Index

Proverbs : tsindretra

Proverb Mitondra tandroho tsy hanihika ka mampitsangam-bolo ny tsindretra. [Rinara 1974 #2481]

Proverb Rafotsibe lavo an-tambiazina, ka raha tafarina mitsimpon-tsindretra. [Rinara 1974 #3500]
Rafotsibe lavo an-tambiazina: lavo, manao an-tora-body; miarina, mitsimpon-tsindretra; mody, manao endy kely. [Veyrières 1913 #1893, Rinara 1974 #3499, Cousins 1871 #2602]
Rafotsibe lavo antambiazina: raha tafarina mitsimpona tsindretra. [Rajemisa 1985]
Rafotsibe lavo an-tambiazina : raha tafarina, mitsimpon-tsindretra. [Cousins 1871 #2603]
Tahaka an--dRafotsibe lavo an-tambiazina : raha tafarina, mitsimpon-tsindretra. [Veyrières 1913 #1934]
Malagasy interpretation Enti-milaza olona azon' ny fahavoazana mafy, ka raha afaka avy ao aza, mbola tsy ambinina. [Rajemisa 1985]
French translation C' est comme la vieille qui est tombée dans de l' eau ferrugineuse : quand elle se relève, au lieu de penser à sa chute elle ramasse des larves de libellules. [Veyrières 1913 #1934]
Vieille qui est tombée dans de l' eau ferrugineuse : une fois tombée elle s' assied ; quand elle se relève, elle attrape des larves de libellules, et de retour chez elle les fait griller pour les manger. [Veyrières 1913 #1893]
French interpretation Ce proverbe se moquait des vieilles à courte vue, aux idées étroites. [Veyrières 1913 #1893]
Se disait des petites idées et courtes vues. [Veyrières 1913 #1934]

Proverb Tsy hita izay hiainana, fa hoatry ny tsindretra anaty tambiazina : mankamin' ny marivo, tsindrohin' ny vano ; mankamin' ny lalina, paohin' ny mamba. [Veyrières 1913 #5833]
Tsy hita izay hiainana, fa ohatra ny tsindretra anaty tambiazina: mankamy ny marivo, tsindrohin’ ny vano; mankamy ny lalina, paohin’ ny mamba. [Cousins 1871]
Tsy hita izay hiainana, fa toy ny tsindretra anaty tambiazina : mankamin' ny marivo, tsindrohin' ny vano, mankamin' ny lalina, paohin' ny mamba. [Rinara 1974 #4496]
French translation On ne sait comment vivre, car on est comme les larves de libellules dans une eau ferrugineuse : si elles sont dans les endroits peu profonds, le héron les prend une à une avec le bec ; si elles sont dans les endroits profonds, le caïman les rafle. [Veyrières 1913 #5833]

Proverb Tsy misy fatra-piahy tena ohatra ny tsindretra, fa famaky kely iray sy katsomanta telo no entiny, fa raha tamy ny tandroho misitrika. [Cousins 1871]
Tsy misy fatra-piahy tena, toy ny tsindretra, fa famaky iray, katsomanta telo. [Rinara 1974 #4707]

Proverb Tsindretra mandry an-tanimbary, sahona mandry an-tatatra, mamba mandry anosy, ka samia mitoetra amin' ny onin--drainy. [Rinara 1974 #4441]
Tsindretra mandry an-tanimbary, sahonamandry an-tatatra, mamba mandry an-osy : samia mitoetra amy ny onin-drainy. [Cousins 1871 #3311]
Tsindretra mandry an-tanimbary, sahona mandry an-tatatra, mamba mandry anosy : samia mitoetra amin' ny onin--drainy. [Veyrières 1913 #865, Nicol 1935]
French translation La libellule se repose dans la rizière, la grenouille dans les rigoles humides, le caïman sur les îlots du fleuve : qu’ainsi chacun demeure à sa place (dans sa rivière d’origine). [Nicol 1935 #122]
Larves de libellules dans les rizières, grenouilles dans les canaux, caïmans dans les îlots, que chacun demeure dans l' eau de ses pères. [Veyrières 1913 #865]
French interpretation Chacun doit rester dans sa condition et garder ses usages. [Veyrières 1913 #865]

Index