Index

Proverbs : nify

Proverb 1Amboalahy mikiky taolana : tsy hery, fa hihitra. [2.653 #136]
Amboalahy mikiky taolana : tsy herin' ny nify fa hihitra no sisa. [2.558 #166]
Toy ny amboalahy mikiky taolana : tsy hery fa hihitra. [2.415 #2331]
French translationChien qui ronge un os : ce n' est pas un indice de sa force, mais la preuve de son avarice. [2.415 #2331]

Proverb 2Aza manao miaramila be nify ka tsy mandalo katsa-maina. [2.558 #547]
Aza manao miaramila be nify, ka tsy mataho-katsa-maina. [2.165 #932]
Miaramila be nify, ka tsy mandalo katsa-maina. [2.415 #439, 2.653 #1729]
Miaramila be nify tsy mandalo katsa-maina. [2.558 #148, 1.1]
Malagasy interpretationEnti-milaza fa tsy tokony hiaingitraingitra amin' ny sakafo rehefa eo am-panaovana ny fanompoana. [1.1]
Olona tsy mba sarotsarotiny fa vonona ny hanao na hihinana izay azo atao na hanina. [1.1]
French translationNe vous dites pas un soldat pourvu de fortes dents et qui ne craint pas de manger du maïs sec et dur, car on pourrait vous demander de le prouver! [2.165 #932]
Soldats qui ont de grosses dents : ce n' est pas en vain qu' ils passent à côté d' un champ de maïs. [2.415 #439]
French interpretationOn profite d' une bonne aubaine ; ou bien, on se nourrit de tout et sans choix. [2.415 #439]

Proverb 3Aza manao ombilahin' Ibosy : ampiadiana, tsy miady, ampihosena tsy mihosy, hanin-kena manala nify. [2.558 #550]
Aza manao ombilahin' Ibosy: ampiadin-tsy miady; ampihosen-tsy mihosy; hanin-kena, mafy hena; avela ihany, manoto ny madinika. [2.165]
French translationNe soyez pas comme le taureau d' Ibosy: on voudrait qu' il se batte, il refuse; on voudrait le faire piétiner les rizières, il refuse; on voudrait le manger, sa chair est trop dure; et si on ne s' en occupe pas, il donne des coups de corne aux petits. [2.165]
French interpretationIl n' est bon à rien. [2.165]

Proverb 4Aza mihambom-po banga nify, ka tsy mitondra miso mandeha. [2.165 #2057, 2.415 #6220, 2.653 #613]
Aza mihambom-po toa banga ka tsy mitondra miso (antsy) mandeha. [2.558 #745]
French translationNe faites pas comme l' édenté plein de suffisance, et qui n' emporte pas de couteau en voyage. [2.415 #6220]
S' il vous manque des dents, que l' amour-propre ne vous empêche pas d' emporter un couteau en voyage. [2.165 #2057]
French interpretationIl espérait trouver un couteau ; or il n' en trouve pas et il se repent, car il a faim et n' a pas de dents. Ce proverbe se disait des imprévoyants. [2.415 #6220]

Proverb 5Bitsibitsiky ny lava nify, ny lavitra indray no mandre aloha. [1.1]
Malagasy interpretationEnti-milaza izay rehetra toa bitsibitsihina, nefa henon' ny olona lavidavitra ny tena ihany. [1.1]

Proverb 6Diamangan' Ikalavola : tokana ihany fa manala nify. [2.558 #978]

Proverb 7Dia saotra no atao anareo, mba tsy ho vaky lovia fararano, tsy ho banga nify voka-katsaka, tsy ho tapa-tsalaka vory vahoaka. [2.415 #4124, 2.653 #833]
Dia saotra no atao anareo mba tsy ho vaky vilia fararano, tsy ho banga nify voka-katsaka, tsy ho tapa-tsalaka vory vahoaka. [2.558]
French translationTous nos souhaits : que vos assiettes ne se brisent pas en automne, que vos dents ne tombent pas à l' époque de la récolte du maïs, que le salaka dont vous ceignez vos reins ne se rompe pas au milieu de la foule. [2.415 #4124]
French interpretationSouhaits de prospérité. [2.415 #4124]

Proverb 8Fotsy ny volo, adidin' ny loha. [2.415 #1812, 2.558 #1207, 2.653 #985]
Potsitra ny maso adidin' ny loha. [2.415 #6246, 2.558 #3495, 2.653 #2600, 2.974]
Potsitra ny maso: adidin' ny loha; fotsy ny volo: adidin' ny loha; banga ny nify: adidin' ny loha. [1.1 #22]
Malagasy interpretationNy loham-pianakaviana, ny mpitondra no manana ny tsiny amin' ny fahavoazan' ny olona entiny avy. [1.1 #22]
French translationLes cheveux blanchissent : c' est la faute de la tête. [2.415 #1812]
Si l’oeil est crevé, à la tête d’y pourvoir. [2.974 #18]
Si l' oeil est crevé, c' est la faute de la tête, qui aurait dû faire attention. [2.415]

Proverb 9Lany hena alohan' ny olona ka ny nify no aolanolana. [1.1]
Lany hena alohan' olona. [2.415]
Lany hena alohan' olona, ka ny nify no aolanolana. [2.165 #779, 2.415 #2376, 2.558 #1736, 2.653 #1326]
Raha lany hena alohan' olona dia ny nify no aolanolana. [2.558 #3594]
Raha lany hena alohan’ olona, ny nify no aolanolana. [2.653]
Malagasy interpretationEntina mandatsa ireo mpirobaroba tsy mahay mitsitsy ka mipitrapitra nony farany. [1.1]
French translationCelui qui a mangé sa viande avant les autres, a honte et fait semblant de se curer les dents. [2.415 #2376]
Il a fini sa viande avant les autres, et il continue à faire mouvoir (litt. tordre) ses dents. [2.165]
Qui a mangé sa part de viande avant les autres. [2.415]
French interpretationAyant honte d' avoir fini avant les autres, il fait semblant de manger encore. [2.165]
Se disait des gens ruinés et tout honteux. [2.415 #2376]
Se disait des jeunes prodigues. [2.415 #2375]

Proverb 10Lava nify mitsako taolana : mifandramatra samy mafy. [2.415 #3473, 2.558 #1763, 2.653 #1347]
French translationHomme à grandes dents qui mort dans un os : ce sont deux solides qui se disputent. [2.415 #3473]
French interpretationSe disait des querelles entre personnes capables de se mesurer. [2.415 #3473]

Proverb 11Madiodio foana toa nifin' akobo. [2.415 #2509]
Madiodio foana toa nifin' akoho. [2.165 #1471, 2.558 #1823]
French translationAussi net que les dents de la poule. [2.415 #2509]
Propre sans qu' on y fasse attention, comme le bec du poulet. [2.165]
French interpretationCelui-ci n' en ira pas moins picoter partout. [2.165]
Se disait des pauvres gens qui n' avaient plus rien dans leur maison ; se disait aussi d'un endroit bien balayé et nettoyé. [2.415 #2509]

Proverb 12Mananatra ny zaza ary nify, ka ny lambany no ariany. [2.415 #778]
Mananatra ny zaza ary nify, ka ny lambany no ariany, na ny fo zaka no enti-mananatra. [2.165 #422]
Mananatra ny zaza ary nify: ny lambany no ariany. [2.653 #1506]
French translationAdmonestez un enfant qui pousse ses dents : de dépit il jette son lamba. [2.415 #778]
Quand vous réprimandez un enfant qui a toutes ses dents, il jette son lamba (c. à. d. il se fâche), à moins que vous n' usiez de beaucoup de douceur. [2.165]
French interpretationIl vaut mieux se taire ; ce proverbe se disait des inférieurs qu' on avait charge de réprimander et qu' on reprenait inutilement. [2.415 #778]

Proverb 13Maniry nifin' akoho tsy haniry. [1.1]
Mitady nifin' akoho tsy haniry. [1.1]
Malagasy interpretationManiry zavatra tsy ho tonga na ho azo na oviana na oviana. [1.1]
Mitady zavatra tsy ho tanteraka na oviana na oviana. [1.1]

Proverb 14Mariry, toa nifin’ akoho. [2.415 #2525, 2.653 #1634]
French translationNet comme les dents des poules. [2.415 #2525]
French interpretationLà où il ne reste plus rien, par exemple après un vol, une confiscation, une nettoyage. [2.415 #2525]

Proverb 15Mariry toa nifin' akoho fa marary fitsaingoka. [2.558 #2137]

Proverb 16Mitsiky tsy ampihomehezina, hoatry ny lava nify. [2.415 #1664]
Mitsiky tsy ampihomehezina ohatra ny lava nify. [2.653, 2.558]
French translationMontrer les dents sans être excité à rire, comme celui qui a de longues dents. [2.415 #1664]
French interpretationSe disait des gens qui avaient toujours l'air de rire à cause de leurs dents longues et apparentes. [2.415 #1664]

Proverb 17Na lava nify anoloana aza hianao, tsy mitsako alohan’ ny vazana. [2.653 #2007]
Na lava nify anoloana aza hianao, tsy mitsako alohan' ny vazana tsy akory. [2.415 #783]
Na maranitra nify anoloana aza aho tsy mitsako alohan' ny vazana! [2.558 #2729]
French translationVous avez beau avoir de longues dents par-devant, elles ne mâcheront pas avant les molaires. [2.415 #783]
French interpretationLes petits ne sauraient dépasser les grands, ni les jeunes prendre la parole avant ceux qui sont plus âgés. [2.415 #783]

Proverb 18Na midarona aza ny sandry, na manao laniala aza ny nify, ny tohiloha tsy azo enti-mitsinjaka. [2.415 #2448, 2.653 #2011]
French translationLes bras ont beau s'agiter avec grâce et ampleur, les dents ont beau être nettoyées, on ne peut pas danser avec un lamba dont les bords extérieurs ont été cousus ensemble parce que le milieu était usé. [2.415]

Proverb 19Nify hanin' ny olitra ka ny alana ihany no mahatsara azy. [2.558]
Nify hanin' ny olitra : ny afaka ihany no mahasoa azy. [2.415 #2817]
Nify hanin' ny olitra : ny afaka ihany no mahasoa odiny. [2.415 #2817]
Nify hanin' ny olitra: ny afaka ihany no odiny. [1.1]
Nify lanin' ny olitra ka alana no mahatsara azy. [1.1]
Nify lanin’ ny olitra : ny afaka ihany no maha-soa azy. [2.653]
Nify lanin’ ny olitra : ny afaka ihany no odiny. [2.653]
Malagasy interpretationEnti-milaza fa raha misy zava-manahirana na manorisory, dia ny fakany no tokony hofongorina, fa tsy ho sitrantsitrana amin' ny fanasiam-panafody tsikelikely miverimberina fotsiny. [1.1]
Enti-milaza zava-manahirana izay aleo alana haingana na indray mandeha na taikelikely satria tsy maintsy hoesorina ihany ary mampijaly tsy ankijanona. [1.1]
French translationDents cariées, mangées par les vers, elles ne sont bonnes qu' à être arrachées, c' est le seul remède. [2.415 #2817]
French interpretationLes Malgaches attribuaient la carie des dents à un ver rongeur ; l' expression se disait de ce qui n'était bon qu' à être enlevé. [2.415 #2817]

Proverb 20Nifin’ antitra : niainga tsy nitoravana. [1.147 #N3]

Proverb 21Nify sy molotra : izay mihenjana ihany no mitsipika aloha. [2.415 #5666, 2.653, 1.1]
Nify sy molotra, ka izay mihenjana no mitsipika mialoha. [2.558 #2786]
Malagasy interpretationMitovitovy amin' ny hoe: lohalika sy laferana, izay miantraitraika no vasoka. [1.1]
French translationLes hommes sont comme les dents et les lèvres : celles qui se tendent le plus sautent les premières. [2.415 #5666]
French interpretationIl faut être accommodant. [2.415 #5666]

Proverb 22Ny lainga toy ny nify lanin' ny olitra, ka ny esorina no mahasoa ny tena. [2.415 #4944]
Ny lainga toy ny nify lanin' ny olitra, ka ny osorina no mahasoa ny tena. [2.165 #463]
French translationLe mensonge est comme une dent malade, ce qu' il y a de mieux à faire, c' est de l' arracher. [2.165]
Le mensonge est comme une dent qui fait mal, le mieux c' est de l' arracher. [2.415 #4944]

Proverb 23Ny nifin’ ondry no tsara tokana, fa ny mandeha irery tsy valiana. [2.653]
Ny nifin’ ondry no tsara tokana, fa ny teny tsy tsara tokana. [2.653]
Ny nifin' ondry no tsara tokana fa tsy ny teny. [2.558 #3171]

Proverb 24Raha manala ny nifin’ ny sasany, tsy maninon-tsy maninona; raha mba halan’ olona nify, hilaza hoe: "Faravazako". [2.653 #2685]
Raha manala ny nifin' olona tsara ihany, ka nony alan' olo-nify, ka hilaza hoe : faravazako io! [2.558 #3614]

Proverb 25Taolana ny nify ka mihomehy. [1.1]
Malagasy interpretationEntina milaza fa mety hisy toe-javatra tsy maintsy itsikiana, na dia amin' ny voina na fahoriana mahazo aza. [1.1]

Proverb 26Totozy batry nify sy voalavo tsindohaina, ka tafahoan-tsamy famantsiny. [2.558 #288]
Totozy batry nify sy voalavo tsindohaina : tafa-haon-tsamy gaginy. [2.653 #3161]
Totozy batry nify sy voalavo tsindohaina : tafahaon-tsamy gaiginy. [2.415 #2117]
French translationSouris qui a de grosses dents et rat teigneux : deux imbéciles se rencontrent. [2.415 #2117]

Proverb 27Traky nify latsaka an-kady : tsy heverin-ko torana fa mbola mitsiky. [2.558 #4375]

Proverb 28Traky nify manao laniala : tsy haingo fa fanaon' ny olona ka dia manao koa. [2.558 #285]

Proverb 29Tsy keliray aho fa iva dia ; tsy banga aho fa makaka nify ; tsy sola aho fa mazava ray. [2.415 #1730, 2.653 #3357]
Tsy keliray aho fa iva dia, tsy banga fa makaka nify, tsy sola fa mazava ray, ka izay niteraka anay nitera-dehilahy. [2.558 #4502]
French translationJe ne suis pas nain mais court sur pieds ; je ne suis pas édenté mais j' ai les dents espacées ; je ne suis pas chauve mais j' ai le front découvert. [2.415 #1730]
French interpretationJe n' ai pas les défauts dont on m'accuse. [2.415 #1730]

Proverb 30Tsy mena-milahatra toa nify sosona. [2.558 #4578]
Tsy mety raha tsy mena-milahatra toa nify sosona. [2.165 #1121, 2.653 #3496]
French translationIl n' est pas convenable de ne pas avoir honte d' occuper son rang comme une dent double. [2.165 #1121]

Proverb 31Tsy tsara nify anoloana aho ka hitsako alohan' ny vazana. [1.1]
Malagasy interpretationEnti-milaza ny tsy tokony hanaovan-javatra alohan' izay ambony na manam-pahefana noho ny tena. [1.1]

Proverb 32Voalavo manaiki-by, ka ny tsy laitra hanina no hanihaniny. [2.415 #2125]
Voalavo manaiki-by ka ny tsy laitran' ny nify no vazivazina. [1.1]
Voalavo manaiki--by ka ny tsy laitry ny nify no hanihanina. [1.3 #843]
Voalavo manaiki--by, ka ny tsy laitry ny nify no vazivazina. [2.415 #6333]
Voalavo nanaiki--by : ny tsy laitry ny nify avy no inanina. [2.558 #4977]
Voalavo nanaiki-by: ny tsy laitry ny nify avy no mba hanihanina. [2.653 #3695, 2.974]
Malagasy interpretationEnti-milaza ireo manandranandram-poana ka ny tsy azo atao no naikanaikana. [1.1]
French translationCelui qui tente l' impossible est comme le rat qui veut ronger le fer et s' attaque à plus fort que lui. [2.415 #6333]
Rat qui ronge du fer : pourquoi s’attaquer à plus fort que ses dents ? [2.974 #291]
Tenter l' impossible, c' est faire comme le rat qui mord du fer : il veut manger ce qui ne peut pas être mangé. [2.415 #2125]
French interpretationSe disait de ceux qui voulaient l'impossible. [2.415 #2125]

Index