Index

Proverbs : mpananatra

Proverb Aza mitoe-poana ohatra ny vato: ny lehibe tsy miteny, ny kely tsy misy mpananatra. [Houlder 1895]
Aza mitoe-poana, toy ny vato: ny lehibe tsy miteny, ny kely tsy misy mpananatra. [Cousins 1871 #663]
Mitoe-poana toy ny vato : ny lehibe tsy miteny, ny kely tsy misy mpananatra. [Veyrières 1913 #650]
French translation C' est comme la pierre qui reste immobile : les chefs ne reprennent pas leurs inférieurs, les subordonnés n' ont personne pour les réprimander. [Veyrières 1913 #650]
Ne soyez pas oisifs comme les pierres, les grands ne disant mot, les petits ne sachant que faire (litt. n' ayant pas de conseillers). [Houlder 1895 #686]

Proverb Kamboty be kibo : ny harena lany, ny kibo tsy misy mpananatra. [Veyrières 1913 #1021]
Kamboty be kibo : ny haren--dany, ny kibo tsy misy mpananatra. [Rinara 1974 #1593]
Toy ny kamboty be kibo: ny haren--dany, ary ny kibo tsy misy mpananatra. [Houlder 1895 #1904]
French translation Comme un orphelin glouton: il a tout mangé et il n' a personne pour lui conseiller la modération. [Houlder 1895]
Orphelin gourmand : ses biens sont épuisés et il n' y a personne pour le modérer. [Veyrières 1913 #1021]

Proverb Kamboty tia toaka: ny haren-dany, ny tena tsy misy mpananatra. [Veyrières 1913 #1032, Cousins 1871 #1230]
Kamboty tia toaka : tsy ny haren--dany ihany no very, fa ny tenany koa. [Rinara 1974 #1591]
French translation Orphelin qui aime à boire du rhum : ses richesses sont épuisées et il n' y a personne pour le gourmander. [Veyrières 1913 #1032]
French interpretation Se disait des ivrognes et débauchés. [Veyrières 1913 #1032]

Index