<-
->

Mat / Mt 8:1 When he was come down from the mountain, great multitudes followed him. Ary raha nidina avy teo an-tendrombohitra Izy, dia nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy. Rahefa nidina avy tany an-tendrombohitra izy, dia narahin' ny vahoaka betsaka. Quand il fut descendu de la montagne, des foules nombreuses se mirent à le suivre.
Mat / Mt 8:2 And, behold, there came a leper and worshipped him, saying, Lord, if thou wilt, thou canst make me clean. Ary, indro, nisy boka anankiray nanatona dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Tompoko ô, raha mety Hianao, dia mahay manadio ahy. Ary indro nisy lehilahy boka anankiray nanatona, dia nitsaoka azy ka nanao hoe: Tompo ô, raha mety hianao, dia mahay manadio ahy. Or voici qu' un lépreux s' approcha et se prosterna devant lui en disant : " Seigneur, si tu le veux, tu peux me purifier. "
Mat / Mt 8:3 And Jesus put forth his hand, and touched him, saying, I will; be thou clean. And immediately his leprosy was cleansed. Ary Jesosy naninjitra ny tànany, dia nanendry azy ka nanao hoe: Mety Aho; madiova ianao. Dia nadio tamin' ny habokany niaraka tamin' izay izy. Ary Jeso naninjitra ny tànany, dia nanendry azy ka nanao hoe: Mety aho, madiova hianao. Dia afaka niaraka tamin' izay ny habokany. Il étendit la main et le toucha, en disant : " Je le veux, sois purifié. " Et aussitôt sa lèpre fut purifiée.
Mat / Mt 8:4 And Jesus saith unto him, See thou tell no man; but go thy way, shew thyself to the priest, and offer the gift that Moses commanded, for a testimony unto them. Ary hoy Jesosy taminy: Tandremo mba tsy hilaza amin' olona na dia iray akory aza ianao; fa mandehana, misehoa amin' ny mpisorona, ka mitondrà ny fanatitra izay nandidian' i Mosesy ho vavolombelona amin' ireo. Ary hoy Jeso taminy: Tandremo, aza milaza na amin' iza na amin' iza, fa mandehana miseho amin' ny mpisorona, ary atolory ny fanatitra didian' i Moizy haterina mba ho vavolombelon' ny fahasitrananao. Et Jésus lui dit : " Garde-toi d' en parler à personne, mais va te montrer au prêtre et offre le don qu' a prescrit Moïse : ce leur sera une attestation. "
Mat / Mt 8:5 And when Jesus was entered into Capernaum, there came unto him a centurion, beseeching him, Ary nony tonga tao Kapernaomy Jesosy, dia nisy kapiteny anankiray nankao aminy ka nitaraina taminy Ary rahefa niditra tao Kafarnaoma izy, dia nisy kapiteny anankiray nanatona azy ka nihanta taminy, Comme il était entré dans Capharnaüm, un centurion s' approcha de lui en le suppliant :
Mat / Mt 8:6 And saying, Lord, my servant lieth at home sick of the palsy, grievously tormented. nanao hoe: Tompoko ô, ny ankizilahiko mandry ao an-trano, mararin' ny paralysisa ka mijaly loatra. nanao hoe: Tompo ô, marary malemy mandry any an-trano ny ankizilahiko, sady mijaly mafy dia mafy. " Seigneur, dit-il, mon enfant gît dans ma maison, atteint de paralysie et souffrant atrocement. "
Mat / Mt 8:7 And Jesus saith unto him, I will come and heal him. Dia hoy Jesosy taminy: Ho avy Aho hahasitrana azy. Ary hoy Jeso taminy: Ho avy hanasitrana azy aho. Il lui dit : " Je vais aller le guérir. " -
Mat / Mt 8:8 The centurion answered and said, Lord, I am not worthy that thou shouldest come under my roof: but speak the word only, and my servant shall be healed. Fa namaly ilay kapiteny ka nanao hoe: Tompoko, tsy miendrika hidiranao ao ambanin' ny tafon-tranoko aho; fa mitenena ihany, dia ho sitrana ny ankizilahiko. Fa namaly ilay kapiteny nanao hoe: Tompoko, tsy mba mendrika hidiranao ao ambanin' ny tafon-tranoko aho, fa manonòna teny iray ihany, dia ho sitrana ny ankizilahiko. " Seigneur, reprit le centurion, je ne mérite pas que tu entres sous mon toit ; mais dis seulement un mot et mon enfant sera guéri.
Mat / Mt 8:9 For I am a man under authority, having soldiers under me: and I say to this man, Go, and he goeth; and to another, Come, and he cometh; and to my servant, Do this, and he doeth it. Fa izaho koa mba lehilahy manan-dehibe ihany ka manana miaramila izay feheziko; ary raha hoy izaho amin' ny anankiray: Mandehana, dia mandeha izy; ary amin' ny anankiray koa: Avia, dia avy izy; ary amin' ny andevolahiko: Ataovy izao, dia manao izy. Fa na dia olom-pehezina aza aho, mba mifehy miaramila ihany koa, ka raha lazaiko amin' ny iray hoe: Andeha hianao, dia mandeha izy; ary amin' ny anankiray: Ataovy izao, dia manao izy. Car moi, qui ne suis qu' un subalterne, j' ai sous moi des soldats, et je dis à l' un : Va ! et il va, et à un autre : Viens ! et il vient, et à mon serviteur : Fais ceci ! et il le fait. "
Mat / Mt 8:10 When Jesus heard it, he marvelled, and said to them that followed, Verily I say unto you, I have not found so great faith, no, not in Israel. Ary nony nahare izany Jesosy, dia gaga ka niteny tamin' izay nanaraka Azy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho na dia tamin' ny Isiraely aza. Gaga Jeso nony nandre izany, ka hoy izy tamin' izay nanaraka azy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mbola nahita finoana lehibe tahaka izany aho tamin' Israely. Entendant cela, Jésus fut dans l' admiration et dit à ceux qui le suivaient : " En vérité, je vous le dis, chez personne je n' ai trouvé une telle foi en Israël.
Mat / Mt 8:11 And I say unto you, That many shall come from the east and west, and shall sit down with Abraham, and Isaac, and Jacob, in the kingdom of heaven. Ary lazaiko aminareo fa maro ny avy any atsinanana sy any andrefana no ho tonga ka hipetraka hiara-mihinana amin' i Abrahama sy Isaka ary Jakoba any amin' ny fanjakan' ny lanitra; Ary izany koa no ilazako aminareo fa maro ny avy any atsinanana sy avy any andrefana no hipetraka hiara-mihinana amin' ny fihinanam-be miaraka amin' i Abrahama sy Isaaka ary Jakoba any amin' ny fanjakan' ny lanitra, Eh bien ! je vous dis que beaucoup viendront du levant et du couchant prendre place au festin avec Abraham, Isaac et Jacob dans le Royaume des Cieux,
Mat / Mt 8:12 But the children of the kingdom shall be cast out into outer darkness: there shall be weeping and gnashing of teeth. fa ny zanaky ny fanjakana dia hariana amin' ny maizina any ivelany; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify. fa ny zanaky ny fanjakana kosa dia hariana any amin' ny maizina any ivelany; any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify. tandis que les fils du Royaume seront jetés dans les ténèbres extérieures : là seront les pleurs et les grincements de dents. "
Mat / Mt 8:13 And Jesus said unto the centurion, Go thy way; and as thou hast believed, so be it done unto thee. And his servant was healed in the selfsame hour. Ary Jesosy niteny tamin' ilay kapiteny hoe: Mandehana; tongava aminao araka ny ninoanao. Dia sitrana tamin' izany ora izany ilay ankizilahy. Ary hoy Jeso tamin' ilay kapiteny: Mandehana, ary aoka ho tanteraka aminao araka izay ninoanao. Dia sitrana tamin' izany ora izany ilay ankiziny. Puis il dit au centurion : " Va ! Qu' il t' advienne selon ta foi ! " Et l' enfant fut guéri sur l' heure.
Mat / Mt 8:14 And when Jesus was come into Peter' s house, he saw his wife' s mother laid, and sick of a fever. Ary Jesosy, nony niditra tao an-tranon' i Petera, dia nahita ny rafozam-bavin' i Petera nandry teo nanavin' ny tazo. Ary nony tonga tao an-tranon' i Piera Jeso, dia nahita ny rafozambavin' i Piera nandry fa nararin' ny tazo, Étant venu dans la maison de Pierre, Jésus vit sa belle-mère alitée, avec la fièvre.
Mat / Mt 8:15 And he touched her hand, and the fever left her: and she arose, and ministered unto them. Ary nanendry ny tànany Izy, dia niala taminy ny tazo; dia nitsangana ravehivavy ka nanompo Azy. dia notendreny ny tànany, ka niala ny tazo, ary nitsangana niserivy azy ireo izy. Il lui toucha la main, la fièvre la quitta, elle se leva et elle le servait.
Mat / Mt 8:16 When the even was come, they brought unto him many that were possessed with devils: and he cast out the spirits with his word, and healed all that were sick: Ary nony hariva ny andro, dia nentin' ny olona tany aminy ny demoniaka maro; ary ny teniny ihany no namoahany ny fanahy ratsy, ary izay narary rehetra dia nositraniny avokoa, Ary nony hariva ny andro, dia maro ny azon' ny demony nentina teo aminy, ka teny indraim-bava no nandroahany ny fanahy ratsy, ary nositraniny avokoa izay rehetra narary, Le soir venu, on lui présenta beaucoup de démoniaques ; il chassa les esprits d' un mot, et il guérit tous les malades,
Mat / Mt 8:17 That it might be fulfilled which was spoken by Esaias the prophet, saying, Himself took our infirmities, and bare our sicknesses. mba, hahatanteraka izay nampilazaina an' Isaia mpaminany hoe: Izy naka ny rofintsika sy nitondra ny aretintsika (Isa. 53. 4). mba ho tanteraka ilay tenin' Izaia mpaminany hoe: Izy naka ny rofintsika, sy nitondra ny aretintsika. afin que s' accomplît l' oracle d' Isaïe le prophète : Il a pris nos infirmités et s' est chargé de nos maladies.
Mat / Mt 8:18 Now when Jesus saw great multitudes about him, he gave commandment to depart unto the other side. Ary Jesosy, nony nahita ny vahoaka betsaka manodidina Ary, dia nanome teny hiala ho eny am-pita. Nony hitan' i Jeso ny hamaroan' ny olona nanodidina azy, dia nasainy hampitaina eny an-dafin-drano izy. Se voyant entouré de foules nombreuses, Jésus donna l' ordre de s' en aller sur l' autre rive.
Mat / Mt 8:19 And a certain scribe came, and said unto him, Master, I will follow thee whithersoever thou goest. Ary nanatona ny mpanora-dalàna anankiray ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, hanaraka Anao aho na aiza na aiza no halehanao. Ary nisy mpanora-dalàna anankiray nanatona nilaza taminy hoe: Mpampianatra ô, hanaraka anao aho na aiza na aiza halehanao. Et un scribe s' approchant lui dit : " Maître, je te suivrai où que tu ailles. "
Mat / Mt 8:20 And Jesus saith unto him, The foxes have holes, and the birds of the air have nests; but the Son of man hath not where to lay his head. Fa hoy Jesosy taminy : Ny amboahaolo manan-davaka; ary ny voro-manidina manana fialofana; fa ny Zanak' olona tsy mba manana izay hipetrahan' ny lohany. Ary hoy Jeso taminy: Ny amboahaolo manan-davaka, ary ny voromanidina manana akany, fa ny Zanak' olona tsy mba manana izay hampandriany ny lohany. Jésus lui dit : " Les renards ont des tanières et les oiseaux du ciel ont des nids ; le Fils de l' homme, lui, n' a pas où reposer la tête. "
Mat / Mt 8:21 And another of his disciples said unto him, Lord, suffer me first to go and bury my father. Ary nisy hafa koa tamin' ny mpianatra niteny taminy hoe: Tompoko, aoka aho aloha handeha handevina ny raiko. Ary ny anankiray tamin' ny mpianany koa nilaza taminy hoe: Tompoko, avelao aho aloha handevina ny raiko; Un autre des disciples lui dit : " Seigneur, permets-moi de m' en aller d' abord enterrer mon père. "
Mat / Mt 8:22 But Jesus said unto him, Follow me; and let the dead bury their dead. Fa hoy Jesosy taminy: Manaraha Ahy; ary aoka ny maty handevina ny maty ao aminy. fa hoy Jeso taminy: Manaraha ahy, fa avelao ny maty handevina ny maty ao aminy. Mais Jésus lui dit : " Suis-moi, et laisse les morts enterrer leurs morts. "
Mat / Mt 8:23 And when he was entered into a ship, his disciples followed him. Ary nony niondrana an-tsambokely Izy, dia nanaraka Azy ny mpianany. Ary niondrana tamin' ny sambo kely izy ka narahin' ny mpianany. Puis il monta dans la barque, suivi de ses disciples.
Mat / Mt 8:24 And, behold, there arose a great tempest in the sea, insomuch that the ship was covered with the waves: but he was asleep. Ary, indro, nisy tafio-drivotra mafy tonga tamin' ny ranomasina, ka dia efa nila ho voasafotry ny alon-drano ny sambokely; fa Izy natory. Dia indro nisy tafio-drivotra mafy tamin' ny ranomasina, ka efa safotry ny onjan-drano ny sambo kely, ary izy anefa natory. Et voici qu' une grande agitation se fit dans la mer, au point que la barque était couverte par les vagues. Lui cependant dormait.
Mat / Mt 8:25 And his disciples came to him, and awoke him, saying, Lord, save us: we perish. Ary nanatona izy ireo, dia namoha Azy ka nanao hoe: Tompoko, vonjeo, fa maty izahay! Dia nanatona azy ny mpianany, ka namoha azy nanao hoe: Tompoko, vonjeo izahay fa maty. S'étant approchés, ils le réveillèrent en disant : " Au secours, Seigneur, nous périssons ! "
Mat / Mt 8:26 And he saith unto them, Why are ye fearful, O ye of little faith? Then he arose, and rebuked the winds and the sea; and there was a great calm. Ary hoy Izy taminy: Nahoana no saro-tahotra ianareo, ry kely finoana? Dia nitsangana Izy, ka noteneniny mafy ny rivotra sy ny ranomasina, dia tonga tony tsara ny andro. Ary hoy Jeso taminy: Nahoana no saro-tahotra hianareo ry kely finoana? Dia niarina izy, nandidy ny rivotra sy ny ranomasina, ka tonga tony dia tony ny andro. Il leur dit : " Pourquoi avez-vous peur, gens de peu de foi ? " Alors, s'étant levé, il menaça les vents et la mer, et il se fit un grand calme.
Mat / Mt 8:27 But the men marvelled, saying, What manner of man is this, that even the winds and the sea obey him! Ary talanjona ny olona ka nanao hoe: Lehilahy manao ahoana re Io, fa ny rivotra sy ny ranomasina aza dia manaiky Azy! Ary gaga ny olona, ka nanao hoe: Iza io Lehilahy io no manaiky azy ny rivotra sy ny ranomasina? Saisis d'étonnement, les hommes se dirent alors : " Quel est celui-ci, que même les vents et la mer lui obéissent ? "
Mat / Mt 8:28 And when he was come to the other side into the country of the Gergesenes, there met him two possessed with devils, coming out of the tombs, exceeding fierce, so that no man might pass by that way. Ary nony tonga teny am-pita teo amin' ny tanin' ny Gadarena Izy, dia nifanena taminy ny demoniaka roa lahy, nivoaka avy teny amin' ny fasana, sady masiaka loatra, ka tsy nisy olona nahazo nandalo tamin' izany lalana izany. Nony efa tonga teny am-pita tamin' ny tanin' ny Geraseny izy, dia nisy lehilahy roa nidiran' ny demony, nivoaka avy tamin' ny fasana, ka namantana taminy; masiaka loatra izy ireo, ka tsy nisy sahy nihazo izany làlana izany. Quand il fut arrivé sur l' autre rive, au pays des Gadaréniens, deux démoniaques, sortant des tombeaux, vinrent à sa rencontre, des êtres si sauvages que nul ne se sentait de force à passer par ce chemin.
Mat / Mt 8:29 And, behold, they cried out, saying, What have we to do with thee, Jesus, thou Son of God? art thou come hither to torment us before the time? Ary, indro, niantso izy ka nanao hoe: Moa mifaninona akory izahay sy Hianao, ry Zanak' Andriamanitra ô? Tonga eto va Hianao hampijaly anay alohan' ny fotoana? Ary indreo izy niantso hoe: Mifampaninona izahay sy hianao, ry Jeso zanak' Andriamanitra? Hampijaly anay alohan' ny fotoana va no nalehanao atý? Les voilà qui se mirent à crier : " Que nous veux-tu, Fils de Dieu ? Es-tu venu ici pour nous tourmenter avant le temps ? "
Mat / Mt 8:30 And there was a good way off from them an herd of many swine feeding. Ary nisy kisoa maro andiany iray nihinana teny lavidavitra azy teny. Ary nisy kisoa betsaka iray dia, nihinana teny lavidavitra azy teny, Or il y avait, à une certaine distance, un gros troupeau de porcs en train de paître.
Mat / Mt 8:31 So the devils besought him, saying, If thou cast us out, suffer us to go away into the herd of swine. Ary ny demonia nifona tamin' i Jesosy ka nanao hoe: Raha avoakanao ary izahay, dia iraho hankany anatin' ireo kisoa andiany ireo. ka nihanta tamin' i Jeso ny demony nanao hoe: Raha dia roahinao hiala eto àry izahay, mba alefaso ho amin' iretsy andian-kisoa iretsy. Et les démons suppliaient Jésus : " Si tu nous expulses, envoie-nous dans ce troupeau de porcs. " -
Mat / Mt 8:32 And he said unto them, Go. And when they were come out, they went into the herd of swine: and, behold, the whole herd of swine ran violently down a steep place into the sea, and perished in the waters. Ary hoy Izy taminy: Mandehana. Dia nivoaka ireo, ka lasa nankany anatin' ny kisoa; ary, indreny, ny kisoa andiany rehetra nitratrevatreva teny amin' ny hantsana ho any amin' ny ranomasina, ka dia maty tany anatin' ny rano. Ary hoy izy taminy: Mandehana. Dia nivoaka ireo, ka niditra tamin' ny kisoa; niaraka tamin' izay, nirifatra nivarina any anaty ranomasina ny kisoa rehetra, ka maty tany anaty rano. " Allez ", leur dit-il. Sortant alors, ils s' en allèrent dans les porcs, et voilà que tout le troupeau se précipita du haut de l' escarpement dans la mer et périt dans les eaux.
Mat / Mt 8:33 And they that kept them fled, and went their ways into the city, and told every thing, and what was befallen to the possessed of the devils. Ary ny mpiandry nandositra, dia nankany an-tanàna ka nilaza ny zavatra rehetra ny amin' ireo demoniaka. Ary nandositra ny mpiandry azy: ka nony tonga tany an-tanàna, dia nilaza izany rehetra izany, sy ny amin' ireo olona roa nidiran' ny demony. Les gardiens prirent la fuite et s' en furent à la ville tout rapporter, avec l' affaire des démoniaques.
Mat / Mt 8:34 And, behold, the whole city came out to meet Jesus: and when they saw him, they besought him that he would depart out of their coasts. Ary, indreo, nivoaka ny tao an-tanàna rehetra mba hitsena an' i Jesosy; ka nony nahita Azy izy, dia nifona taminy mba hiala amin' ny fari-taniny. Dia indreny ny mponina rehetra tao an-tanàna nivoaka nitsena an' i Jeso, ka nony nahita azy, dia niangavy taminy mba hiala amin' ny faritaniny. Et voilà que toute la ville sortit au-devant de Jésus ; et, dès qu' ils le virent, ils le prièrent de quitter leur territoire.

<-
->