Index

Proverbs : fohazina

Proverb Mandry tsirangaranga ny be trosa, fa raha maneno ny akoho dia fohazin' ny ankizy hoe : Andrao tran' ilay olona hianareo! [Rinara 1974 #2088]

Proverb Ny mifoha tsy amian-tsoroka ka ny mandry 'ndraika fohazina. [Samson 1965 #N7]

Proverb Raha razana tsy hitahy, fohazy hihady vomanga. [Houlder 1895 #64, Veyrières 1913 #103, Rinara 1974 #3648, Rajemisa 1985]
Malagasy interpretation Nino fatratra ny fitahian' ny razana ny Ntaolo ka nesoiny ireo noheveriny fa tsy miraharaha.ny hitahy ny taranany velona. [Rajemisa 1985]
French translation Si les ancêtres ne veillent pas vous protéger, réveillez-les pour arracher des patates. [Veyrières 1913 #103]
Si les ancêtres ne veulent pas vous bénir, réveillez-les pour arracher des patates. [Houlder 1895]

Index