<-
->

Isa / Iz 44:23 Sing, O ye heavens; for the Lord hath done it: shout, ye lower parts of the earth: break forth into singing, ye mountains, O forest, and every tree therein: for the Lord hath redeemed Jacob, and glorified himself in Israel. Mihobia, ry lanitra; Fa Jehovah no nanao izany; Manaova feo fifaliana ianareo, ry fitoerana lalina any ambanin' ny tany; Velomy ny hoby, ry tendrombohitra, ary ianao, ry ala mbamin' izay hazo rehetra ao; Fa Jehovah efa nanavotra an' i Jakoba sy mampiseho ny voninahiny eo amin' Isiraely. Mihobia an-kafaliana, ry lanitra, fa efa vitan' ny Tompo izany. Mirohondrohona, ry fanambanin' ny tany! Ataovy maresaka ny fifaliana, ry tendrombohitra, mbaminareo ala sy ny hazo rehetra eo aminareo: fa Iaveh efa nanavotra an' i Jakoba, sy naneho ny voninahiny eo amin' Israely! Criez de joie, cieux, car Yahvé a agi, hurlez, profondeurs de la terre, poussez, montagnes, des cris de joie, forêt, et tous les arbres qu' elle contient! car Yahvé a racheté Jacob, il s' est glorifié en Israël.