<-
->

Oha / Oh 31:1 The words of king Lemuel, the prophecy that his mother taught him. Ny tenin' i Lemoela mpanjaka, dia ny teny mavesa-danja izay nananaran-dreniny azy. Tenin' i Lamoela mpanjaka. Oha-teny nampianaran-dreniny azy. Paroles de Lemuel, roi de Massa, que sa mère lui apprit.
Oha / Oh 31:2 What, my son? and what, the son of my womb? and what, the son of my vows? Ahoana, anaka? Ary ahoana, ry zanako naterako? Ary ahoana, ry zanaky ny voadiko? Inona no ho lazaiko aminao, anaka? Inona no holazaiko, ry zanako nateraky ny kiboko? Inona no holazaiko aminao, anaka, hianao izay nalehan' ny faniriako! Quoi, mon fils! quoi, fils de mes entrailles! quoi, fils de mes voeux!
Oha / Oh 31:3 Give not thy strength unto women, nor thy ways to that which destroyeth kings. Aza omena ny vehivavy ny herinao, Na ny fombam-piainanao ho an' izay manimba mpanjaka. Aza atolotrao ny vehivavy ny herinao; na ny lalanao an' ireo vehivavy mamery mpanjaka. Ne livre pas ta vigueur aux femmes, ni tes voies à celles qui perdent les rois.
Oha / Oh 31:4 It is not for kings, O Lemuel, it is not for kings to drink wine; nor for princes strong drink: Tsy mety amin' ny mpanjaka, ry Lemoela, Eny; tsy mety amin' ny mpanjaka ny misotro divay, Na amin' ny mpanapaka ny ho fatra-paniry toaka; Tsy mba an' ny mpanjaka, ry Lamoela, tsy mba an' ny mpanjaka ny misotro divay, na an' ny mpanapaka ny mitady toaka; Il ne convient pas aux rois, Lemuel, il ne convient pas aux rois de boire du vin, ni aux princes d' aimer la boisson,
Oha / Oh 31:5 Lest they drink, and forget the law, and pervert the judgment of any of the afflicted. Fandrao, raha misotro izy, dia manadino ny lalàna Ka mamily ny fitsarana ny zanaky ny fahoriana. fandrao manadino ny lalana izy, raha misotro; ka mamily ny rariny ananan' ny mahantra rehetra. de crainte qu' en buvant ils n' oublient ce qui est décrété et qu' il ne faussent la cause de tous les pauvres.
Oha / Oh 31:6 Give strong drink unto him that is ready to perish, and wine unto those that be of heavy hearts. Omeo toaka izay efa ho faty, Eny, divay ho an' izay malahelo azon' ny fangidiam-panahy; Fa ny efa ho faty no omeo toaka, ary ny efa vontom-pahoriana ny fanahiny no omeo divay; Procure des boissons fortes à qui va mourir, du vin à qui est rempli d' amertume;
Oha / Oh 31:7 Let him drink, and forget his poverty, and remember his misery no more. Aoka hisotro izy mba hanadinoany ny alahelony, Ary tsy hahatsiarovany ny fahoriany intsony. aoka hisotro izy, ka hanadino ny fahoriany ary tsy hahatsiaro ny manjo azy intsony. qu' il boive, qu' il oublie sa misère, qu' il ne se souvienne plus de son malheur!
Oha / Oh 31:8 Open thy mouth for the dumb in the cause of all such as are appointed to destruction. Sokafy ny vavanao hisolo ny moana, Hahazoan' ny kamboty ny rariny; Sokafy ny vavanao hanasoavana ny moana, sy hanohanana ny resy tondro maso rehetra manana ady. Ouvre la bouche en faveur du muet, pour la cause de tous les abandonnés;
Oha / Oh 31:9 Open thy mouth, judge righteously, and plead the cause of the poor and needy. Sokafy ny vavanao, ka tsarao marina, Ary omeo rariny ny ory sy ny malahelo. Sokafy ny vavanao, mamoaha fitsarana marina, ary omeo rariny ny ory sy ny mahantra. (Ny vehivavy mahery fo.) ouvre la bouche, juge avec justice, défends la cause du pauvre et du malheureux.
Oha / Oh 31:10 Who can find a virtuous woman? for her price is far above rubies. Iza no mahita vehivavy tsara? Fa ny tombany dia mihoatra lavitra noho ny voahangy. ALEPH Iza no mba mety mahita vehivavy mahery fo? mihoatra lavitra noho ny an' ny voahangy, ny tombany. Une maîtresse femme, qui la trouvera ? Elle a bien plus de prix que les perles!
Oha / Oh 31:11 The heart of her husband doth safely trust in her, so that he shall have no need of spoil. Matoky azy ny fon' ny lahy, Ary tsy mitsahatra ny fanambinana azy. BETH Matoky azy, ny fon' ny lahy, ary tsy mba handao azy ny tombony miditra. En elle se confie le coeur de son mari, il ne manque pas d' en tirer profit.
Oha / Oh 31:12 She will do him good and not evil all the days of her life. Soa no ataon-dravehivavy aminy, fa tsy ratsy, Amin' ny andro rehetra iainany. GHIMEL Soa no ataony aminy, fa tsy mba ratsy; amin' ny andro rehetra iainany. Elle fait son bonheur et non son malheur, tous les jours de sa vie.
Oha / Oh 31:13 She seeketh wool, and flax, and worketh willingly with her hands. Mizaha volon' ondry sy rongony izy Ary mazoto miasa amin' ny tànany. DALETH Mamory ny volon' ondry aman-drongony izy, dia miasa an-kafaliana, amin' ny tanany. Elle cherche laine et lin et travaille d' une main allègre.
Oha / Oh 31:14 She is like the merchants' ships; she bringeth her food from afar. Toy ny sambon' ny mpandranto izy, Ka avy any amin' ny lavitra no itondrany ny haniny. HE Manahaka ny sambon' ny mpandranto izy, mitondra ny haniny, avy lavitra. Elle est pareille à des vaisseaux marchands : de loin, elle amène ses vivres.
Oha / Oh 31:15 She riseth also while it is yet night, and giveth meat to her household, and a portion to her maidens. Mifoha izy, raha mbola alina, Ka manome hanina ho an' ny ankohonany Sy anjara ho an' ny ankizivaviny. VAV Mifoha mbola alina izy, dia manome hanina ny ankohonany, sy lahasa ho an' ny ankizivaviny. Il fait encore nuit qu' elle se lève, distribuant à sa maisonnée la pitance, et des ordres à ses servantes.
Oha / Oh 31:16 She considereth a field, and buyeth it: with the fruit of her hands she planteth a vineyard. Mihevitra saha izy ka mahazo azy; Ny vokatry ny tànany no anaovany tanim-boaloboka. ZAIN Mandinika saha izy, dia mividy azy, ary mamboly tanimboaloboka amin' izay efa azon' ny tànany. A-t-elle en vue un champ, elle l' acquiert; du produit de ses mains, elle plante une vigne.
Oha / Oh 31:17 She girdeth her loins with strength, and strengtheneth her arms. Misikina hery izy, Ary hatanjahiny ny sandriny. HETH Sikinany hery ny valahany, ary hatanjahiny ny sandriny. Elle ceint vigoureusement ses reins et déploie la force de ses bras.
Oha / Oh 31:18 She perceiveth that her merchandise is good: her candle goeth not out by night. Hitany fa tsara ny tombom-barony, Ary tsy maty jiro mandritra ny alina izy. TETH Tsaroany mamy ny tombony efa azony, tsy maty jiro izy mandritra ny alina. Elle sait que ses affaires vont bien, de la nuit, sa lampe ne s'éteint.
Oha / Oh 31:19 She layeth her hands to the spindle, and her hands hold the distaff. Mandray ny fihazonam-bohavoha izy, Ary ny tànany mihazona ny ampela. YOD Mandray ny fihazonam-bohavoha ny tanany; ary mihazona ny ampela ny rantsan-tanany. Elle met la main à la quenouille, ses doigts prennent le fuseau.
Oha / Oh 31:20 She stretcheth out her hand to the poor; yea, she reacheth forth her hands to the needy. Manatsotra ny tànany amin' ny ory izy, Eny, mamelatra ny tànany amin' ny mahantra. KAPH Manatso-tanana amin' ny ory izy; ary mamela-tanana amin' ny mahantra. Elle étend les mains vers le pauvre, elle tend les bras aux malheureux.
Oha / Oh 31:21 She is not afraid of the snow for her household: for all her household are clothed with scarlet. Tsy manahy ny oram-panala ho amin' ny ankohonany izy, Fa ny ankohonany rehetra samy voatafy volon' ondry mena avokoa. LAMED Tsy atahorany fanala ny akohonany, fa voatafy lamba mena antitra avokoa izy ao an-tranony. Elle ne redoute pas la neige pour sa maison, car toute sa maisonnée porte double vêtement.
Oha / Oh 31:22 She maketh herself coverings of tapestry; her clothing is silk and purple. Manao firakotra ho azy izy; Ny fitafiany dia rongony fotsy madinika sy lamba volomparasy. MEM Manao firakotra ho azy izy, manam-pitafiana rongony fotsy madinika sy jaky izy. Elle se fait des couvertures, de lin et de pourpre est son vêtement. .
Oha / Oh 31:23 Her husband is known in the gates, when he sitteth among the elders of the land. Ny lahy dia hajaina eo am-bavahady, Raha miara-mipetraka eo amin' ny loholona. NUN Fantatra tsara ny lahy eo am-bavahady, raha mipetraka hitsara miaraka amin' ny loholona. Aux portes de la ville, son mari est connu, il siège parmi les anciens du pays.
Oha / Oh 31:24 She maketh fine linen, and selleth it; and delivereth girdles unto the merchant. Manao akanjo hariry madinika ravehivavy ka mivarotra izany, Ary fehin-kibo no amidiny amin' ny mpandranto. SAMECH Manao akanjo lobaka izy, hamidiny; ary mivarotra fehikibo amin' ny mpandrato. Elle tisse des étoffes et les vend, au marchand elle livre une ceinture.
Oha / Oh 31:25 Strength and honour are her clothing; and she shall rejoice in time to come. Hery sy voninahitra no fitafiany, Ary ny andro ho avy dia ihomehezany. AIN Ny hery sy ny hasoavana no firavaka eny aminy, ary ny andro ho avy ihomehezany. Force et dignité forment son vêtement, elle rit au jour à venir.
Oha / Oh 31:26 She openeth her mouth with wisdom; and in her tongue is the law of kindness. Manokatra ny vavany amin' ny fahendrena izy; Ary ny lalàn' ny famindram-po no eo amin' ny lelany. PHE Amim-pahendrena no isokafan' ny vavany, ary teny soa no eo amin' ny lelany. Avec sagesse elle ouvre la bouche, sur sa langue : une doctrine de piété.
Oha / Oh 31:27 She looketh well to the ways of her household, and eateth not the bread of idleness. Mitandrina tsara ny ataon' ny ankohonany izy Ary tsy homana ny mofon' ny fahalainana. TSADE Mitandrina ny alehan' ny ankohonany izy; ary tsy mba mihinana mofom-pahakamoana. De sa maisonnée, elle surveille le va-et-vient, elle ne mange pas le pain de l' oisiveté.
Oha / Oh 31:28 Her children arise up, and call her blessed; her husband also, and he praiseth her. Ny zanany mitsangana ka midera azy hoe sambatra; Ny lahy koa mitsangana ka midera azy hoe: KOPH Ny zanany lahy mitsangana ka milaza azy hoe sambatra; ny vadiny koa mitsangana manome fankalazana azy. Ses fils se lèvent pour la proclamer bienheureuse, son mari, pour faire son éloge :
Oha / Oh 31:29 Many daughters have done virtuously, but thou excellest them all. Maro no zazavavy nanao soa, Fa ianao manoatra noho izy rehetra. RESCH Maro ny zazavavy miseho ho tsara fanahy, fa hianao kosa anefa dia tafahoatra azy rehetra. " Nombre de femmes ont accompli des exploits, mais toi, tu les surpasses toutes! "
Oha / Oh 31:30 Favour is deceitful, and beauty is vain: but a woman that feareth the Lord, she shall be praised. Fitaka ny fahatsaram-bika, ary zava-poana ny fahatsaran-tarehy; Fa ny vehivavy matahotra an' i Jehovah ihany no hoderaina. SCHIN Fitaka ny bika soa, zava-poana ny hatsaran-tarehy; fa ny vehivavy matahotra an' ny Tompo ihany no hoderaina. Tromperie que la grâce! Vanité, la beauté! La femme qui craint Yahvé, voilà celle qu' il faut féliciter!
Oha / Oh 31:31 Give her of the fruit of her hands; and let her own works praise her in the gates. Omeo azy ny avy amin' ny vokatry ny tànany; Ary aoka ny asany hidera azy eo am-bavahady. THAV Aoka ny vokatra avy amin' ny tanany homena azy; ary aoka hitory fiderana eo am-bavahady ny asany. Accordez-lui une part du produit de ses mains, et qu' aux portes ses oeuvres fassent son éloge!

<-
->