Index |
| |||||||||||||||||||||
Proverbs : mafanafana | ||||||||||||||||||||||
Proverb | Mafampana hoatry ny ratsy ataon-kavana. [Veyrières 1913 #1091]
Mafanafana ohatra ny ratsy Mafanafana sahala amin' ny latsa ataon-kavana. [Rinara 1974 #1829] Mafanafana sarotra inoana tahaka ny ratsy ataon-kavana. [Rinara 1974 #1830] Mafanafana, toy ny ratsy Maharary hoatry ny ratsy ataon-kavana. [Veyrières 1913 #1091] | |||||||||||||||||||||
Malagasy interpretation | Rehefa ny havana izay tena tokony hanampy no manisy ratsy dia tena mangidy tokoa fa tsaroan' ny aina ka mafana sy manempotra. [Rajemisa 1985] | |||||||||||||||||||||
French translation | Excessivement sensible, comme les mauvais procédés d’un parent. [Nicol 1935 #364]
Pénible comme le mal fait par un parent. [Veyrières 1913 #1091] Pénible (litt. assez chaud) comme le mal fait par des parents (ou amis). [Houlder 1895] | |||||||||||||||||||||
French interpretation | On sent plus vivement les mauvais traitements lorsqu'ils viennent des parents. [Veyrières 1913 #1091] | |||||||||||||||||||||
Proverb | Mafanafana, toy ny aretin’ andriana. [Veyrières 1913 #208, Rinara 1974 #1828, Cousins 1871 #1393] | |||||||||||||||||||||
French translation | C' est une indisposition, comme dans la maladie du souverain. [Veyrières 1913 #208] | |||||||||||||||||||||
French interpretation | Se disait de ceux qui cachent le mal, et plus généralement de ceux qui disent peu pour beaucoup ; ainsi lorsque le souverain était atteint de maladie, on disait qu'il était indisposé. [Veyrières 1913 #208] | |||||||||||||||||||||
Proverb | Tsy misy mangidy hoatry ny sakay, hono, fa raha atao teny ierana dia mafanafana. [Veyrières 1913]
Tsy misy mangidy hoatry ny sakay, hono, fa raha atao teny ierana dia mamy. [Veyrières 1913] Tsy misy mangidy noho ny sakay, fa raha teny ierana dia hanina. [Houlder 1895 #265] Tsy misy mangidy ohatra ny sakay fa rehefa teny ierana laitra ihany. [Rajemisa 1985] Tsy misy mangidy ohatra ny sakay fa rehefa teny ierana lany ihany. [Rajemisa 1985] Tsy misy mangidy toy ny sakay; fa raha teny ierana, mafanafana. [Cousins 1871 #3533] Tsy misy mangidy toy ny sakay fa rehefa teny ierana mamy. [Rajemisa 1985] | |||||||||||||||||||||
Malagasy interpretation | Enti-milaza fa rehefa sitraka sy nifanarahana, dia maniary mora na dia sarotra sy manahirana aza. [Rajemisa 1985]
Na inona na inona hasarotan-javatra eo amin' ny fifampiraharahana, rehefa ifanarahana vita ihany. [Rajemisa 1985] Na inona na inona zava-tsarotra, rehefa ifanarahana tonga mora. [Rajemisa 1985] | |||||||||||||||||||||
French translation | Rien n' est plus cuisant que le piment, mais quand il y a union et entente, c' est doux à manger. [Veyrières 1913 #4842]
Rien n' est plus piquant que le piment, mais si l' on s' accorde pour cela, on le mange quand même. [Houlder 1895 #265] | |||||||||||||||||||||
French interpretation | Les peines sont adoucies en famille. [Veyrières 1913 #4842] | |||||||||||||||||||||
Index |
| |||||||||||||||||||||
![]() |