|
|
Proverbs : mahafinaritra
|
| |
|
Proverb | 3242 |
Mahafinaritra ahy ny fitanany basy na tsy mahay mitifitra aza. [Rinara 1974]
|
| |
|
Proverb | 3243 |
Mahafinaritra izany miezaka , hoy ilay sarotra . [Rinara 1974 #1835, Cousins 1871 #1397]
|
| |
|
Proverb | 3244 |
Mahafinaritra ny mamono sakaiza , fa ny hiarahan-dalana no tsy misy. [Rinara 1974]
|
| |
|
Proverb | 3892 |
Masa-bary maito kitoza ka ny tiako no tiany . [Rinara 1974 #2147]
Masa-bary , maito kitoza , ka " ny tianao no tiako " : mahafinaritra ahy izany. [Veyrières 1913 #5101]
Masa-bary maito kitoza : "Ny tiako no atandriny ahy. [Cousins 1871]
Masa-bary maito kitoza ; ny tiako no tiany . [Cousins 1871, Rajemisa 1985]
|
Malagasy interpretation | |
Rehefa sendra izay fifanojoanjavatra mahasoa, dia samy faly, samy tretrika. [Rajemisa 1985]
|
French translation | |
Le riz est cuit, la viande est coupée ; ce que vous aimez je l' aime : cela me réjouit. [Veyrières 1913 #5101]
|
French interpretation | |
Amour, amitié, ou simple accord. [Veyrières 1913 #5101]
|
| |
|
Index |
|
|
|