Index

Proverbs : mahatonga

Proverb Mahazo voamena, manita-kitapo ; maty kirobo, mbola ho hendry; mahatonga masonkarena, miedinedina. [Cousins 1871 #1415]
Mahazo voamena, manita-kitapo, maty kirobo, mbola ho hendry, mahatonga ny masonkarena, miedinedina. [Rinara 1974 #126]

Proverb Matoy vary mialina antadiña: hitany tsy hahatonga taona. [Houlder 1895]
Malagasy interpretation Masa-bary mialina antadiny: fantany (hitany) tsy hahavita taona. + Antadiny: karazan' ny hofika any an-ala, izay alain' ny olona amin' ny mosary mba hohanina. [Houlder 1895]

Proverb Ny andraso andraso manariva ny mody. [Rajemisa 1985]
Ny takariva no mahatonga ny alina; ny sangy mahery no mahatonga ny ady ; ny "andraso kely" no mahariva ny andro; ny hadino no mahavery ny entana. [Veyrières 1913 #6244, Cousins 1871 #2422]
Ny takariva no mahatonga ny alina, ny sangy no miteraka ny ady, ny andraso kely no mahariva ny andro ary ny hadinodino no mahavery ny entana. [Rinara 1974]
Malagasy interpretation Ny hataka andro lava, ny fampiandrasana ary ny fiolakolahana dia mahatonga ho tratra hariva nony hody (tokony hotsorina izay fanapahankevitra raisina). [Rajemisa 1985]
French translation Le crépuscule amène la nuit ; la plaisanterie trop forte engendre les disputes; le attendez un peu, retarde jusqu' au soir; l' oubli fait perdre les paquets. [Veyrières 1913 #6244]
Le soir appelle la nuit ; les familiarités excessives engendrent les querelles ; les fréquents délais épuisent la journée ; les oublis causent la perte des bagages. [Nicol 1935 #274]
French interpretation Une petite cause a de grands effets. [Veyrières 1913 #6244]

Index