Entry Andriamalala: Ny Fanagasiana
Part of speech   name (book or play title)
Author   Andriamalala Emilson Daniel, 1975
Publisher   Librarie Mixte
Librarie Mixte. 2006/02.
Dimensions   Width: 14cm. Height: 18.5cm. Pages: 59.
Description   Lahatsoratra

Andian-javatra roa lehibe no maha-firenena ny firenena. Ny voalohany dia zavatra mora miova na mety hiova, ary indraindray natao niova.

Tsy inona ireo fa ny satam-panjakana sy ny olona eo amin' ny fahefana.

Mora miova sady natao hiova ny satam-panjakana, satria raha mifanaraka isika ankehitriny fa manjakavahoaka no ajoro dia mety ho mpanjaka tokana kosa no hatsangan' ireo taranaka fahatelo na fahefatra mandimby antsika. Mora miova sady natao hiova koa ny olona eo amin' ny fitondrana fa arakaraka ny safidim-bahoaka sy ny zava-miseho eran-tany no ahazoany na tsy ahazoany mitana ny fahefana.

Tsy azo didina hiaro ny satam-panjakana sy hanohana ny olona eo amin' ny fitondrana aho, fa miankina amin' ny safidiko izany, satria ny fiovan' ireo, na ho isan-kerinandro aza, tsy misakana ny fireneko tsy ho vanona. Eny, fomban' ireo mitana ne fahefana ny mampino ny vahoaka, noho ny hafetseny sy ny faniriany hitoetra eo amin' io toerana io mandrakizay, fa raha lasa izy ka soloan' ny hafa dia ho levona ny tanindrazana. Saingy tetika fandrendreham-bahoaka toy ny ronono an-tavy rehetra ihany ireny.

Zoko ny hiaro na tsy hiaro ny satam-pirenena, ny hanohana na tsy hanohana ny olona eo amin' ny fitondra. Ny fanerena ahy hanao izany, na ny fisakanana ahy tsy hanao izany dia famelazana mivantana ny Fahafahako.

Ny antokon-javatra faharoa kosa dia zavatra tsy natao niova sady tsy tokony hiova, dia ny tanindrazana sy ny firenena ary ny fahaleovantena.

Raha ny iray amin' ireo no voatohintohina dia efa eo an-dalan' ny fahalevonana ilay firenena. Noho izany, adidin' ny olom-pirenena tsirairay avy ny miaro ny tanindrazana tsy hibosesehan' ny hafa, ny firaisam-pirenena tsy ho rava, ny fahaleovantena tsy hanombinana.

Adidiko, adidiny, adidinao !

Adidy masina sady voajanahary tahaka ny fiahiam-bady aman-janaka ny fiarovana ny tanindrazana sy ny firenena ary ny fahaleovantena, ka tsy politika ny fanaovana izany, satria tsy azoko anantenana karama ny fanatanterahana azy.

Tsy afaka hitaky valisoa na amin' iza na amin' iza aho, raha manamafy ny hidintranoko — izay sombintsombiny amin' ny tanindrazako — tsy horobain' ny sasany, na mananatra ny ankohonako — izay sarinsarin' ny fireneko — tsy hisara-bazana.

Fa azoko anantenana karama sy valisoa ho ahy manokana, raha eo amin'ny fahefana aho, ny manilaka amin' ny tanindrazako hanjakazakan' ny hafa, na manolotra ny fahaleovantenam-pireneko hohitsahin' ny sasany. Ary matetika dia izany no atao hoe politika.

Satria tsy misy firenena "adala" hanampy ahy maimaim-poana hiakatra eo amin' ny fitondrana na hanohanana ahy hijanona eo raha tsy misy toky nomeko azy ny amin' izay ho "takalom-patsa vidim-pihinanana". Azy mazàna dia ny iray amin' ireo zava-masina, na izy telo miaraka, io "takalom-patsa" takiany amiko io : Na ny tanindrazana izay no misy faritra avela hilibany, na ny fahaleovantena no tsy maintsy ampandeferina eo anatrehany, na ny firaisam-pirenena no atolotra hopotehiny.

Ny hafetsen-dratsin' ny mpanao politika dia fahaizany manasavorovoro ao an-tsain' ny vahoaka ireo karazan-javatra roa mahazo miova sy tsy mahazo miova ireo :

Izahay no tanindrazana ! hoy ny antso avo afitsony... Izahay no fahaleovantena; izahay no firaisam-pirenena.

Kanefa ny lalàn-pitondrana avoakany na tadiaviny havoaka raha vao tonga eo amin' ny fahefana izy dia voakendry hampirodana tsirairay ireo andry ijoroan' ny maha-firenena ny firenena.

Iray amin' ireny andry ireny ny Fanagasiana, fa tsy misy heviny ny fahaleovantena tsy arahin' ny fanagasiana; tsy ho marin-toerana ny fiandrianam-pirenena tsy mifototra eo amin' ny fanagasiana; ary tantely afa-drakotra ny tanindrazana tsy voahidin' ny fanagasiana.

Ny atao hoe Fanagasiana dia fanandratana izay maha-malagasy, ary ny fanandratana dia tsy fanafoanana ny zavatra hafa fa fametrahana zavatra sasany eo ambonin' ny zavatra hafa rehetra.

Rian-kevitra malemy maozatra izy, nefa, mahagaga : fa izay niady taminy sy nihevitra handevona azy, montsana avokoa !...

Tao ry Radama II sy ny Menamasony, taitran' ny rendrarendram-bahiny, ka nanao tsinontsinona ny sata nentim-paharazana; sodokan' ny fombam-Bazaha, ka ny Malagasy avy no nataony tery vay manta hanaraka ireny ... Farany, ny ainy no folaka an-dantony !

Tao ry Galliéni sy ny mpanjanantany, nanao izay hahafongotra ny Teny Malagasy, mba handringana ny firenena malagasy. Iaraha-mahalala ny tohiny, fa teto Madagasikara no niandohan' ny fifohazan' ny zanatany rehetra, tamin' ny 1947, vao nitatra tany Indoshina sy Alzeria, ka niafara tamin' ny faharavan' ny fanjakazakana frantsay eran-tany.

Tao ny Antokon' ny maro an' isa sy ny forongony, sarontava niafenan' ny mpitsentsitra, fiasan' ny mpanani-bohitra na ny sampany miandany amin' ny vy hanapaka ny hazo... Nony ela, nidona tamin' ny ampiantanin' ny 13 mey 1972 !...

Tsy nisy tsy nampiasain' ny fahavalony hanapotehana azy, na harena, na voninahitra, ka indraindray, narisarisa toa ho faty tokoa izy, kanjo indro mirongatra amin' ny fotoana tsy ampoizina, velom-bolo sy mahery vaika.

Antony iray lehibe nitarika ny Malagasy hiady ny hiverenan' ny fahaleovantenany ny Fanagasiana, ary anisan' ny fitakiana fototra nametrahany ny tolona handravana ny fitondrana teo aloha, ka nijoroan' ny fitantanan' ny miaramila ny firenena.

Fanagasiana ny Fampianarana. Fanagasiana ny toe-karena. Fanagasiana ny fomba fisaina sy ny maha-olona. Izay efa noravaravain' ny fanjanahantany indroa miantona...

Ireo lafiny telo ireo no hotsikeraintsika sy handramana hovahavahana amin' ity boky kely ity.

Copyright   Librarie Mixte, 2006
Tables and plates   All the titles
Text  

Updated on 2017/06/22