa. Rahefa fotorana, dia iray ihany ny tsara sy ny marina - ary izany dia izany eo anatrehan'ilay mahita ny miafina indrindra sy ny lafiny rehetra indray mipi-maso - izay tsara ihany no marina, ary izay marina ihany no tsara. Isika olombelona anefa, amin'ny mahabitika sy mahamisy fara antsika, dia mitsipotipo tika sy miandalana no fahitantsika ny zava-drehetra; ka dia indro fa miavaka roa samy hafa ny fihetsiky ny olombelona: irery dia ny hatsaran'ilay zavatra aloha no mahatohina azy indrindra, iretsy kosa dia ny hamarin'ilay zavatra aloha no mahataitra azy indrindra. Irery voalohany aingain'ny fony kokoa, iretsy faharoa tarihin'ny sainy kokoa. Izy an-daniny avy samy voasinton'ilay " andriamby " ivondronan'ny faniriana tsy hita lany mampientana ny aintsika manontolo, dia ilay foiben'ny " hatsarana " sy ny " hamarinana " tsy misy avakavaka ary tsy misy fangarony.

Mampaninona na ny lohany na ny rambony no ahazoana ny hazandrano, rehefa azo ihany? Tsy maninona koa izay hahasavihantsika ny "tsara " sy ny " marina " . Ny vilany ve ndeha hanenitra ny mpahoe: "Nahoana aho no nataonao toy izao sy toy izao" ? Tsy tannefy drifin'olombelona na iza na iza ny hifanebaka amin'izay toepanahy namolavolan'Andriananahary ny namany: nataony samy hafanefa tsy hifanohitra, tsy hifamono fa hifameno, tsy hifangarika fa hifanome voninahitra. Koa raha mba hamelabelatra izay "hanitra" nentin-dRazan'ny Malagasy aho, raha manoko azy ho anisan'ireo voatohin'ny hatsaran'ny zavatra indrindra, milaza azy ireo hoe aingain'ny fony kokoa, dia tsy fanambaniana velively an'ireo firenena amin'ny an-daniny anankiray akory, fa fanehoana sy fampitahana kely fotsiny ny ahy, mba hahazava ny marina saika takontakona.

Tazano fa izay ironan'ny hazo no idabohany. Ka diniho izato fihetsiky ny Malagasy - diniho miadana anefa fa aza dodona - na hevitra hotapahiny ity na asa hiandraiketany - inona no lanjalanjainy? Toy izao indrindra raha tsy diso aho: " tsara " sa " ratsy " ? Ka na hiroso izy na hihemotra, izay ironan'ny fony, no tena hainoiny; ny fitiavany no manainga azy! Ao no idabohan'ny hazo.

Ny fifanomezana
Io no vonin'ny hanitra nentin-drazana mahaliana indrindra. ka-razan-takalo ihany ny fihavanana, saingy takalo tsy vitam-bola aman-karena fa vitan'ny fitia mifamaly kosa. " foto-kazo sy vorona, hono, ka izay manina no manatona" : ny fifankatiavana no voarabe endriky ny tany, mahamanina ny manam-panahy rehetra. inona tokoa moa no ifanatonan'ny olombelona, raha tahiny samy nahavita tena izy? fa mandia tany sy miloloha lanitra, ka samy mila tohana sy mila fialofana. fantatry ny malagasy loatra izany fahantran'ny isam-ba-tan'olona izany. hainoy ny fiteniny ,fa heveriny ho fara-fahoriana izany tsy mba mana-namana hiara-mizaka: " hazo tokana an-kadi-lanana, hoy izy, ka tenain-drivotra irery" . takany fa tsy mety mia-nina ny fo ambara-pahitany sakaiza iraisany hevitra amam-pani-riana: " vorona tokana anosy, hoy izy, ka miherikerika irery " . ary hitany fa tsy misy tsirony ny fiainana raha tsy misy havana hiara-pinaritra: " zaza diso sakaiza, hoy izy, ka milalao vovoka irery. " . izany dia izany no manesika azy ho tia maro sy ho tia mifanome izay azony omena amin'izao rehetra izao; ary inona moa ireo hantahanta voalaza teo raha tsy mari-pitiavana ifanomezany?

Jereo ange izy eo am-pianakaviany: ny lehibe ve no hiantsena ka tsy hivimbina voan-tsena ho an-dry koto mbamin-dry bozy? mpivahiny ve no avy lavitra ka tsy hisakelika voan-dalana ho an-kavana? olon-dehibe iza no manan-katolotra ihany ka hahajery voamason-jaza mipitrapitra? jereo fa izy samy voatavo tsy mifan-draka aza mahalala ny " valala iray ifanapahana " , ary " homan-tsy mizara, hono, kapakapa lela " . tsy mety mihitsy ny fon'ny malagasy raha tsy mahafoy zavatra ho an'ny olon-tiany; na ho atody iray aza hatolony, tsy maharitra izy fa misisika ihany. koa raiso amim-pan-kasitrahana izay kely mba efany: " tsy sahaza anao omena, hono, fa sahaza azy manome " , ary " tsy hanin-kahavoky, hono, tsy akory fa voninahitra ifanomezana " .

Jereo indray izy ao am-pireneny: fianakaviana no mitatra iha-ny no fiheviny ny mpiara-monina aminy. koa raha tonga ny tonon-taona, ny zokiolona na iza na iza dia tsy misy diso anjara amin'ny "vodiakoho" avy amin'ny tanora, ary ny kilonga na iza na iza dia tsy misy diso anjara amin' ny "fen'akoho" avy amin'ny lehibe. tsy hasiako teny lava ny amin'ny manta sy ny masaka ifanateran'ny mpi-fanolo-bodirindrina sy ny mifanalavitra; fa ny fahaizany mifanampy no aoka hotsahivina kely eto: malaza loatra amin'ny malagasy ny hoe "fisaisan-kina " , ary anisan'ny latsa-paka indrindra ao amin'ny fony io. tsy hitantara lava aho fa hampahatsiahy kely fotsiny, satria mibaribary loatra izany firaisan-kina izany amin'ny fiainany ka naha-taitra an'ireo vahiny rehetra nandalo teto anivon'ny riaka tsy vaky volo. tsy misy tsy niraisan'ny fokonolona hina fahiny, rahefa rahan'ny mpiara-monina; ka ny tsy efan'ny isam-baravarana na ny isam-bohitra dia nifanakonan' ny manodidina nanaovan-tana-maro: na fefiloha hatsangana toa an'i vohilava izany, na honahona havadika ho tanimbary toa an'i betsimitatatra, na vatom-pasana hotarihina sy trano haorina izany, na taon-ketsa sy jinja vary.


Updated on 2017/06/25