Index

Proverbs : manatona

Proverb Famaky tapa-jarana, ka manatona ny hazo ; lakana tapa-kofehy, ka manatona ny ony. [Cousins 1871 #892]
Famaky tapa-jarana manatona ny hazo, lakana tapa-kofehy manatona ny ony. [Rinara 1974 #1066]

Proverb Foto-kazo sy vorona ka izay manina no manatona. [Rajemisa 1985]
Malagasy interpretation Enti-milaza fa raha misy fiangaviana olona dia ilay mila fanampiana no tokony hanatona fa tsy ilay mpanampy iangaviana akory. [Rajemisa 1985]

Proverb Ny fihavanana tahaka ny volon-kotona: atonina manalavitra, alavitina manatona. [Rinara 1974 #2985]
Ny fihavanana tahaka ny volon-kotona: hatonina, manalavitra; hala-virina, manatona. [Houlder 1895 #161]
French translation L' amitié est comme les algues: quand on s' en approche, elles s' éloignent; et quand on s' en éloigne, elles se rapprochent. [Houlder 1895]

Proverb Ratsy tarehy manam-bintana aho, ka ny soa no manatona ho vady. [Cousins 1871 #2771]
Ratsy tarehy manam-bintana, ka ny soa no manatona ho vady. [Rinara 1974 #3729]

Index