Index

Proverbs : lanitra

Proverb 1Akoho minon-drano : lanitra andraina. [1.147 #A26]
Akoho minon-drano : ny be azo iandranandranana, ny kely azo iandranandranana. [2.415 #833]
Akoho minon-drano : ny lehibe miandra ny lanitra, ny kely miandra ny lanitra. [2.415 #834]
French translationPoule qui boit de l' eau : soit qu' elle en boive beaucoup, soit quelle en boive peu, elle lève fièrement la tête au ciel. [2.415 #833]
Poules qui boivent de l' eau : les grandes lèvent la tête vers le ciel, les petites lèvent la tête vers le ciel. [2.415 #834]
French interpretationOn est redevable au ciel de la destinée qu' on a reçue ; petite ou grande, il faut en être content. [2.415 #833]
Tous les hommes, grands et petits, doivent porter la destinée qui leur est échue et en remercier le ciel. [2.415 #834]

Proverb 2Akoho misotro rano : ny eto an-tany jerena, ary ny any an-danitra andrandraina koa. [2.974 #301, 2.653]
Akoho misotro rano : ny eto an-tany jerena, ny any an-danitra koa andrandraina. [2.415 #6200]
Akoho misotro rano : ny eto an-tany jerena, ny lanitra andrandraina. [2.558]
Toy ny akohokely misotro rano, ka izay azo andrandraina ny lanitra. [2.558 #4248]
French translationPoule qui boit de l'eau : elle regarde la terre, elle regarde aussi le ciel. [2.415 #6200]
Poule qui boit: un regard vers la terre, puis un regard vers le ciel. [2.974 #301]
French interpretationCe proverbe signifiait qu'il faut, avant d'agir, envisager non seulement le présent mais l' avenir, qu' il faut réfléchir ; ainsi la poule après avoir pris une gorgée, lève la tête vers le ciel. [2.415 #6200]

Proverb 3Akondro iray fototra ny ambanilanitra : ny mamololona ho raviny, akondro ihany ; ny manondro lanitra ho voany, akondro ihany ; ny miendaka ho raty, akondro ihany ; ny mitsontsorika ho lafiny, akondro ihany. [2.415 #271, 2.653]
Akondro iray fototra ny olombelona : ny mamololona ho raviny, akondro ihany; ny manondro lanitra, akondro ihany; ny miendaka ho raty akondro ihany; ny mitsontsorika ho lafiny, akondro ihany. [2.558]
French translationLe peuple est comme un pied de bananier : ce qui se roule en spirale pour, devenir feuille, c' est du bananier ; ce qui se dresse vers le ciel pour devenir fruit, c' est du bananier ; ce qui se détache pour devenir écorce sèche, c' est du bananier ; ce qui s' incline pour devenir les grappes, c' est du bananier. [2.415 #271]
French interpretationLe peuple tout entier forme une société bien harmonisée. [2.415 #271]

Proverb 4Akondro, ka raha manondro lanitra iray ihany, fa nony mitsontsorika miditra ankolafiny. [2.415 #872]
French translationRégime de bananes : quand il est droit et vise le ciel, il est encore une unité ; mais quand il s' incline vers la terre, il entre en division de ses sections ou grappes. [2.415 #872]
French interpretationCe proverbe qui avait diverses autres applications, se disait de l' homme qui se mariait et faisait souche. [2.415 #872]

Proverb 5Andriamanitra no hamaly ka ho tonga tohatra hiakaranareo any an-[2.415 #3]
Izay homenareo anie dia anjary tohatra hiakaranareo any an-danitra. [2.415 #3]
French translationQue Dieu vous récompense et que votre offrande devienne l' escalier qui vous fera monter au ciel. [2.415 #3]
French interpretationParoles dites par les lépreux lorsqu' ils demandaient l' aumône. [2.415 #3]

Proverb 6Avo ny lanitra ka tsy takatro. [1.1]
Malagasy interpretationTeny enti-milaza hafaliana sy haravoana raha toa ka ho tanteraka izay na sy tetehina. [1.1]

Proverb 7Aza mifofo vorona an-danitra. [2.415 #1757, 2.558 #742, 2.653 #611]
Aza mitomany vorona an-danitra hatao am-parapaingo. [2.558 #803]
Aza tomany vorona an-danitra. [2.653 #716, 2.974 #44]
Mitomany vorona an-danitra. [2.415 #2094, 1.1]
Malagasy interpretationEnti-milaza ny faniriana tafaohatra izay tsy azo tanterahina. [1.1]
French translationDemander un oiseau qui vole dans l' espace, le demander avec larmes. [2.415 #2094]
Ne convoitez pas un oiseau qui vole. [2.974 #44]
Ne poursuivez pas de vos desseins un oiseau qui vole dans le ciel. [2.415 #1757]
French interpretationCe proverbe qui signifiait en général des désirs exagérés et impossibles à réaliser, se disait aussi des poursuites amoureuses. [2.415 #1757]
Se disait des désirs irréalisables. [2.415 #2094]

Proverb 8Be famangitra toa rambon' osy. [1.1]
Be famangitra toa rambon' osy ka ny lanitra tsy hianjera no tohanana. [2.558]
Be famangitra, toa rambon’ osy: ny lanitra tsy hianjera no tohanana. [2.653 #742]
Malagasy interpretationBe hambo loatra ka ny tsy ho vita avy no tetehina hatao. [1.1]

Proverb 9Heveriny fa hitohy ihany ny fanirin' ny hazo ka ho tonga any an-danitra. [2.415 #2366]
Raha mitohy ny fanirin' ny hazo, mahatakatra ny lanitra. [2.558 #3620]
French translationIl s' imagine que la croissance de l' arbre ira jusqu' au ciel. [2.415 #2366]
French interpretationSe disait de ceux qui croient que les richesses ou les provisions ne s'épuiseront pas. [2.415 #2366]

Proverb 10Hitsikitsika tsy lao lanitra, laza tsy leo dina. [2.558 #1348]
Hitsikitsika tsy leo lanitra, laza tsy leo dina. [2.415 #352]
Kitsikitsika tsy lao lanitra : laza tsy lao dina. [2.653 #1276]
French translationLa crécerelle n'est jamais dégoûtée du firmament, et les rumeurs ne sont pas arrêtées par l' amende qui les punit. [2.415 #352]
French interpretationAucune défense ne peut empêcher un bruit public de circuler. [2.415 #352]

Proverb 11Karaman-daikona ka any an-danitra no raisina. [1.1]
Malagasy interpretationRaharaha tsy mba andraisam-bola fa atao an-tsitrapo. [1.1]

Proverb 12Loloha lanitra, ka samy miloloha izay tandrifiny. [2.415 #79]
Loloha lanitra ka samy mitondra ny tandrifiny. [1.1]
Loloha lanitra ny fiainana ka samy mitondra ny tandrifiny. [1.1]
Malagasy interpretationEnti-milaza fa ny olona rehetra dia samy manana ary mizaka ny anjarany avy. [1.1]
Enti-milaza fa samy mizaka ny anjarany fa tsy azo ailika ho an-kafa ny soa na ny ratsy mihatra amin' ny tena. [1.1]
French translationC' est comme le ciel au-dessus de la tête : chacun porte ce qui est au-dessus de lui. [2.415 #79]
French interpretationA chacun son sort : il faut se contenter de sa destinée ; ce proverbe se disait aussi de la corvée : chacun en porte sa part. [2.415 #79]

Proverb 13Mamboly voanjo ny lanitra. [1.3 #844, 2.415 #3117]
Manao torim-boanjo ny lanitra. [2.415 #3117]
French translationCiel floconneux ressemble à un champ d'arachides ou à une plantation d' arachides. [2.415 #3117]
French interpretationSe dit d'un ciel floconneux. [1.3 #844]

Proverb 14Mandia tany ka lavo, miloloha lanitra ka lena. [1.1]
Mandia tany ka solafaka, miloloha lanitra ka lena. [1.1]
Malagasy interpretationEnti-manambara na miala tsiny fa na iza na iza tsy maintsy manana ny halemeny noho ny maha-olombelona azy (mivelona eto antany). [1.1]
Enti-milaza fa ny olombelona dia mety diso na mety ho voan-javatra, toy ny aretina, ny voina... [1.1]

Proverb 15Manondro lanitra, manondro masoandro. [2.415 #4199]
French translationPrendre le ciel et le soleil à témoin. [2.415 #4199]
French interpretationJurer par le ciel et le soleil. [2.415 #4199]

Proverb 16Mihazakazaka avy orana: handeha mafy toa maninana ny lanitra, handeha mora kotsakotsa. [2.558]

Proverb 17Miloloha lanitra ka lena, mandia tany ka tafintohina. [2.558 #2346]

Proverb 18Mpantsaka rano tratr' orana : hihazakazaka toa maninana ny lanitra, hidarona kotsakotsa. [2.558 #2604]

Proverb 19Ny andon' ny lanitra sy ny tsiron' ny tany anie homba anao lalandava. [1.1]
Malagasy interpretationTeny enti-milaza tsodranom-pitahiana, noho ny ando mahatsara ny zavamaniry fa tsy mba manimba azy toy ny fanala. [1.1]

Proverb 20Ny fanompoana tahaka ny lanitra, ka samy miloloha ny tandrifiny. [2.165 #1528]
Ny fanompoana tahaka ny loloha lanitra, ka samy miloloha ny hitsiny. [2.558 #2967]
Ny fanompoana toy ny lanitra : samy miloloha ny landrifiny. [2.974 #116]
Ny fanompoana toy ny lanitra : samy miloloha ny tandrifiny. [2.415 #388, 2.653 #2222]
French translationLa corvée c' est comme le firmament qui est au-dessus de nos têtes : chacun en porte sa part. [2.415 #388]
La corvée est comme le ciel et chacun en supporte la part qui est au-dessus de sa tête. [2.165]
Les charges communes sont comme le ciel : chacun supporte sa part au-dessus de sa tcte. [2.974 #116]
French interpretationIl n' y a pas d' exemption. [2.415 #388]

Proverb 21Ny fifonana no mendriky ny diso, fa mandia tany ka lavo, miloloha lanitra ka lena. [2.558 #2980]
Ny fifonana re no hatao, fa diso ; fa mandia ny tany, ka lavo ; miloloha ny lanitra, ka lena ; miara-monina aman-kavana, ka diso amim-pihavanana. [2.653 #2225, 2.415]
French translationIl ne nous reste qu' à demander pardon, car nous avons été en faute ; en effet quiconque foule la terre, tombe ; quiconque a le ciel au-dessus de sa tête, se mouille ; quiconque demeure avec des parents, peut faillir contre les devoirs de la parenté. [2.415 #6420]
French interpretationIl est humain d'errer, il faut savoir reconnaître sa faute. [2.415 #6420]

Proverb 22Ny herana aman-jozoro dia maniry amin' ny tany, ary ny volamena sy ny volafotsy dia tsy latsaka avy any an-danitra. [2.415 #6241]
French translationLes joncs poussent de la terre, l' or et l' argent ne tombent pas du ciel. [2.415 #6241]
French interpretationParoles de Radama I sur le travail. [2.415 #6241]

Proverb 23Ny lanitra tsy ferana, ny masoandro tsy lehana, ary ny tany tsy refesina. [2.165 #2252]
Ny lanitra tsy ferana, ny masoandro tsy zehena, ary ny tany tsy refesina. [2.415 #230]
Ny manjaka toy ny lanitra, ka tsy azo refesina; toy ny masoandro, ka tsy azo tohaina. [2.415 #232, 2.653]
Ny manjaka toy ny lanitra, ka tsy azo refesina; toy ny masoandro, ka tsy azo zehena. [2.415 #232, 2.653]
Ny masoandro tsy azo zehena. [2.415 #234]
Ny mpanjaka toy ny lanitra ka tsy azo refesina, ary toy ny masoandro ka tsy azo tohaina. [2.165]
Ny mpanjaka toy ny lanitra ka tsy azo refesina, ary toy ny masoandro ka tsy azo zehena. [2.558 #3157, 2.165, 1.1]
Malagasy interpretationEnti-milaza ny fahefan' ny mpanjaka izay tsy refersai-mandidy ary tsy toherin-teny. [1.1]
French translationLe ciel n' est pas limité, le soleil n' est pas mesuré, la terre est incommensurable. [2.415 #230, 2.165]
Le souverain est comme le ciel et on ne peut le limiter, il est comme le soleil et on ne peut le mesurer (ou: on ne peut s' y opposer). [2.165 #1399]
Le souverain est comme le firmament : on ne peut pas le mesurer ; il est comme le soleil : on ne peut ni l' arrêter ni le mesurer par empans. [2.415 #232]
Le souverain est comme le soleil qui ne peut pas se mesurer par empans. [2.415 #234]
French interpretationL'autorité du souverain est sans bornes. [2.415 #232]
Se disait du souverain. [2.415 #230]
Son autorité est sans bornes. [2.415 #234]

Proverb 24Ny olombelona toy ny embok' akondro ka raha manondro lanitra, iray ihany fa raha mitsontsorika, samy manana ny holafiny. [1.1]
Ny olombelona toy ny embok' akondro: raha manondro lanitra, iray ihany, fa raha miondrika, samy manana ny holafiny. [1.1]
Ny olombelona toy ny embok' akondro : raha manondro lanitra, iray ihany ; fa raha mitsontsorika, samy manana ho lafiny. [2.653, 2.415]
Ny olombelona toy ny embok' akondro : raha manondro lanitra iray ihany, fa raha mitsontsorika samy manana ny ho lafiny. [2.558]
Ny olombelona toy ny embok' akondro: raha manondro ny lanitra, iray ihany; fa raha miondrika, samy manana ny lafiny. [2.165 #12]
Toy ny akondro : raha manondro lanitra iray ihany, fa raha miondrika samy manana ny ho lafiny. [2.415 #861]
Toy ny embok' akondro : raha manondro lanitra iray ihany, fa raha miondrika, samy manan-ko ho lafiny. [2.558 #4272]
Toy ny embok’ akondro: raha manondro lanitra, iray ihany; fa raha miondrika, samy manan-ko lafiny. [2.653]
Malagasy interpretationEnti-milaza ny firaisam-piavian' ny olombelona na dia misampana ho karazany maro aza. [1.1]
Enti-milaza ny olombelona izay mitovy daholo ihany raha ny mahaolona azy no jerena, fa samy hafa kosa ara-karazana. [1.1]
French translationLes hommes ressemblent aux fleurs du bananier: quand elles sont encore dirigées vers le ciel, elles paraissent ne former qu' un seul tout, mais quand elles s' inclinent, chacune occupe sa place propre. [2.165]
Les hommes sont comme les bananes : quand le bananier a la tête levée vers le ciel, il est un seul tout, mais quand il baisse la tête les bananes se séparent. [2.415 #861]
Les hommes sont comme les bouquets de bananiers : quand le bouquet est levé vers le ciel il est unique, mais lorsqu' il s' incline vers la terre, il se divise en rameaux. [2.415]
French interpretationLes hommes sont tous des mortels, mais ils sont différents les uns des autres. [2.415 #1681]
Les hommes sont tous des mortels, mais quand on les examine on voit qu'ils viennent de tribus et de castes différentes. [2.415 #861]

Proverb 25Raha maniry ihany ny hazo, ho tonga any an-danitra no farany. [2.653, 2.165]
Raha maniry ihany ny hazo tonga any an-danitra. [1.1]
Raha mitohy ihany ny hazo, ho tonga any an-danitra no farany. [2.165]
Raha mitohy ihany ny hazo, tonga any an-danitra. [1.1]
Malagasy interpretationEntina mampiomana fa misy fetrany toy ny hazo maniry ny fanambinana, ny fahasoavana. [1.1]
Misy fetra ny fanirin' ny hazo; voafetra koa ny fanambinana fa tsy mitohy hatrany ka tokony hanararaotra ny soa izay sendra sao manenina. [1.1]
French translationSi l' arbre ne s' arrêtait pas de croître, il finirait par toucher le ciel. [2.165 #960]

Proverb 26Salasala toa mpantsaka tratr' orana : miadana, toa miandry loza ; mihazakazaka, toa maninana ny lanitra. [2.415 #791]
Salasala toy ny mpantsaka tratr' orana: miadana, toa miandry ny loza; mihazakazaka, toa maninana ny lanitra. [2.165 #988]
Salasala toy ny olona mantsaka tratr' orana : mandeha mora toa miandry loza, mihazakazaka toa maninana ny lanitra. [2.558 #3819]
Salasala, toy ny olona mantsaka tratr’ orana: miadana, toa miandry loza ; mihazakazaka, toa maninana ny lanitra. [2.653 #2851]
French translationIndécis comme le porteur d' eau surpris par la pluie : s' il va lentement, il s' expose au malheur ; s' il court, il a l' air de rivaliser avec le ciel. [2.415 #791]
Qui ne sait trop que faire comme un porteur d' eau atteint par la pluie; s' il continue à marcher lentement, il semble attendre le malheur; mais s' il se met à courir, il paraît vouloir rivaliser avec le ciel. [2.165]
French interpretationSe disait des gens qui étaient chez les seigneurs ou les chefs et ne savaient comment faire pour les contenter ; et aussi des gens perplexes qui ne savent comment faire parce qu'ils ont toujours tort. [2.415 #791]

Proverb 27Sambo-balalan-dRaivondeso : mbola eny an-danitra ka siahina, ary tsy mbola azo akory, ka hoe " hasiako sira " . [2.415]
Sambo-balalan-dRaivondeso : mbola eny an-danitra ka siahina, ary tsy mbola azo akory, ka hoe " valalan-janako " . [2.415]
Sambo-balalan-dRaivondeso: mbola eny an-danitra ka siahina ; tsy mbola azo ka "valalan-janako". [2.653, 2.558]
Sambo-balalan-dRenikalafohy : mbola am-panidinana ka asiako sira. [2.558 #3824]
Sambo-balalan-dRenikalafohy : mbola any an-danitra ka " hasiako sira ". [2.653 #2855, 2.974 #227]
French translationPrésomption de Renikalafohy : les sauterelles volent encore dans le ciel et elle dit : " J’y mettrai beaucoup de sel ". [2.974 #227]
Raivondeso ramasse des sauterelles : elles sont encore dans l' air et déjà elle siffle, elle ne les a pas encore prises et déjà elle dit : je les salerai, je les donnerai à mon enfant. [2.415 #6036]
French interpretationAnalogue au français : vendre la peau de l' ours avant de l'avoir tué. [2.415 #6036]

Proverb 28Tsy avela tsy ho azo : an-danitra toharana, an-dafin-drano lakanina. [2.558 #4483]
Tsy avela tsy ho azo : an-danitra toharana, an-dafin-drano lakanina, an-tany hadina. [2.653 #3339, 2.974 #34]
French translationIl faut que je l’aie: s’il est au ciel, je prendrai une échelle; de l’autre côté de l’eau, je prendrai une pirogue; à l’intérieur de la terre, je prendrai une bêche. [2.974 #34]

Proverb 29Tsy mahita fetry ny lanitra, tsy manjehy ny masoandro, tsy mandrefy ny tany. [2.415 #262]
Tsy nahita fetry ny lanitra, tsy nanjehy ny masoandro, tsy nandrefy ny tany. [2.653 #3557]
Tsy nahita ny fetry ny lanitra, tsy nahajehy ny masoandro, tsy naharefy ny tany, nefa hitan' ny maso sy nodiavin' ny tongotra isan' andro. [2.558 #4758]
French translationOn ne voit pas les bornes du firmament, on ne mesure pas le soleil par empans, on ne mesure pas la terre à la brasse. [2.415 #262]
French interpretationSe disait de la puissance et de la grandeur du souverain, afin d' inspirer au peuple crainte et confiance. [2.415 #262]

Proverb 30Tsy mba ny ambiaty mahita ny ao am-pon' ny lanitra. [2.415 #3152, 2.558 #4547, 2.653 #3389]
French translationJe ne suis pas l' arbuste ambiaty qui voit au sein du ciel et dont la floraison annonce le printemps. [2.415]
French interpretationLe sens est qu' on ne sait pas. [2.415]

Proverb 31Tsy misy hazo baka mahatohana ny lanitra, na be felantanana mahatakona ny masoandro. [2.558]
Tsy misy hazo baka mahatohana ny lanitra, na befelatanana mabatakona ny masoandro. [2.974 #81]
Tsy misy hazo baka mahatohana ny lanitra, na be felatanana mahatakona ny masoandro. [2.415 #3155, 2.653 #3515]
French translationAucun bâton fourchu ne peut soutenir le ciel; aucune feuille de latanier ne peut cacher le soleil. [2.974 #81]
Il n' y a pas d' arbre fourchu qui puisse soutenir le ciel, ni d' homme qui ait les mains assez larges pour cacher le soleil. [2.415 #3155]

Proverb 32Tsy mitombo tsy mihena toa lanitra. [2.165 #2174, 2.415 #3156, 2.558 #4753]
French translationQui n' augmente ni ne diminue, comme le ciel. [2.165 #2174]
Qui n' augmente pas et ne diminue pas, comme le ciel. [2.415 #3156]

Proverb 33Valala any an-danitra ka asiako sira, mbola tsy azo ka hoe : hatao tango lena. [2.558 #4833]
Valala mbola an-danitra ka asian-tsira. [1.1]
Malagasy interpretationZavatra mbola tsy eo an-tanana, ka efa voatetika sahady ny hatao azy; be tetika ambony ihany. [1.1]

Index