Index

Proverbs : tandroho

Proverb Izay very tandroho, very laoka. [Rinara 1974 #1527]

Proverb Mitondra tandroho tsy hanihika ka mampitsangam-bolo ny tsindretra. [Rinara 1974 #2481]

Proverb Mpanihika ka manadino tandroho; mpianala ka manadino famaky; mpitifitra ka manadino bala. [Houlder 1895 #1724]
Mpanihika manadino tandroho, mpianala manadino famaky, mpitifitra manadino basy : andao hiverina fa rahampitso manaraina. [Rinara 1974 #2594]
French translation Être pêcheur (au panier) et oublier son panier; être bûcheron et oublier sa hache; être tireur et oublier ses balles. [Houlder 1895]

Proverb Tandroho tsara ladina no ao ka aza mitsipelika ho amalon-javatra! [Rinara 1974 #4040]

Proverb Tsy misy be fiarovana tahaka ny ondrindrano : tsirika telo, antsibe iray, nefa raha azon’ ny tandroho mitogaga. [Cousins 1871 #3512]
Tsy misy be fiarovana toy ny ondrindrano, fa tsirika telo, antsibe iray nefa mitolagaga raha voafaokan' ny tandroho. [Rinara 1974 #4706]

Proverb Vovo miara-milona sy tandroho miara-misitrika. [Houlder 1895 #1211]
Vovo miara-milona, tandroho miara-misitrika. [Rinara 1974 #5055]
French translation (Nous sommes comme) des nasses trempant ensemble et des paniers à pêche qui plongent ensemble. [Houlder 1895]

Index