Index

Proverbs : ray

Proverb 1Andriamatoa no hendry ka Ifaralahy maditra no tian-dray sy reniny. [2.558 #233]

Proverb 2Angalisa zanaky ny tafondro : ny feon-drainy ihany no feon-janany. [2.415 #956, 2.653]
Tafondro niteraka angalisa, ka ny feon-drainy ihany no feon-janany. [2.558 #3970]
French translationLe fusil est fils du canon : la voix du père est la voix du fils. [2.415 #956]
French interpretationTel père, tel fils. [2.415 #956]

Proverb 3Aza lozabe manana anaka, andrao tsy manan-dray ny zaza. [2.165 #1834]
Aza saro-po manan' anaka, fandrao tsy manan-dray ny ankizy. [2.653 #707, 2.415]
Aza saro-po manan' anaka, fandrao tsy manan-dray ny zaza. [2.653 #707, 2.415]
Saro-po manana anaka, ka tsy hanan-dray ny ankizy. [1.1 #72, 2.415 #2558, 2.558]
Malagasy interpretationHahantra izay manary na mandao ny asa na raharaha fanaony noho ny hasosorana kely tsy toy inona. [1.1 #72]
French translationNe vous emportez pas quand vous êtes enceinte, de peur que l' enfant n' ait pas de père. [2.165]
Que l' épouse qui a des enfants ne soit pas irascible, de peur que ses enfants ne soient privés de père. [2.415 #1362]
Si une femme qui a des enfants se fâche pour un rien, le mariage ne tiendra pas et les enfants n' auront plus de père. [2.415 #2558]
French interpretationAllusion à la facilité avec laquelle les femmes étaient répudiées par leurs maris. [2.415 #1362]
Ce proverbe, outre son sens littéral, se disait des gens qui quittent leur emploi à la moindre difficulté et finissent par tomber dans la misère. [2.415 #2558]
Parce que, si vous vous emportez, vous courez le risque d' être divorcée. [2.165]

Proverb 4Aza manao hoe : Itompokolahy Ikaky, fa Rabevoina rain' ialahy. [2.558 #506]
Raha fatin-drain' olona ataony hoe : Rabevoina rain' ialahy, fa raha fatin-drainy kosa dia lazainy hoe Ratompokolahy Ikaky. [2.558 #3564]
Raha fatin-drain’ olona ataony hoe: "Rabevoiny rain’ ialahy!" ary raha fatin-drainy kosa ataony hoe: "Ratompokolahy Ikaky!". [2.653 #2647]
Raha ny ahy, ataonao hoe, rabevoiny rain' ialahy; ary raha ny anao, dia ataonao hoe ratompokolahy ikaky. [1.3]
Raha rainao ataonao hoe Itompokolahy dada; fa raha raiko kosa, Rabevoina rainao. [1.1]
Malagasy interpretationEnti-milaza fiangarana amin' ny fitenenana ka raha an' ny tena soasoavina, fa raha an' ny hafa bantibantina. [1.1]
French translationQuand il s'agit de mon père mort, vous dites: le malheureux ton père; tandis que pour le vôtre, vous dites: monsieur ou feu mon père. [1.3]
French interpretationOn se flatte soi-même et on méprise les autres. [1.3]

Proverb 5Bibilava nitera-pahafito, ka izay adala no toa an-drainy. [2.558]

Proverb 6Fandrotrarana an-tananaolo : mandimby rainy tsy satry. [2.653 #923]
Fandrotrarana an-tanàna haolo ka mandimby ray tsy satry. [1.1]
Fandrotrarana an-tanàna haolo : mandimby rainy tsy satry. [2.415]
Malagasy interpretationEnti-milaza ireo olona voatery hiteny ampahibemaso na hikabary satria tsy eo intsony ireo zokiolona tokony hanao izany. [1.1]
French translationChiendents dans un village abandonné : ils succèdent à leurs pères sans l' avoir désiré. [2.415]
French interpretationSe disait des mauvais héritages ; se disait aussi des enfants qui héritaient trop jeunes de leurs parents. [2.415 #3172]

Proverb 7Hanafin-kanina amin-dray : fa iza indray no tokony hihinana? [2.558 #1262]
Hanafin-kanina amin-dray, iza indray no tokony hihinana? hanafin-karena amin-janaka, iza no tandrifiny handova? [2.415 #968, 2.653 #1018]
Hanafin-karena amin-janaka : fa iza indray no tandrifin' ny handova? [2.558 #1263]
French translationOn cache des provisions à son père : qui donc est plus digne de les manger ? on cache des trésors à son fils : qui donc est plus digne d' hériter? [2.415 #968]
French interpretationNécessité de la bonne entente dans les familles. [2.415 #968]

Proverb 8Izay adala no toa an-drainy. [2.558]
Izay adala no toa an-drainy aman-dreniny. [2.415 #2079]
Izay adala no toa an-dreniny. [2.558]
French translationCeux qui ne sont que comme leurs pères et mères, ce sont les sots. [2.415 #2079]
French interpretationIl faut progresser et dépasser les parents. [2.415 #2079]

Proverb 9Malahelo tsara levenana, ka voninahitry ny havan-dray sy reny. [2.558 #1922]

Proverb 10Mitondra roa hoatry ny vehivavy somorina : ny hetran-dray tsy apetraka, ny lova tamin-dreny tsy avela. [2.415 #1774]
Mitondra roa ohatra ny vehivavy somorina : ny hetran-drainy tsy apetraka, ny lova tamin-dreny tsy avela. [2.558]
Mitondra roa, ohatra ny vehivavy somorona : ny hetran-dray tsy apetraka, ny lova tamin-dreny tsy avela. [2.653]
French translationPorter double bien comme une femme barbue : l' héritage paternel (la barbe) elle ne l' abandonne pas, et l' héritage maternel elle ne le laisse pas. [2.415 #1774]
French interpretationSe disait de ceux qui étaient de deux partis ou recevaient de deux côtés. [2.415 #1774]

Proverb 11Mpanarivo roa ray : mitraka mahazo ny trafony, miondrika mahazo ny tratrany. [2.558 #2583]

Proverb 12Mpisakaiza, toa miombon-dray; mifankatia, toa miombon-dreny. [2.558 #168, 2.653 #1988]
Mpisakaiza toa mpiombon-dray; mpifankatia toa mpiombon-dreny. [2.165]
French translationDe bons camarades semblent avoir le même père; de bons amis semblent avoir la même mère. [2.165]

Proverb 13Na andrian-dray sy andrian-dreny aza ve tsy halahelo ? [2.558]

Proverb 14Ny ana-dray aman-dreny toy ny tsipak' ombalahy, mahavoa mahafaty, tsy mahavoa mahafanina. [2.558 #2865]
Ny ana-dray aman-dreny toy ny tsipak' ombalahy: raha mahavoa mahafaty, raha tsy mahavoa mahafanina:. [2.415, 1.1]
Ny ana-dray aman-dreny tsipak' ombalahy : mahavoa mahafaty, tsy mahavoa mahafanina. [2.415 #884]
Ny anatry ny ray aman-dreny toy ny tsipak’ ombalahy : mahavoa, mahafaty ; tsy mahavoa, mahafanina. [2.974 #176]
Ny anatry ny ray toy ny tsipak' ombalahy : mahavoa mahafaty, tsy mahavoa mahafanina. [2.415 #884, 2.165]
Ny anatry ny ray toy ny tsipak’ ombilahy : mahavoa, mahafaty ; tsy mahavoa, mahafanina. [2.653 #2158]
Tsipak' ombalahy ny ana-dray aman-dreny, ka raha mahavoa mahafaty tsy mahavoa mahafanina. [2.558 #288]
Malagasy interpretationEnti-milaza ny tsy tokony hanaovana tsinontsinona ny tenin-dray aman-dreny. [1.1]
Tsy tokony hatao tsinontsinona na oviana na oviana ny torohevitra omen’ ny ray aman-dreny. [1.1]
French translationAvertissements des parents, c' est comme les ruades des taureaux : quand ils frappent, ils tuent ; et quand ils ne touchent pas, du moins ils effraient. [2.415 #884]
Les remontrances des parents ressemblent aux ruades du taureau : atteint, vous en mourez ; si elles vous manquent, c’est du tnoins l’étourdissement. [2.974 #176]
Les réprimandes d' un père sont comme les coups de pied d' un taureau: si elles vous atteignent, elles vous tuent; si elles ne vous atteignent pas, elles vous font perdre connaissance. [2.165]
French interpretationCe proverbe disait la force des remontrances des parents à leurs enfants. [2.415 #884]
Dans les deux cas elles ont un effet considérable. [2.165]

Proverb 15Ny mandimby anaran-dray soa : sarotra. [2.558 #3110]
Ny mandimby ray soa sarotra. [2.415 #885, 2.653 #2322]
Sarotra ny mandimby anaran-dray soa. [2.415 #1000]
French translationIl est difficile de succéder dignement à un père parfait. [2.415 #885]
Le nom d' un père illustre est difficile à porter. [2.415 #1000]

Proverb 16Ny mpanjatobe roa ray : anatiny mahazo ny trafony, ivelany milanja ny tratrany. [2.558 #3158]
Ny mpanjatobe tsara ray roa, ka anatiny mahazo ny trafony, any ivelany milanja ny tratrany. [2.653 #2354]
Ny mpanjatobe tsara ray roa, ka anatiny mahazo trafony, any ivelany milanja ny tratrany. [2.415 #2228]
French translationLes richards ont deux prérogatives : chez eux ils ont la bosse du boeuf, dehors ils emportent la poitrine. [2.415]

Proverb 17Ny ray hendry mahay mitondra zaza. [2.415 #888]
French translationLes pères sages savent conduire leurs enfants. [2.415 #888]

Proverb 18Ny zoky be hoatry ny ray ihany. [2.165 #1902]
Ny zoky be tahaky ny ray, ary ny ray dia ray rahateo. [2.415 #1159]
French translationUn bon aîné remplace le père, le père est déjà père. [2.415 #1159]
Un grand aîné est comme un père. [2.165]

Proverb 19Nony tsy maty Ikakibe, nanan-dray roa aho. [2.415 #5565]
French translationSi mon grand-père n' était pas mort j'aurais deux pères. [2.415 #5565]
French interpretationOn serait heureux si on avait tout à souhait. [2.415 #5565]

Proverb 20Osivavy maniry somotra : ny lova tamin-dray tsy avela, ny hetra tamin-dreny tsy afoy. [2.558 #3471]
Toy ny osivavy somorina : ny lova tamin-dray tsy avela, ary ny hetra tamin-dreny tsy diso. [2.165 #1292, 2.415 #1790]
French translationC' est comme la chèvre qui a une barbe : elle hérite de père et mère. [2.415 #1790]
Pareil à une chèvre qui a une barbe: elle a hérité à la fois de son père et de sa mère. [2.165]

Proverb 21Raha ny manan-dray no anarina, dia ny kamboty no mahazo aloha. [2.415 #1040, 2.165]
Raha ny manan-dray no tenenina (anarina) ny kamboty no nahazo aloha. [2.558 #3637]
French translationSi l' on fait des réprimandes à ceux qui ont un père, ce sont les orphelins qui les reçoivent les premiers. [2.165]
Si on fait des reproches aux enfants qui ont un père, les orphelins les reçoivent les premiers. [2.415 #1040]

Proverb 22Ray ka mahanatranatra, reny ka mahadinidinika, fa lainga raha fitia no miohatra an' Idada sy Ineny. [2.558]

Proverb 23Ratsy tarehy maka vady, ka ny anaran-dray no enti-mila. [2.558 #3728]
Ratsy tarehy mila vady, ka ny anaran-dray no enti-mila. [2.415 #1233, 2.653 #2773]
French translationQuand on est laid, c' est en faisant valoir le nom de son père qu' on trouve à se marier. [2.415 #1233]
French interpretationSe disait souvent des animaux de moins belle apparence, mais de bonne race. [2.415 #1233]

Proverb 24Sabakaka mandro an-ony, sahona mandro an-tatatra : aoka samy handro amy ny onin-drainy. [2.653 #2810]
Saobakaka mandro an' ony, ny sahona mandro an-tatatra, ka aoka samy handro amin' ny onin-drainy. [2.558 #3835]
Saobakaka mandro an' ony, sahona mandro an-tatatra : aoka samy handro amin' ny onin-drainy. [2.415 #337]
French translationCrapaud qui se baigne dans un fleuve, grenouille qui se baigne dans un petit canal de rizières : que chacun se baigne dans les eaux de ses pères. [2.415 #337]
French interpretationLe sens est qu' il faut garder les coutumes de ses pères ; et aussi qu' il ne faut pas se mêler des affaires des autres. ! [2.415 #337]

Proverb 25Totohondry diavolana : izay mazava ray ihany no voa. [2.558 #280]
Totohondry diavolana : ny mazavaray ihany no voa. [2.165 #2038, 2.415 #3524, 2.653]
French translationDes coups de poing au clair de lune: seuls ceux qui ont le front découvert en sont atteints. [2.165]
Pugilat au clair de lune : c' est celui qui a le front large et brillant qui est frappé. [2.415 #3524]
French interpretationParce que, comme ils ont le front découvert et brillant, ce sont eux qu' on voit le mieux. [2.165]
Se disait des gens donnant prise à la dispute. [2.415 #3524]

Proverb 26Tsy keliray aho fa iva dia ; tsy banga aho fa makaka nify ; tsy sola aho fa mazava ray. [2.415 #1730, 2.653 #3357]
Tsy keliray aho fa iva dia, tsy banga fa makaka nify, tsy sola fa mazava ray, ka izay niteraka anay nitera-dehilahy. [2.558 #4502]
French translationJe ne suis pas nain mais court sur pieds ; je ne suis pas édenté mais j' ai les dents espacées ; je ne suis pas chauve mais j' ai le front découvert. [2.415 #1730]
French interpretationJe n' ai pas les défauts dont on m'accuse. [2.415 #1730]

Proverb 27Tsy mety ny manambady tsy miera. [2.415 #1242]
Tsy mety raha manambady tsy miera, manan-dray tsy midinidinika. [2.165 #1594, 2.415 #1243, 2.558 #4606, 2.653 #3429]
French translationIl ne convient pas de se marier sans avoir obtenu la permission ; il ne convient pas d' avoir un père et de ne pas le consulter. [2.415 #1243]
Il ne convient pas de se marier sans avoir pris conseil et obtenu la permission des parents. [2.415 #1242]
Quand on est marié, il convient de prendre conseil de son conjoint; et quand on a un père, il convient de le consulter. [2.165]
French interpretationSens général : il faut prendre conseil des gens sages et expérimentés. [2.415 #1242]
Sens général : il ne faut pas se croire capable de tout et ne consulter personne. [2.415 #1243]

Proverb 28Tsy mety raha ny sola indray no hanebaka ny mazava ray. [2.558 #4664]

Proverb 29Tsindretra mandry an-tanimbary, sahona mandry an-tatatra, mamba mandry anosy, ka samia mitoetra amin' ny onin-drainy. [2.558 #4441]
Tsindretra mandry an-tanimbary, sahonamandry an-tatatra, mamba mandry an-osy : samia mitoetra amy ny onin-drainy. [2.653 #3311]
Tsindretra mandry an-tanimbary, sahona mandry an-tatatra, mamba mandry anosy : samia mitoetra amin' ny onin-drainy. [2.415 #865, 2.974]
French translationLa libellule se repose dans la rizière, la grenouille dans les rigoles humides, le caïman sur les îlots du fleuve : qu’ainsi chacun demeure à sa place (dans sa rivière d’origine). [2.974 #122]
Larves de libellules dans les rizières, grenouilles dans les canaux, caïmans dans les îlots, que chacun demeure dans l' eau de ses pères. [2.415 #865]
French interpretationChacun doit rester dans sa condition et garder ses usages. [2.415 #865]

Proverb 30Tsy sola hitsiriritra ny mazava ray, fa efa mba nanana koa taloha. [2.558 #4796]

Proverb 31Velon-dray tsy manjaka ny zaza. [2.415 #895]
French translationDu vivant de son père l' enfant ne gouverne pas. [2.415 #895]

Proverb 32Zanaky ny mpanan-karena tsy mitafy : ny anaran-drainy sisa tafiny. [2.415 #1014, 2.653 #3762, 2.558]
French translationEnfants de riches, qui ne sont pas vêtus : il leur reste le nom de leur père pour se vêtir. [2.415 #1014]
French interpretationSe disait des parents avares qui ne donnaient pas le convenable à leurs enfants, et surtout des enfants qui avaient dissipé l' héritage de leurs parents. [2.415 #1014]

Index