Index

Proverbs : tazanina

Proverb Amboa ngerom-bava, ka raha mandalo toa hitondra sokina ihany. [Veyrières 1913 #4269]
Amboa ngerom-bava : tazanina toa mitondra sokina, nony akaiky vavany ihany. [Rinara 1974]
Toy ny amboa ngerom-bava : tazanina toa mitondra sokina, nony hatonina vavany ihany. [Rinara 1974 #4258]
French translation Chien qui a la gueule noire : quand il passe, on croit qu' il porte un hérisson. [Veyrières 1913 #4269]
French interpretation Se disait des voleurs de profession : on les accuse toujours. [Veyrières 1913 #4269]

Proverb Ny harena dia hoatry ny rano an-tami-bato : raha tazanina, toa be ; raha andraofana, tsy ahazoana hoatrinona. [Veyrières 1913 #2222]
Ny harena dia ohatra ny rano an-tami-bato: raha tazanina toa be, raha andraofana tsy ahazoana ohatrinona. [Rajemisa 1985]
Ny harena rano an-tami-bato: tazanina, be; andraofana, tsy ahazoana. [Abinal 1888]
French translation La fortune est comme l' eau qui suinte des rochers : de loin cela semble abondant et quand on approche, c' est à peine si on peut en puiser pour boire. [Veyrières 1913 #2222]
La fortune est comme l'eau suintant des roches: de loin elle semble abondante, quand on approche, on peut à peine en puiser pour boire. [Abinal 1888]

Proverb Ny lainga toy ny anjavidy : tazanina toa voany, fa nony hatonina raviny ihany. [Rinara 1974 #3060]

Proverb Rano an-tami-bato : raha tazanina, be ihany ; fa raha raofina, tsy ahazahoana. [Veyrières 1913]
Rano an-tanim-bato : raha tazanina, be ihany ; fa raha raofina, tsy ahazoana. [Cousins 1871]
Toy ny rano an-tami-bato: tazanina, mangiakiaka, ka nony tovozina, tsy mahafeno siny. [Cousins 1871]
Toy ny rano an-tami-bato : tsinjovi-manelatra ihany, fa nony tovozina tsy ahazoana. [Rinara 1974 #4317]
Toy ny rano an-tami-bato: tsinjovina, manelatra ihany, ka nony tovozina, tsy azahoana. [Cousins 1871]
Toy ny rano an-tami-bato : tsinjovina, manelatra ; tovozina, tsy ahazahoana. [Veyrières 1913 #2254]
Toy ny rano an-tami-bato : tsinjovina, mangiakiaka ; ka nony tovozina, tsy ahazahoana. [Veyrières 1913 #2254]
Toy ny rano an-tanim-bato: tsinjovina, manelatra ihany, fa nony tovozina, tsy ahazoana. [Houlder 1895 #481]
French translation Eau qui suinte des rochers : quand on regarde elle semble être abondante ; mais quand on veut y puiser on ne peut pas. [Veyrières 1913 #2241]
La fortune est comme l' eau qui suinte des rochers : quand on la regarde elle brille, mais quand on veut y puiser il n' y a pas moyen. [Veyrières 1913 #2254]
Pareil à l' eau suintant d'un rocher: de loin elle brille beaucoup, mais quand on veut la puiser, il y en a trop peu pour en prendre. [Houlder 1895]
French interpretation Se disait de la fortune. [Veyrières 1913 #2241]

Proverb Tsokan’ omby mahian’ Ivonizongo: atontona, tsy mandeha; trohina, mamahana; nefa raha tazanina, toa hirotsaka ihany. [Cousins 1871]
Tsokan' omby mahian' i Vonizongo : atontona tsy mandeha, trohina mamahana, nefa raha tazanina toy ny hirotsaka ihany. [Rinara 1974 #4470]

Index