Index

Proverbs : mandre

Proverb 1"Ahoana izany?" hoy Ramarenina, kanjo tsy mandre izy. [2.165]
Ahoana izany? hoy Ramarenina, kanjo tsy mba nandre izy. [2.558]
Ahoana izany ? hoy Ramarenina, kanjo tsy nandre izy. [2.415 #3224]
Ahoanao izany ? hoy Ramarenina; kanjo tsy mandre izy. [2.653]
Inona izany? hoy Ramarenina, kanjo tsy mba nandre izy. [2.558 #1440]
Zinona izany ? hoy Ramarenina; kanjo tsy mandre izy. [2.653]
Zinona izany ? hoy Ramarenina, kanjo tsy nandre izy. [2.415 #3224]
French translation "Qu' en dites-vous?" dit le sourd, et pourtant il n' a rien entendu. [2.165 #2065]
Vous dites ? dit Ramarenina le sourd ; et cependant il n' a rien entendu. [2.415 #3224]
French interpretationSe disait de ceux qui décident et tranchent une affaire sans connaître la cause. [2.415 #3224]

Proverb 2Bitsibitsiky ny lava nify, ny lavitra indray no mandre aloha. [1.1]
Malagasy interpretationEnti-milaza izay rehetra toa bitsibitsihina, nefa henon' ny olona lavidavitra ny tena ihany. [1.1]

Proverb 3Mba miteny intsony va aho, hoy ilay marenina, kanjo tsy mandre izy. [2.415 #4771]
Mba miteny intsony va aho? hoy ny marenina, kanjo tsy mandre izy. [2.653 #1698]
Mba miteny intsony ve aho, hoy Ramarenina, kanjo tsy nandre akory izy. [2.558 #2221]
French translationMoi, dit le sourd, je ne dis plus mot ; le vrai motif, c' est qu' il n' entend pas. [2.415 #4771]
French interpretationOn se servait de ce proverbe pour signifier : je cesse de parler. [2.415 #4771]

Proverb 4Mitafa amin' ny mpanana noho ny tena, ka mandre ny "izaho" miaraka aman-trerona! [2.558 #2429]

Proverb 5Mivarahontsana hoatry ny vavy antitra mandre faty lavitra. [2.415 #1886]
Mivarahontsana, ohatra ny vavy antitra mandre faty lavitra. [2.653]
Mivarahontsana sahala amin-dRafotsibe nandre faty lavitra. [2.558 #2515]
French translationAtterré comme la vieille qui apprend que quelqu' un est mort au loin. [2.415 #1886]
French interpretationC'était un grand chagrin de mourir loin du tombeau des ancêtres. [2.415 #1886]

Proverb 6Moana miambina : tsy re zovy, tsy mandre zovy. [2.558 #2536]

Proverb 7Tsy mandre sa mandre ilany, no mitondra teny tanora. [2.558 #4531]
Tsy mandre, sa tailana andrenesana, no mitondra teny tanora ? [2.415 #4840, 2.653]
Tsy nandre, sa tailana nandrenesana, no mitondra teny tanora? [2.165]
French translationN' avez-vous pas entendu, ou avez-vous entendu de travers, que vous apportiez un message qui n' est pas clair? [2.165]
N' entend-on pas, ou entend-on de travers, pour rapporter des paroles inconsidérées ? [2.415 #4840]

Index