Index

Proverbs : ialofana

Proverb 1Anaovana aro riaka raha maina andro, hialofana raha fahavaratra. [2.558 #204]
Anaovana aro riaka raha main’ andro: ny tahotry ny ho lena fahavaratra. [2.653 #164]
Ny anaovako aro riaka raha main' andro, ialofako raha fahavaratra. [2.558 #185]
Ny anaovana aro riaka main' andro, matahotra ny ho lena raha fahavaratra. [2.653 #2152, 2.974 #224]
Ny anaovana aro riaka raha maina andro, tahotra ny ho lena raha fahavaratra. [1.1]
Ny anaovana aro-riaka raha main' andro, matahotra ny ho lena raha fahavaratra. [2.165 #1267]
Malagasy interpretationEnti-milaza fahamalinana sy fitsiniovana ny ho avy. [1.1]
French translationC’est pendant le beau temps qu’on se prémunit contre les ondées de l’orage. [2.974 #224]
Si l' on construit des digues pendant la saison sèche, c' est parce qu' on craint l' eau qui viendra en été. [2.165]
French interpretationSe dit de toute précaution ou mesure qu' on prend en vue de l' avenir. [2.165]

Proverb 2Trano atsimo sy avaratra: izay tsy mahalena ialofana. [2.653 #3266]
Trano atsimo sy avaratra ka izay tsy mahalena hialofana. [2.558, 1.1]
Trano atsimo sy avaratra: ka izay tsy mahalena ialofana. [2.165 #268]
Malagasy interpretationEnti-milaza ny fifanampian' ny mpifanolobody rindrina. [1.1]
French translationUne maison au sud et une au nord (rapprochées l' une de l' autre); on s' abrite sous celle qui ne coule pas. [2.165]

Index