mamy hoditra amim-bahoaka.

(11) Raiaja, Betambà : Ody mpisakana izay maniry hanao ratsy olona toy ny hamono sy hanao kabary azy.

(12) Odisimbanalo : Ody fiarovan-tena tsy ho voan’ireo mpamosavy ireo sady hanasitranana izay efa voany ka marary.

Izany ary ny amin'ny ody sy ny fanaovany azy ary ny anton’ny anaovany azy ireo avy na ny tsara na ny ratsy. 

Toko VII : Ny finoany ny amin’ny vintan’andro

Na iza na iza hanao zavatra dia tsy maintsy manontany ny ombiasa aloha izy na mety araky ny andro sy ny vintana izao zavatra kasainy hatao izao na ahoana ? Fa ny finoany ny ombiasa dia ambony degré mihintsy : amin’ny fitsaboana marary dia dokotera izy ;