Toko VI : Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody

1- Ny nahazoany azy voalohany sy ny nielezany

Rehefa nifidy ny ho fatin’akondro hono ny olona dia tonga farofy koa ny tenany nefa ny fanekena efa vita dia tsy azo tsohana intsony. Koa dia omena ny olona ity zanaky ny Zanahary atao hoe : « Masy » ity ka nanome azy ody aina mba hitsaboany izay marary eo aminy. Izao no afatra nataony raha nanome izany ody aina izany hono Izy : « Handatsaka ranonoran’aina aho anio alina ka izay vato, hazo, ahitra ary tany ho lenan’io ranonoran’aina io dia ilao hanasitrananareo ny marary ». Raha manao azy ianareo dia tonony toy izao ny anarako hitahiako azy : « Masy, Masy, Masy Andriantompo, Andriananahary, marary Ranona… ka analana anao