Index

Proverbs : satry

Proverb 1Aza manao fon' ny mpanefy. [2.165 #353, 2.653 #448]
Aza manao fon' ny mpanefy: mikapo-dalitra ambony lovia ka mamoy sasanangy tsy satry. [2.165 #306]
Aza manao fon' ny mpanefy : mikapo-dalitra ambony lovia ka namoy sasanangy. [2.558 #39]
French translationN' ayez pas le cœur d' un forgeron. [2.165]
Ne soyez pas emporté comme un forgeron: il frappe une mouche sur une assiette (qu' il casse en même temps), et doit donner un franc soixante contre son gré. [2.165]
French interpretationC. à. d. irascible. Pour payer le prix de l' assiette cassée sans raison. [2.165]

Proverb 2Fandrotrarana an-tananaolo : mandimby rainy tsy satry. [2.653 #923]
Fandrotrarana an-tanàna haolo ka mandimby ray tsy satry. [1.1]
Fandrotrarana an-tanàna haolo : mandimby rainy tsy satry. [2.415]
Malagasy interpretationEnti-milaza ireo olona voatery hiteny ampahibemaso na hikabary satria tsy eo intsony ireo zokiolona tokony hanao izany. [1.1]
French translationChiendents dans un village abandonné : ils succèdent à leurs pères sans l' avoir désiré. [2.415]
French interpretationSe disait des mauvais héritages ; se disait aussi des enfants qui héritaient trop jeunes de leurs parents. [2.415 #3172]

Proverb 3Ny may lamba tsy satry no kamboty. [2.558 #3140, 2.653 #2345]

Proverb 4Raha mamadika ny soa nifanekena, tsy satry fa avilin-draha. [2.558 #3610, 2.653 #2682]
Raha mandika ny soa nifanekena aho, tsy satry, fa avilin-draha. [2.165 #254]
French translationSi je n' accomplis pas le bien que j' ai promis de faire, ce n' est pas de mon gré, mais c' est que quelque chose m' en empêche. [2.165]

Proverb 5Raikitra tsy satry ohatra ny ombalahy mifanena ankaterena. [1.1]
Raikitra tsy satry, ohatra ny ombilahy mifanena an-katerena. [2.653]
Raikitra tsy satry toy ny ombilahy mifanena an-katerana. [2.558 #3690]

Proverb 6Tsy satry ny mandihy mipetraka, fa ny lamba ho enti-mitsangana no tsy misy. [2.558 #308]
Tsy satry no mandihy mandry, fa ny lamba ho enti-mitsangana no tsy misy. [2.415 #2570, 2.653 #3574]
French translationCe n' est pas de dessein prématuré qu' on danse assis ou couché, mais c' est le lamba qu' il faut porter pour se lever qui manque. [2.415]

Proverb 7Tsy satry ny mialin-koririka, fa ny vary hatao no tsy misy. [2.415 #4637]
Tsy satry ny mialin-koririka, fa ny vary hatokona no tsy misy. [2.558 #309]
Tsy satry no mialin-koririka, fa ny vary hatao no tsy misy. [2.653 #3575]
French translationCe n' est pas par un libre choix qu' on se couche sur un souper de feuilles d' arum, mais c' est que le riz à faire cuire manque. [2.415 #4637]
French interpretationOn fait ce qu'on peut. [2.415 #4637]

Proverb 8Tsy satry ny mitafy lambamena miantsena fa tiana mba ho hitan' ny mana-marary. [2.558 #310]
Tsy satry no mitafy lambamena miantsena, fa tiana mba ho hitan' ny mana-marary. [2.415 #4411, 2.653 #3576]
French translationCe n' est pas de gaîté de coeur qu' on va au marché drapé dans un lamba de soie rouge, mais c' est pour être vu de ceux qui ont des malades. [2.415]
French interpretationLe lamba de soie rouge est le linceul malgache ; le sens est qu'il faut montrer ce qui est mis en vente. [2.415 #4411]

Proverb 9Voatelina tsy satry, hoatry ny tavin-kena am-bavan' antitra. [2.415 #1870]
Voatelina tsy satry, ohatra ny tavin-kena am-bavan’ antitra. [2.653, 2.558]
French translationC' est avalé avant qu' il l' ait voulu, comme de la viande grasse dans la bouche d' un vieillard. [2.415 #1870]
French interpretationPlaisanterie sur les édentés, analogue à l' expression : n' en faire qu' une bouchée ; autre sens : fait à la hâte et malgré soi. [2.415 #1870]

Index