Index

Proverbs : ory

Proverb 1Andevolahy mandihy an-jezika: mahare ny fingodony, fa tsy mahita ny handitsiky ny masony. [2.165]
Ankizilahy mandihy an-jezika : faly nihaino ny fidobony fa narahim-parasisa vao ory. [2.558 #281]
Ankizilahy mandihy an-jezika : ny fidobony dia tsara, fa ny maso ditsoka tsy voahevitra. [2.558 #280]
French translationUn esclave dansant sur un tas de cendres: il entend résonner ses pas, sans s’apercevoir que ses yeux s’emplissent de poussière. [2.165]

Proverb 2Aombe mahia tsy lelafiñi ty namañe. [1.68]
Ny omby mahia tsy lelafin' ny namany. [2.165 #1481, 1.1]
Ny omby mahia tsy lelafin' ny namany, ary ny ory tsy havan' ny manana. [2.558 #3193]
Ny omby mahia tsy lelafin’ ny namany ; ny malahelo tsy mba havan’ ny manana. [2.974 #375, 2.653]
Omby mahia tsy lelafin' ny namany : ny malahelo tsy mba naman' ny manana. [2.415 #2551]
Malagasy interpretationEnti-milaza fa andosiran' ny namany ny mahia, ny tsy manana, ny oriory, fa ifanotofana kosa ny manana, ny matavy. [1.1]
Ny mahantra, ny madinika tsy mba mana-namana; ny lehibe, ny mpanan-karena ihany no hodidinin-tsakaiza maro. [1.1]
French translationLa vache maigre n’est pas léchée par ses congénères ; le malheureux n’a pas de parents. [2.974 #375]
Les boeufs ne lèchent pas leurs compagnons maigres, les pauvres ne sont pas camarades des riches. [2.415]
Les boeufs ne lèchent pas leurs compagnons maigres. [1.68]
Les bœufs maigres ne sont pas léchés par les autres. [2.165]
French interpretationLes pauvres sont sans parents et sans amis. [2.415 #2551]

Proverb 3Aza faly havana ory. [2.415 #1057]
French translationNe vous réjouissez pas quand vos parents sont malheureux. [2.415 #1057]

Proverb 4Basy jala fito : tsy azoñi ty latsa, tsy ahoañi ty pañarivo. [1.68]
Basi-na ariary fito: tsy takatry ny ory, tsy tian' ny mpanana. [1.1]
Basin' ariary fito : sady tsy tian' ny mpanana no tsy takatry ny ory. [2.558 #850]
Basin' ariary fito: tsy tian' ny mpanana ary tsy takatry ny malahelo. [1.1]
Basin’ ariary fito: tsy tian’ ny mpanana, tsy takatry ny malahelo. [2.653]
Salasala ohatra ny basin' ariary fito: tsy takatry ny malahelo, tsy tian' ny mpanana. [2.165]
French translationDouteux comme un fusil de sept piastres: les pauvres ne peuvent l' acheter, les riches ne l' aiment pas. [2.165]
Un fusil à trente-cinq FMG : ceux qui sont pauvres ne peuvent l'acquérir, les riches le dédaignent. [1.68]

Proverb 5Hianao no dobo solom-pitaratra, felan-tanan' ny ory sy totohondrin' ny osa, ary trano be fihantonan' ny amponga sy dadan' ny maro. [2.558]
Hianao no dobo solom-pitaratra, sy felatanan' ny ory, sy toto-hondrin' ny osa, tranobe fihantonan' ny amponga, dadan' ny maro. [2.415 #812, 2.653 #1061]
French translationVous êtes le réservoir d' eau qui tient lieu de miroir, vous êtes la main des malheureux et le poing des faibles, vous êtes la grande case où le tambour est suspendu, vous êtes le père de beaucoup. [2.415 #812]
French interpretationCes paroles se disaient des protecteurs et des bienfaiteurs. [2.415 #812]

Proverb 6Izay manana no Rangahy, fa ny ory Ikotokely. [2.558 #101]

Proverb 7Izay ory misalahy matesa, hoy ny andriana. [2.415 #3202]
French translationMalheur à ceux qui ne veulent pas entendre parler d' un partage égal, dit le souverain. [2.415 #3202]
French interpretationSe disait à ceux qui réclament des privilèges dans le partage. [2.415 #3202]

Proverb 8Lehilahy mahery mihosy, vehivavy mahery manetsa : ka sady voky ny ankizy no tsy ory ny lehibe. [2.558]
Lehilahy mahery mihosy, vehivavy mateti-panetsa : manao ny hahavoky ny ankizy. [2.415 #1283, 2.653 #1363]
French translationHomme qui remue bien la terre de ses rizières, femme qui transplante bien le riz : ils nourrissent bien leurs enfants. [2.415 #1283]
French interpretationSe disait des ménages laborieux. [2.415 #1311]

Proverb 9Mahay mandefitra ka tsy ory olon-tiana. [2.558 #1869]

Proverb 10Malaina hatry ny fahazaza, ka ory mandraka antitra. [2.558 #1926]
Manaram-po fahazaza, ka maka kitay fotsy volo. [2.653 #1566, 2.974 #189]
Miara-monina amim-pahalainana fahazaza, ka mitafy voro-damba efa antitra. [2.415 #1576]
Miara-monina amim-pahalainana fahazaza ka mitafy voro-damba rehefa antitra. [2.165 #1914]
French translationUn enfant trop dorloté finit par ramasser des fagots quand il a des cheveux blancs. [2.974 #189]
Vivre dans (litt. avec) la paresse quand on est jeune, et être couvert de haillons une fois vieux. [2.165 #1914]
Vivre en paresseux quand on est jeune, et être couvert de guenilles dans la vieillesse. [2.415 #1576]

Proverb 11Manontany ny ory. [2.415 #2207]
French translationLe riche qui n' a pas connu la misère, demande ce que c' est que la misère. [2.415 #2207]
French interpretationSe disait des gens très riches. [2.415 #2207]

Proverb 12Miadana ory tahaka ny ankizilahy homan-kerotra. [2.558 #2230]
Miadana ory, toy ny andevolahy homan-kerotra. [2.415 #567, 2.653 #1705]
French translationSe réjouir dans le malheur comme un esclave qui mange de la crème. [2.415 #567]
French interpretationLes malheureux eux-mêmes ont parfois de bonnes choses ; il ne faut pas se décourager dans le malheur. [2.415 #567]

Proverb 13Mialikalika sahala amin' ny zanak' olon' ory. [2.558 #2247]

Proverb 14Ny ory lavidavitry ny betsaka kokoa ary na akaiky aza tsy hita loatra. [2.558 #3205]

Proverb 15Ny ory tsy havan' ny manana. [2.165 #1452, 2.415 #2648]
French translationLes pauvres ne sont pas compagnons des riches. [2.415 #2648]
Les pauvres ne sont pas les compagnons des riches. [2.165 #1452]

Proverb 16Ny ory tsy mba rangahy. [1.1]
Malagasy interpretationNy mahantra tsy mba voahaja na ananana henamaso. [1.1]
French interpretationLe pauvre n'est pas respecté. [1.3]

Proverb 17Ny tsy manam-bato hatoraka sy ny ory lava volombava, dia samy zandrin' olona sarotra itodihana sy zoky manjary faralahy. [2.558 #3342]

Proverb 18Nofon-kena mby an-tanan-tsaka. [2.415 #726, 1.1]
Nofon-kena mby an-tanan-tsaka, ka mby an-tanan' ny ory. [2.415 #2330, 2.653 #2112, 2.558]
Nofon-kena omby an-tanan-tsaka, ka raha tsy didiana tsy azo. [2.165 #609, 2.415]
Tonon-kena lasan-tsaka : mby an-tanan’ ny ory. [2.415 #2330, 2.653 #3141, 2.558]
Tonon-kena lasan-tsaka; omby an-tanan' ny ory. [2.165 #608]
Malagasy interpretationZavatra lasan' olon-dratsy ka tsy azo antenaina hiverina intsony. [1.1]
French translationC'est comme le morceau de viande saisi par les griffes du chat. [2.415 #726]
Morceau de viande dans les griffes d' un chat : à moins de couper on ne peut pas l' avoir. [2.415 #2329]
Morceau de viande emporté par le chat : c' est tombé entre les mains d' un malheureux qui ne le lâchera pas. [2.415 #2330]
Un morceau de viande entre les griffes d' un chat, à moins de couper on ne peut le ravoir. [2.165]
Un morceau de viande pris par un chat; il est entre les mains d' un malheureux. [2.165]
French interpretationCar personne ne donnerait de la viande à un chat. [2.165]
Il faut renoncer à ce qui tombe dans les mains des grands, des exacteurs, des avares, des voleurs. [2.415 #726]
Se disait des avares. [2.415 #2330]
Se dit de tout ce qui est tombé entre les mains d' un homme avide. [2.165]

Proverb 19Omby mahia very namana, olon' ory vitsy sakaiza. [2.558]

Proverb 20Ory tsy havan' ny rehetra fa enjehina aza. [2.558 #3470]

Proverb 21Toy ny alahelon-takatra : faly miara-mitakiky, ory miara-mitakoko, lohataona, toa manjokaiky, ririnina, manjoretra. [2.558 #4252]
Toy ny alahelon-takatra: raha faly, miara-mitokaka; ary raha ory, miara-mitokiky. [2.165]
Toy ny alahelon-takatra : raha faly miara-mitokaka ; raha ory miara-mitokiky. [2.415 #5233, 2.653 #3175]
French translationC' est comme la tristesse des oiseaux takatra : contents, ils rient ensemble aux éclats ; tristes, ils sont malheureux ensemble. [2.415]
Pareil au chagrin des "takatra" : (cigognes) quand ils sont joyeux ils s' égayent ensemble; et quand ils sont tristes ils le sont ensemble. [2.165]
French interpretationCe proverbe, fait de ressemblance entre les mots mitokaka et mitokiky, disait l' union dans la bonne et dans la mauvaise fortune. [2.415 #5233]

Proverb 22Tranobongo halan-tsetroka, olon' ory halan' ny mpanana. [2.558 #4382]

Proverb 23Vary lena ka tsaikatsaikao, havan' ory tsy mba firiatra. [2.558 #4877]

Proverb 24Vely amponga no tsy ory sahala, voro-dambamena no samy manana. [2.558 #4925, 2.653 #3660]

Index