Index

Proverbs : mandrangotra

Proverb Bibilava vonoina, ka tsy tongotra hitsipaka, tsy tanana handrangotra, tsy vava hiteny, fa todin' aina no andrasana. [Rinara 1974]
Bibilava vonono : tsy manan-tanana hamaly izy, fa Andriamanitra no andrasana. [Veyrières 1913 #22]
Bibilava vonono : tsy manan-tanan-kamaly, tsy manan-tongotra hitsipaka, tsy manam-bava hivalo, fa todin' aina no andrasana. [Veyrières 1913 #22, Cousins 1871 #769]
Bibilava vonono, tsy tanana hamely, tsy tongotra hitsipaka fa Andriamanitra no andrasana. [Rajemisa 1985]
Bibilava vonono: tsy tanan-kandrangotra na tongotra hitsipaka, fa Andriamanitra no andrasana. [Rajemisa 1985]
Bibilava vonono: tsy tongotra hitsipaka, tsy tanana handrangotra, fa Andriamanitra no andrasana. [Rajemisa 1985]
Malagasy interpretation Entimilaza ny fisian' ny tody, na koa ny fomban' Andriamanitra an' ireo malemy sy osa, izay tsy manan-kanoherana ireo mpanao tsindry hazo lena na kely tsy mba mamindro. [Rajemisa 1985]
Enti-milaza ny olona osa na madinika na mahantra izay tsy mba afaka hamaly amin' ny herin' ny tenany raha misy mamely azy fa Andriamanitra no antenainy hamaly izay mampahory azy. [Rajemisa 1985]
Marina ka mamaly ny ratsy sy ny tsara. [Rajemisa 1985]
French translation Un serpent qu' on tue : il n' a pas de mains pour se défendre, mais il compte sur Dieu. [Veyrières 1913 #22]
French interpretation Ce proverbe s' appliquait aux petits et aux faibles qui souffrent des oppressions : ils attendent que Dieu leur fasse justice. [Veyrières 1913 #22]

Proverb Kamboty mivady : ny lahy tsy mamely totohondry, ary ny vavy kosa tsy mandrangotra. [Veyrières 1913 #1028]
Kamboty mivady : ny lahy tsy mamely totohondry, ny vavy, tsy mandrangotra. [Rinara 1974 #1602, Cousins 1871 #1227]
Mivady samy kamboty : ny lahy tsy lozabe, ary ny vavy tsy mitady sampon-javatra. [Veyrières 1913 #1036, Cousins 1871 #1915]
Mivady samy kamboty, ny lahy tsy lozabe, ny vavy tsy be sampon-kanina. [Rinara 1974 #2513]
French translation Deux orphelins qui se marient : l' homme ne frappe pas sa femme à coups de poing et la femme ne riposte pas par des égratignures. [Veyrières 1913 #1028]
Deux orphelins qui se marient : l'homme n' est pas méchant et la femme n' est pas insupportable. [Veyrières 1913 #1036]
French interpretation Entre malheureux, il faut s'entendre.,. [Veyrières 1913 #1028]
Les malheureux doivent s'entraider. [Veyrières 1913 #1036]

Index