<-
->

Mat / Mt 3:1 In those days came John the Baptist, preaching in the wilderness of Judaea, Ary tamin' izany andro izany dia niseho Jaona Mpanao batisa, nitory tany an-efitr' i Jodia nanao hoe: Ary tamin' izany andro izany dia niseho Joany Batista, nitory teny tany an' efitr' i Jodea En ces jours-là arrive Jean le Baptiste, prêchant dans le désert de Judée
Mat / Mt 3:2 And saying, Repent ye: for the kingdom of heaven is at hand. Mibebaha ianareo; fa efa akaiky ny fanjakan' ny lanitra. nanao hoe: Mibebaha hianareo, fa efa akaiky ny fanjakan' ny lanitra. et disant : " Repentez-vous, car le Royaume des Cieux est tout proche. "
Mat / Mt 3:3 For this is he that was spoken of by the prophet Esaias, saying, The voice of one crying in the wilderness, Prepare ye the way of the Lord, make his paths straight. Fa izy no ilay nampilazaina an' Isaia mpaminany hoe: Injany! misy feon' ny miantso mafy any an-efitra hoe: Amboary ny lalan' i Jehovah, Ataovy mahitsy ny lalan-kalehany (Isa. 40. 3). Izy no ilay voalazan' Izaia mpaminany hoe: Re ny feon' izay miantso any an' efitra hoe: Amboary ny làlan' ny Tompo, ahitsio ny alehany. C' est bien lui dont a parlé Isaïe le prophète : Voix de celui qui crie dans le désert : Préparez le chemin du Seigneur, rendez droits ses sentiers.
Mat / Mt 3:4 And the same John had his raiment of camel' s hair, and a leathern girdle about his loins; and his meat was locusts and wild honey. Ary ny fitafian' izany Jaona izany dia lamba volon-drameva, ary fehin-kibo hoditra no tamin' ny valahany; ary ny fihinany dia valala sy tantely remby. Akanjo volon-drameva no fitafian' io Joany io, fehikibo hoditra no tamin' ny valahany, ary valala sy tantely remby no hanina fihinany. Ce Jean avait son vêtement fait de poils de chameau et un pagne de peau autour de ses reins ; sa nourriture était de sauterelles et de miel sauvage.
Mat / Mt 3:5 Then went out to him Jerusalem, and all Judaea, and all the region round about Jordan, Ary Jerosalema sy Jodia rehetra mbamin' ny tany rehetra amoron' i i Jordana dia nivoaka nankany amin' i Jaona, Ary nankany aminy daholo Jerosalema sy Jodea rehetra mbamin' ny tany manodidina an' i Jordany; Alors s' en allaient vers lui Jérusalem, et toute la Judée, et toute la région du Jourdain,
Mat / Mt 3:6 And were baptized of him in Jordan, confessing their sins. ka nataony batisa tao amin' ny ony Jordana ireny, rehefa niaiky ny fahotany. ka nony efa niaiky ny tahotany izy ireo, dia nataony batemy tao amin' ny ony Jordany. et ils se faisaient baptiser par lui dans les eaux du Jourdain, en confessant leurs péchés.
Mat / Mt 3:7 But when he saw many of the Pharisees and Sadducees come to his baptism, he said unto them, O generation of vipers, who hath warned you to flee from the wrath to come? Fa nony nahita ny Fariseo sy ny Sadoseo maro nanatona ny batisany izy, dia hoy izy taminy: Ry taranaky ny menarana, iza no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana ho avy? Ary raha nahita ny Farisiana sy ny Sadoseana betsaka nanatona ny bateminy izy, dia hoy izy taminy: Ry taranaky ny menarana, iza no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana ho avy? Comme il voyait beaucoup de Pharisiens et de Sadducéens venir au baptême, il leur dit : " Engeance de vipères, qui vous a suggéré d'échapper à la Colère prochaine ?
Mat / Mt 3:8 Bring forth therefore fruits meet for repentance: Koa mamoaza voa miendrika ny fibebahana ianareo; Koa manaova àry asa fibebahana mendrika tsara, Produisez donc un fruit digne du repentir
Mat / Mt 3:9 And think not to say within yourselves, We have Abraham to our father: for I say unto you, that God is able of these stones to raise up children unto Abraham. ary aza manao anakampo hoe: Manana an' i Abrahama ho rainay izahay; fa lazaiko aminareo fa Andriamanitra mahay manangana zanaka ho an' i Abrahama avy amin' ireto vato ireto. ary aza manao anakampo hoe: Manana an' i Abrahama ho rainay izahay; fa lazaiko aminareo fa Andriamanitra mahay manangona zanaka ho an' i Abrahama avy amin' ireto vato ireto. et ne vous avisez pas de dire en vous-mêmes : "Nous avons pour père Abraham. " Car je vous le dis, Dieu peut, des pierres que voici, faire surgir des enfants à Abraham.
Mat / Mt 3:10 And now also the axe is laid unto the root of the trees: therefore every tree which bringeth not forth good fruit is hewn down, and cast into the fire. Ary, indro, efa mipetraka eo amin' ny fototry ny hazo sahady ny famaky; koa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo. Efa ao am-poto-kazo sahady ny famaky: koa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina, ka hatsipy any anaty afo. Déjà la cognée se trouve à la racine des arbres ; tout arbre donc qui ne produit pas de bon fruit va être coupé et jeté au feu.
Mat / Mt 3:11 I indeed baptize you with water unto repentance. but he that cometh after me is mightier than I, whose shoes I am not worthy to bear: he shall baptize you with the Holy Ghost, and with fire: Izaho dia manao batisa anareo amin' ny rano ho amin' ny fibebahana; fa Ilay avy ao aoriako no mahery noho izaho, ka tsy miendrika hitondra ny kapany aza aho; Izy no hanao batisa anareo amin' ny Fanahy Masina sy ny afo; Izaho dia manao batemy anareo amin' ny rano, ho amin' ny fibebahana; fa ilay ho avy aoriako no mahery kokoa noho izaho, ary tsy mendrika hivimbina ny kapany akory aho; izy no hanao batemy anareo amin' ny Fanahy Masina sy ny afo; Pour moi, je vous baptise dans de l' eau en vue du repentir ; mais celui qui vient derrière moi est plus fort que moi, dont je ne suis pas digne d' enlever les sandales ; lui vous baptisera dans l' Esprit Saint et le feu.
Mat / Mt 3:12 Whose fan is in his hand, and he will throughly purge his floor, and gather his wheat into the garner; but he will burn up the chaff with unquenchable fire. eny an-tànany ny fikororohany, ary Izy hanadio tsara ny eo am-pamoloany ka hanangona ny variny ho any an-tsompitra; fa ny akofa sy ny mololo hodorany amin' ny afo tsy mety maty. eny an-tànany ny fikororohany ary hodioviny tsara ny famoloany, ka ny variny hangoniny any an-tsopitra, fa ny mololo kosa hodorany any amin' ny afo tsy mety maty. Il tient en sa main la pelle à vanner et va nettoyer son aire ; il recueillera son blé dans le grenier ; quant aux bales, il les consumera au feu qui ne s'éteint pas. "
Mat / Mt 3:13 Then cometh Jesus from Galilee to Jordan unto John, to be baptized of him. Ary tamin' izay Jesosy dia avy tany Galilia ka tonga teo amoron' i Jordana, dia nanatona an' i Jaona Izy mba hataony batisa. Ary tamin' izany dia tonga avy tany Galilea Jeso ka nanatona an' i Joany teo amoron' i Jordany mba hataony batemy; Alors Jésus arrive de la Galilée au Jourdain, vers Jean, pour être baptisé par lui.
Mat / Mt 3:14 But John forbad him, saying, I have need to be baptized of thee, and comest thou to me? Fa Jaona nandà Azy ka nanao hoe: Izaho no tokony hataonao batisa, ka Hianao indray va no mankaty amiko? fa nandà Joany nanao hoe: Izaho no tokony hataonao batemy, ka hianao indray va no mankaty amiko? Celui-ci l' en détournait, en disant : " C' est moi qui ai besoin d'être baptisé par toi, et toi, tu viens à moi ! "
Mat / Mt 3:15 And Jesus answering said unto him, Suffer it to be so now: for thus it becometh us to fulfil all righteousness. Then he suffered him. Fa namaly Jesosy ka niteny taminy hoe: Ekeo ihany ankehitriny, fa izao no mety amintsika hahatanteraka ny fahamarinana rehetra. Ka dia nekeny Izy. Dia namaly Jeso ka nanao taminy hoe: Ekeo izao, fa izao no mety hahatanterahantsika ny fahamarinana rehetra. Dia nanaiky izy. Mais Jésus lui répondit : " Laisse faire pour l' instant : car c' est ainsi qu' il nous convient d' accomplir toute justice. " Alors il le laisse faire.
Mat / Mt 3:16 And Jesus, when he was baptized, went up straightway out of the water: and, lo, the heavens were opened unto him, and he saw the Spirit of God descending like a dove, and lighting upon him: Ary raha vao natao batisa Jesosy, dia niakatra avy teo amin' ny rano niaraka tamin' izay Izy; ary, indro, nisokatra taminy ny lanitra, ary hitany ny Fanahin' Andriamanitra nidina tahaka ny voromailala ka nankeo amboniny. Nony vita batemy Jeso, dia niala avy teo anaty rano niaraka tamin' izay, ary indro nisokatra taminy ny lanitra, ka hitany ny Fanahin' Andriamanitra nidina tahaka ny voromailala nankeo amboniny. Ayant été baptisé, Jésus aussitôt remonta de l' eau ; et voici que les cieux s' ouvrirent : il vit l' Esprit de Dieu descendre comme une colombe et venir sur lui.
Mat / Mt 3:17 And lo a voice from heaven, saying, This is my beloved Son, in whom I am well pleased. Ary, injao! nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Ity no Zanako malalako Izay sitrako. Dia injay nisy feo avy any an-danitra nanao hoe: Ity no Zanako malalako izay ankasitrahako indrindra. Et voici qu' une voix venue des cieux disait : " Celui-ci est mon Fils bien-aimé, qui a toute ma faveur. "

<-
->