Index

Proverbs : hafahafa

Proverb 1Aza manao hafahafa. [2.415 #2995]
French translationNe tournez pas mal. [2.415 #2995]

Proverb 2Hafahafa fitia ifotra ka ny tamenany indray no ariana. [1.1]
Hafahafa fitia sifotra, ka ny taviny no ariana. [2.165 #1676]
Hafahafa fitia sifotra : ny tamenany no ariana. [2.653]
Hafahafa fitia sifotra : ny tamenany (taviny) indray no ariana. [2.558 #1239]
Hafahafa fitia sifotra : ny taviny no ariana. [2.653]
Hafahafa toa sifotra, ka ny tamenany indray no ariana. [2.165 #1677]
Malagasy interpretationEnti-milaza ny olona tsy mahay mifidy, na tsy mahalala ny tsara, ka ny tokony halaina indray no avela. [1.1]
French translationAimer les escargots d' une drôle de façon, et en rejeter la partie grasse (ou gluante, litt, la graisse). [2.165 #1676]
Bizarre comme un escargot, on en rejette ce qui est rouge (ou rougeâtre). [2.165 #1677]

Proverb 3Hafahafa ohatra ny adin' ondrilahy : akorain-tsy mifampilanja, avela ihany mifamaky loha. [2.558]
Hafahafa, ohatra ny adin’ ondrilahy: hihorehana, tsy misy milanja; avela ihany, mifamaky loha. [2.653]
Mahasalasala ohatra ny adin' ondrilahy: akorain-tsy mifampilanja; avela ihany, mifamaky loha. [2.165]
Mahasalasala toa adin' ondrilahy : akorain-tsy mifampilanja, avela mifamaky loha. [2.558 #1864]
French translationRendre perplexe, comme un combat de béliers: on les excite, ils ne bougent pas (litt. ne se soulèvent pas l' un l' autre); on les laisse tranquilles, ils se brisent la tête. [2.165]

Proverb 4Hafahafa ohatra ny borizano : ampihiraina, tsy mahay, ka nony mitomany, miolakolaka ny saha, miaka-midina sahala amin' ny mason' ny mpamoly. [2.558]
Hafahafa, ohatra ny borizano: ampihirain-tsy mahay, ka nony mitomany, miolakolaka ny saha ; miaka-midina mimason’ ny mpamoly. [2.653]

Index