Index

Proverbs : hadalana

Proverb Lava hadalana hoatry ny trambo : tongotra hahelika, ka enti-mandady. [Veyrières 1913]
Lava hadalana, ohatra ny trambo: tongotra hahelika, ka enti-mandady. [Cousins 1871, Rajemisa 1985]
Lava hadalana tahaka ny trambo : tongotra hahelika ka enti-mandady. [Rinara 1974 #119]
Malagasy interpretation Azon' ny hadalana ka tsy mahay mitandro izay tokony hotandrovina, toy ny haja, voninahitra. [Rajemisa 1985]
French translation D' une éternelle sottise comme le mille-pieds : des pattes, il en a jusque sous les aisselles et il s' en sert pour ramper. [Veyrières 1913]
French interpretation Se disait des gens peu débrouillards pour leurs intérêts. [Veyrières 1913 #2081]

Proverb Lava hadalana hoatry ny valalan' amboa : kely mitsipika, lehibe mandady. [Veyrières 1913 #2082]
Lava hadalana ohatra ny valalan' amboa: kely mitsipaka, lehibe mandady. [Rajemisa 1985]
Lava hadalana, ohatra ny valalan’ amboa: kely mitsipika, lehibe mandady. [Cousins 1871]
Lava hadalana tahaka ny valalan' amboa : kely mitsipika, lehibe mandady. [Rinara 1974 #120]
Malagasy interpretation Ny adala iray trano na ny samy adala tsy misy mpananatra. [Rajemisa 1985]
French translation D' une éternelle sottise comme les sauterelles qu' on appelle sauterelles de chiens : petites elles sautillent, devenues grandes elles rampent. [Veyrières 1913]
French interpretation Se disait des gens lourdauds et peu débrouillards. [Veyrières 1913 #2082]

Proverb Lava hadalana tahaka ny tana : kely midraiko ; lehibe midraiko. [Rinara 1974]
Toy ny tana : tanora midraiko, antitra midraiko. [Rinara 1974]

Proverb Ny kely tsy lany hadalana, ny lehibe tsy lany hatezerana. [Rinara 1974 #3040]

Index