<-
->

Apo / Ap 2:1 Unto the angel of the church of Ephesus write; These things saith he that holdeth the seven stars in his right hand, who walketh in the midst of the seven golden candlesticks; Soraty ho amin' ny anjelin' ny fiangonana any Efesosy. Izao no lazain' ilay miharona ny kintana fito eny an-tànany ankavanana sady mandeha eo afovoan' ny fanaovan-jiro volamena fito: Manorata ho an' ny anjelin' ny Eglizin' i Efezy: Izao no lazain' ilay mitana ny kintana fito eo an-tànany an-kavanana, sy mandeha eo afovoan' ny fanaovan-jiro volamena fito: " A l' Ange de l'Église d'Éphèse, écris : Ainsi parle celui qui tient les sept étoiles en sa droite et qui marche au milieu des sept candélabres d' or.
Apo / Ap 2:2 I know thy works, and thy labour, and thy patience, and how thou canst not bear them which are evil: and thou hast tried them which say they are apostles, and are not, and hast found them liars: Fantatro ny asanao sy ny fikelezanao aina sy ny faharetanao ary ny tsi-fahazakanao izay mpanao ratsy; ary ianao efa nizaha toetra izay milaza ny tenany ho Apostoly, kanjo tsy izy, ary hitanao fa mpandainga izy; Fantatro ny asanao sy ny fikelezanao aina ary ny fandeferanao, mbamin' ny tsy fahazakanao ny ratsy fanahy; fantatro fa nozahanao toetra ireo manao azy ho Apostoly nefa tsy izy, ka hitanao fa mpandainga ireny; Je connais ta conduite, tes labeurs et ta constance ; je le sais, tu ne peux souffrir les méchants : tu as mis à l'épreuve ceux qui usurpent le titre d' apôtres, et tu les as trouvés menteurs.
Apo / Ap 2:3 And hast borne, and hast patience, and for my name' s sake hast laboured, and hast not fainted. ary manana faharetana ianao ka niaritra noho ny anarako sady tsy reraka. ary manana fandeferana hianao, ka niaritra noho ny anarako, ary tsy ketraka. Tu as de la constance : n' as-tu pas souffert pour mon nom, sans te lasser ?
Apo / Ap 2:4 Nevertheless I have somewhat against thee, because thou hast left thy first love. Kanefa manan-teny aminao Aho, satria efa niala tamin' ny fitiavanao voalohany ianao. Saingy izao no aniniako anao: nihemotra tamin' ny fitiavana voalohany hianao. Mais j' ai contre toi que tu as perdu ton amour d' antan.
Apo / Ap 2:5 Remember therefore from whence thou art fallen, and repent, and do the first works; or else I will come unto thee quickly, and will remove thy candlestick out of his place, except thou repent. Koa tsarovy izay nitoeranao fony tsy mbola lavo, dia mibebaha, ka manaova ny asa voalohany; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao Aho ka hamindra ny fanaovan-jironao hiala amin' ny fitoerany, raha tsy mibebaka ianao. Koa tsarovinao izay nihemoranao, dia mibebaha, ka miverena amin' ny asanao voalohany; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao aho, ka hanesotra ny fanaovan-jironao amin' ny fitoerany raha tsy mibebaka hianao. Allons ! rappelle-toi d' où tu es tombé, repens-toi, reprends ta conduite première. Sinon, je vais venir à toi pour changer ton candélabre de son rang, si tu ne te repens.
Apo / Ap 2:6 But this thou hast, that thou hatest the deeds of the Nicolaitanes, which I also hate. Kanefa izao no toetranao: halanao ny asan' ny Nikolaita, izay halako koa. Misy anananao sitraka ihany anefa, dia izao: mankahala ny asan' ny Nikolaïta izay halako koa hianao. Il y a cependant pour toi que tu détestes la conduite des Nicolaïtes, que je déteste moi-même.
Apo / Ap 2:7 He that hath an ear, let him hear what the Spirit saith unto the churches; To him that overcometh will I give to eat of the tree of life, which is in the midst of the paradise of God. Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain' ny Fanahy amin' ny fiangonana. Izay maharesy dia havelako hihinana ny avy amin' ny hazon' aina, izay eo amin' ny Paradisan' Andriamanitra. Izay manan-tsofina aoka hihaino ny lazain' ny Fanahy amin' ny Eglizy: Izay mandresy, havelako hihinanany ny hazon ny fiainana izay ao amin' ny paradizin' Andriamanitra. Celui qui a des oreilles, qu' il entende ce que l' Esprit dit aux Églises : au vainqueur, je ferai manger de l' arbre de vie placé dans le Paradis de Dieu.
Apo / Ap 2:8 And unto the angel of the church in Smyrna write; These things saith the first and the last, which was dead, and is alive; Ary soraty ho amin' ny anjelin' ny fiangonana any Smyrna: Izao no lazain' ny Voalohany sy ny Farany, Izay efa maty, nefa velona indray: Manorata koa ho an' ny anjelin' ny Eglizin' i Smirna: Izao no lazain' ilay Voalohany sy Farany, izay efa maty ka velona indray: " A l' Ange de l'Église de Smyrne, écris : Ainsi parle le Premier et le Dernier, celui qui fut mort et qui a repris vie.
Apo / Ap 2:9 I know thy works, and tribulation, and poverty, (but thou art rich) and I know the blasphemy of them which say they are Jews, and are not, but are the synagogue of Satan. Fantatro ny fahorianao sy ny fahantranao (nefa manan-karena ianao), ary ny fitenenan-dratsy ataon' izay milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsy izy, fa synagogan' i Satana. Fantatro ny fahoriana amam-pahantranao, nefa manan-karena hianao; ary fantatro ny fitenenan-dratsin' ireo manao azy ho Jody, nefa tsy izy, fa sinagogan' i Satana. Je connais tes épreuves et ta pauvreté - tu es riche pourtant - et les diffamations de ceux qui usurpent le titre de Juifs - une synagogue de Satan plutôt ! -
Apo / Ap 2:10 Fear none of those things which thou shalt suffer: behold, the devil shall cast some of you into prison, that ye may be tried; and ye shall have tribulation ten days: be thou faithful unto death, and I will give thee a crown of life. Aza matahotra izay efa hiaretanao; indro, ny devoly efa hanao ny sasany aminareo ao an-tranomaizina, mba ho voazaha toetra ianareo, ary hanam-pahoriana hafoloana. Aoka ho mahatoky hatramin' ny fahafatesana ianao, dia homeko anao ny satro-boninahitra fiainana. Aza matahotra na inona na inona amin' izay efa hiaretanao. Indro, efa handatsaka ny sasany aminareo an-tranomaizina ny demony, mba hovoazaha toetra hianareo, sy hiari-pahoriana hafoloana. Mahareta ambara-pahafaty, dia homeko anao ny satro-boninahitry ny fiainana. Ne crains pas les souffrances qui t' attendent : voici, le Diable va jeter des vôtres en prison pour vous tenter, et vous aurez dix jours d'épreuve. Reste fidèle jusqu'à la mort, et je te donnerai la couronne de vie.
Apo / Ap 2:11 He that hath an ear, let him hear what the Spirit saith unto the churches; He that overcometh shall not be hurt of the second death. Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain' ny Fanahy amin' ny fiangonana. Izay maharesy dia tsy hosimban' ny fahafatesana faharoa. Izay manan-tsofina aoka hihaino ny lazain' ny Fanahy amin' ny Eglizy: Izay mandresy dia tsy hosimban' ny fahafatesana faharoa. Celui qui a des oreilles, qu' il entende ce que l' Esprit dit aux Églises : le vainqueur n' a rien à craindre de la seconde mort.
Apo / Ap 2:12 And to the angel of the church in Pergamos write; These things saith he which hath the sharp sword with two edges; Ary soraty ho amin' ny anjelin' ny fiangonana any Pergamosy: Izao no lazain' ilay manana ny sabatra roa lela maranitra: Manorata koa ho an' ny anjelin' ny Eglizin' i Pergama: Izao no lazain' ilay manana ny sabatra marani-dany roa: " A l' Ange de l'Église de Pergame, écris : Ainsi parle celui qui possède l'épée acérée à double tranchant.
Apo / Ap 2:13 I know thy works, and where thou dwellest, even where Satan' s seat is: and thou holdest fast my name, and hast not denied my faith, even in those days wherein Antipas was my faithful martyr, who was slain among you, where Satan dwelleth. Fantatro izay onenanao, dia ao amin' ny itoeran' ny seza fiandrianan' i Satana; ary mitàna mafy ny anarako ianao ka tsy nandà ny finoana Ahy, na dia tamin' ny andron' i Antipasy martiorako aza, izay lehilahy nahatoky Ahy, dia ilay novonoina teo aminareo, teo amin' izay onenan' i Satana. Fantatro ny itoeranao, dia eo amin' ny misy ny seza fiandrianan' i Satana; nefa mitana mafy ny anarako hianao, ka tsy nandà ny finoana ahy na dia tamin' ny andron' i Antipasy martiriko aza, izay lehilahy mahatoky ahy sy novonoina teo aminareo, dia teo amin' izay onenan' i Satana. Je sais où tu demeures : là est le trône de Satan. Mais tu tiens ferme à mon nom et tu n' as pas renié ma foi, même aux jours d' Antipas, mon témoin fidèle, qui fut mis à mort chez vous, là où demeure Satan. 73.002.013
Apo / Ap 2:14 But I have a few things against thee, because thou hast there them that hold the doctrine of Balaam, who taught Balac to cast a stumbling block before the children of Israel, to eat things sacrificed unto idols, and to commit fornication. Kanefa manan-teny kely aminao Aho, fa misy eo aminao izay mitàna ny fampianaran' i Balama, ilay nanome fo an' i Balaka hanisy fahatafintohinana teo anoloan' ny Zanak' isiraely, hihinana hena naterina tamin' ny sampy sy hijangajanga. Manan-teny kely aminao anefa aho, fa ao aminao dia misy mitana ny fampianaran' i Balaama, izay nanome fo an' i Balàka hanisy fanafintohinana eo anoloan' ny zanak' Israely, mba hitarika azy hihinan-kena naterina tamin' ny sampy sy hijangajangana. Mais j' ai contre toi quelque grief : tu en as là qui tiennent la doctrine de Balaam ; il incitait Balaq à tendre un piège aux fils d' Israël pour qu' ils mangent des viandes immolées aux idoles et se prostituent.
Apo / Ap 2:15 So hast thou also them that hold the doctrine of the Nicolaitanes, which thing I hate. Ary toy izany koa, misy eo aminao izay mitàna ny fampianaran' ny Nikolaita tahaka ny an' ireny. Toy izany koa, ao aminao dia misy olona manaraka fampianarana manahaka ny an' ny Nikolaïta. Ainsi, chez toi aussi, il en est qui tiennent la doctrine des Nicolaïtes.
Apo / Ap 2:16 Repent; or else I will come unto thee quickly, and will fight against them with the sword of my mouth. Koa dia mibebaha; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao faingana Aho ka hamely ireo amin' ny sabatry ny vavako. Koa mibebaha, fa raha tsy izany dia ho avy aminao faingana aho, ka hamely an' ireo amin' ny sabatry ny vavako. Allons ! repens-toi, sinon je vais bientôt venir à toi pour combattre ces gens avec l'épée de ma bouche.
Apo / Ap 2:17 He that hath an ear, let him hear what the Spirit saith unto the churches; To him that overcometh will I give to eat of the hidden manna, and will give him a white stone, and in the stone a new name written, which no man knoweth saving he that receiveth it. Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain' ny Fanahy amin' ny fiangonana. Izay maharesy dia homeko mana miafina sady homeko vato fotsy, ary eo amin' ny vato dia misy anaram-baovao voasoratra, izay tsy fantatr' olona afa-tsy izay mandray azy ihany. Izay manan-tsofina aoka hihaino ny lazain' ny Fanahy amin' ny Eglizy. Izay mandresy dia homeko màna miafina, sady homeko vato fotsy misy anaram-baovao voasoratra tsy misy mahalala afa-tsy izay mandray azy ihany. Celui qui a des oreilles, qu' il entende ce que l' Esprit dit aux Églises : au vainqueur, je donnerai de la manne cachée et je lui donnerai aussi un caillou blanc, un caillou portant gravé un nom nouveau que nul ne connaît, hormis celui qui le reçoit.
Apo / Ap 2:18 And unto the angel of the church in Thyatira write; These things saith the Son of God, who hath his eyes like unto a flame of fire, and his feet are like fine brass; Ary soraty ho amin' ny anjelin' ny fiangonana any Tyatira: Izao no lazain' ny Zanak' Andriamanitra, Izay manana maso toy ny lelafo, ary ny tongony tahaka ny varahina manganohano: Manorata koa ho an' ny anjelin' ny Eglizin' i Tiatira: Izao no lazain' ny Zanak' Andriamanitra, izay toy ny lelafo ny masony, ary ny tongony tahaka ny varahina manganohano: " A l' Ange de l'Église de Thyatire, écris : Ainsi parle le Fils de Dieu, dont les yeux sont comme une flamme ardente et les pieds pareils à de l' airain précieux.
Apo / Ap 2:19 I know thy works, and charity, and service, and faith, and thy patience, and thy works; and the last to be more than the first. Fantatro ny asanao sy ny fitiavanao sy ny finoanao sy ny fanompoanao ary ny faharetanao, ary ny asanao farany dia be noho ny voalohany. Fantatro avokoa ny asanao, ny finoanao, ny fitiavanao, ny fiantranao, ny fandeferanao, ary ny asanao farany dia be noho ny voalohany. Je connais ta conduite : ton amour, ta foi, ton dévouement, ta constance ; tes oeuvres vont sans cesse en se multipliant.
Apo / Ap 2:20 Notwithstanding I have a few things against thee, because thou sufferest that woman Jezebel, which calleth herself a prophetess, to teach and to seduce my servants to commit fornication, and to eat things sacrificed unto idols. Kanefa manan-teny aminao Aho, satria ianao mandefitra amin' ilay vehivavy Jezebela, izay milaza ny tenany ho mpaminanivavy ka mampianatra sady manoloky ny mpanompoko hijangajanga sy hihinana hena naterina tamin' ny sampy. Manan-teny kely aminao anefa aho, satria i Jezabela ilay vehivavy manao azy ho mpaminany, avelanao hampianatra sy hanangoly ny mpanompoko hijangajanga sy hihinan-kena natolotra tamin' ny sampy. Mais j' ai contre toi que tu tolères Jézabel, cette femme qui se dit prophétesse ; elle égare mes serviteurs, les incitant à se prostituer en mangeant des viandes immolées aux idoles.
Apo / Ap 2:21 And I gave her space to repent of her fornication; and she repented not. Ary nomeko andro hibebahany izy, nefa tsy mety mibebaka amin' ny fijangajangany izy. Efa nomeko andro hibebahana izy, nefa tsy mety mibebaka amin' ny fijangajangany. Je lui ai laissé le temps de se repentir, mais elle refuse de se repentir de ses prostitutions.
Apo / Ap 2:22 Behold, I will cast her into a bed, and them that commit adultery with her into great tribulation, except they repent of their deeds. Indro, hampandamahiko eo am-pandriana izy, ary izay mijangajanga aminy dia hataoko ao amin' ny fahoriana lehibe, raha tsy hibebaka amin' ny asan-dravehivavy izy. Ka indro hampandamahiko eo am-pandriana izy, ary hozoim-pahoriana lehibe izay mijangajanga aminy, raha tsy mibebaka amin' ny asa nampianarin-dravehivavy azy. Voici, je vais la jeter sur un lit de douleurs, et ses compagnons de prostitution dans une épreuve terrible, s' ils ne se repentent de leur conduite.
Apo / Ap 2:23 And I will kill her children with death; and all the churches shall know that I am he which searcheth the reins and hearts: and I will give unto every one of you according to your works. Ary hovonoiko amin' ny fahafatesana ny zanany; ary ny fiangonana rehetra hahalala fa Izaho no mandinika ny voa sy ny fo; ary homeko araka ny asanareo avy ianareo rehetra. Hasiako amin' ny fahafatesana ny zanany, dia ho fantatry ny Eglizy rehetra fa izaho no mandinika ny voa sy ny fo, ary homeko araka ny asanareo avy hianareo rehetra. Et ses enfants, je vais les frapper de mort : ainsi, toutes les Églises sauront que c' est moi qui sonde les reins et les coeurs ; et je vous paierai chacun selon vos oeuvres.
Apo / Ap 2:24 But unto you I say, and unto the rest in Thyatira, as many as have not this doctrine, and which have not known the depths of Satan, as they speak; I will put upon you none other burden. Fa aminareo izay sisa any Tyatira, dia izay tsy manana izany fampianarana izany sady tsy mba mahalala ny ataon' ireo hoe "sain-dalin' i Satana", dia izao no lazaiko: tsy hovesarako entana hafa ianareo; Ary indreo hianareo mpino sisa any Tiatira, izay tsy manana izany fampianarana izany, sy izay rehetra tsy nahalala ireny antsoin' ny sasany hoe sain-dalin' i Satana ireny, dia izao kosa no lazaiko aminareo: Tsy hovesarako entana hafa hianareo, Quant à vous autres, à Thyatire, qui ne partagez pas cette doctrine, vous qui n' avez pas connu " les profondeurs de Satan ", comme ils disent, je vous déclare que je ne vous impose pas d' autre fardeau ;
Apo / Ap 2:25 But that which ye have already hold fast till I come. kanefa izay anananareo dia tano mafy mandra-pihaviko. fa tano mafy aloha izay anananareo, mandra-pihaviko. du moins, ce que vous avez, tenez-le ferme jusqu'à mon retour.
Apo / Ap 2:26 And he that overcometh, and keepeth my works unto the end, to him will I give power over the nations: Ary izay maharesy ka mitandrina ny asako hatramin' ny farany dia homeko fahefana amin' ny jentilisa; Ary izay handresy ka haharitra amin' ny asako hatramin' ny farany, dia homeko fahefana amin' ny firenena; Le vainqueur, celui qui restera fidèle à mon service jusqu'à la fin, je lui donnerai pouvoir sur les nations :
Apo / Ap 2:27 And he shall rule them with a rod of iron; as the vessels of a potter shall they be broken to shivers: even as I received of my Father. ary hiandry azy amin' ny tehim-by izy ka hanorotoro azy toy ny fanorotoro vilany tany, dia araka izay efa noraisiko tamin' ny Raiko. hifehy azy amin' ny tehim-by izy, ary hanorotoro azy, toy ny vilany tany, c' est avec un sceptre de fer qu' il les mènera comme on fracasse des vases d' argile !
Apo / Ap 2:28 And I will give him the morning star. Ary homeko azy ny kintana fitarika andro. araka izay efa noraisiko tamin' ny Raiko, ary homeko azy ny kintana fitarika andro. Ainsi moi-même j' ai reçu ce pouvoir de mon Père. Et je lui donnerai l'Étoile du matin.
Apo / Ap 2:29 He that hath an ear, let him hear what the Spirit saith unto the churches. Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain' ny Fanahy amin' ny fiangonana. Izay manan-tsofina aoka hihaino ny lazain' ny Fanahy amin' ny Eglizy. Celui qui a des oreilles, qu' il entende ce que l' Esprit dit aux Églises.

<-
->