Index

Proverbs : ondrilahy

Proverb Hafahafa ohatra ny adin' ondrilahy : akorain-tsy mifampilanja, avela ihany mifamaky loha. [Rinara 1974]
Hafahafa, ohatra ny adin’ ondrilahy: hihorehana, tsy misy milanja; avela ihany, mifamaky loha. [Cousins 1871]
Mahasalasala ohatra ny adin' ondrilahy: akorain-tsy mifampilanja; avela ihany, mifamaky loha. [Houlder 1895]
Mahasalasala toa adin' ondrilahy : akorain-tsy mifampilanja, avela mifamaky loha. [Rinara 1974 #1864]
French translation Rendre perplexe, comme un combat de béliers: on les excite, ils ne bougent pas (litt. ne se soulèvent pas l' un l' autre); on les laisse tranquilles, ils se brisent la tête. [Houlder 1895]

Proverb Toy ny ondrilahy diso ketsa : tsy mifanitsy amy ny itadiavana azy. [Cousins 1871]
Toy ny ondrilahy diso ketsa : tsy mifanitsy amin' ny itadiavana azy. [Veyrières 1913 #3148]
French translation C' est comme un mouton qui a manqué l' époque du repiquage : cela ne concorde pas avec le moment où on en a besoin. [Veyrières 1913 #3148]
French interpretation Se disait de ce qui ne vient pas à temps ; à l' époque du repiquage on tuait un mouton pour nourrir les ouvriers. [Veyrières 1913 #3148]

Proverb Tsy mety raha atao ondrilahy tsindrim-barotra, ka lehibe fa tsy mba lohany. [Rinara 1974 #4584]
Tsy mety raha atao ondrilahy tsindrim-barotra : lehibe tsy mba lohany. [Cousins 1871 #3404]

Index