<-
->

Sal 69:1 Save me, O God; for the waters are come in unto my soul. Ho an' ny mpiventy hira. Al-shoshanim. Nataon' i Davida. Vonjeo aho, Andriamanitra ô; fa efa mihatra amin' ny aiko ny rano. Ho an' ny mpampianatra hira. Amin' ny lisy. Nataon' i Davida. Du maître de chant. Sur l' air : Des lys... De David.
Sal 69:2 I sink in deep mire, where there is no standing: I am come into deep waters, where the floods overflow me. Milentika amin' ny fotaka mandrevo aho, ka tsy misy hifaharana; efa miditra amin' ny rano lalina aho, ka mandifotra ahy ny riaka. Vonjeo aho, ry Andriamanitra, Fa tafahatra amin' ny aiko ny rano! Sauve-moi, ô Dieu, car les eaux me sont entrées jusqu'à l'âme.
Sal 69:3 I am weary of my crying: my throat is dried: mine eyes fail while I wait for my God. Sasatry ny mitaraina aho, maimay ny tendako; pahina ny masoko, raha miandry an' Andriamanitro aho. Tafalentika amin' ny fotaka mandrevo aho, ka tsy misy hamaharan' ny tongotro. Tafatsoboka anaty hantsan-drano aho, ary efa difotry ny onjan-drano. J' enfonce dans la bourbe du gouffre, et rien qui tienne; je suis entré dans l' abîme des eaux et le flot me submerge.
Sal 69:4 They that hate me without a cause are more than the hairs of mine head: they that would destroy me, being mine enemies wrongfully, are mighty: then I restored that which I took not away. Maro noho ny volon-dohako ny isan' izay mankahala ahy tsy ahoan-tsy ahoana; mahery izay ta-hahafaty ahy, dia ny fahavaloko tsy ahoan-tsy ahoana; mampanonitra ahy izay tsy nalaiko izy. Sasatry ny mitaraina aho; maimay ny tendako; valaka eo amin' ny fiandrasana an' Andriamanitro, ny masoko. Je m'épuise à crier, ma gorge brûle, mes yeux sont consumés d' attendre mon Dieu.
Sal 69:5 O God, thou knowest my foolishness; and my sins are not hid from thee. Andriamanitra ô, Hianao mahalala ny hadalako; ary ny heloko tsy mba miafina aminao. Fa maro noho ny volon-dohako, ry zareo mankahala ahy, tsy ahoan-tsy ahoana; mahery ry zareo mitady hahavery ahy, izay mitsangan-ko fahavaloko tsy amin' ny antony. Izay tsy nalaiko tsy maintsy averiko. Plus nombreux que les cheveux de la tête, ceux qui me haïssent sans cause; ils sont puissants ceux qui me détruisent, ceux qui m' en veulent à tort. Ce que je n' ai pas pris, devrai-je le rendre?
Sal 69:6 Let not them that wait on thee, O Lord GOD of hosts, be ashamed for my sake: let not those that seek thee be confounded for my sake, O God of Israel. Aoka tsy ho menatra noho ny amiko izay miandry Anao, Jehovah, Tompon' ny maro ô; aoka tsy ho very hevitra noho ny amiko izay mitady Anao, ry Andriamanitry ny Isiraely ô. Ry Andriamanitra ô, fantatrao ny hadalako; ary tsy miafina aminao ny hadisoako. O Dieu, tu sais ma folie, mes offenses sont à nu devant toi.
Sal 69:7 Because for thy sake I have borne reproach; shame hath covered my face. Fa noho ny aminao no itondrako latsa; safotry ny henatra ny tavako. Aoka tsy ho menatra noho ny amiko, izay manantena anao, ry Tompo, Iavehn' ny tafika! Aoka tsy hangaihay noho ny amiko, izay mitady anao, ry Andriamanitr' Israely! Qu' ils ne rougissent pas de moi, ceux qui t' espèrent, Yahvé Sabaot! Qu' ils n' aient pas honte de moi, ceux qui te cherchent, Dieu d' Israël!
Sal 69:8 I am become a stranger unto my brethren, and an alien unto my mother' s children. Efa vahiny amin' ny rahalahiko aho; eny, efa olon-ko azy amin' ny zanak' ineny aho. Fa noho ny aminao no itondrako latsa, sy mahasafo-kenatra ny tavako. C' est pour toi que je souffre l' insulte, que la honte me couvre le visage,
Sal 69:9 For the zeal of thine house hath eaten me up; and the reproaches of them that reproached thee are fallen upon me. Fa ny firehetako ny amin' ny tranonao no naharitra aina ahy; ary ny latsa nataon' izay nandatsa Anao dia nihatra tamiko. Zary vahiny eo amin' ny rahalahiko aho, ary olon-tsy fantatra eo amin' ny zanak' ineny. que je suis un étranger pour mes frères, un inconnu pour les fils de ma mère;
Sal 69:10 When I wept, and chastened my soul with fasting, that was to my reproach. Nitomany sady nifady hanina aho, dia natao latsa ho ahy izany. Fa ny zotom-po amin' ny tranonao mandritra aina ahy; ary ny fanaratsian' ireo manevateva anao, mianjera amiko. car le zèle de ta maison me dévore, l' insulte de tes insulteurs tombe sur moi.
Sal 69:11 I made sackcloth also my garment; and I became a proverb to them. Lamba fisaonana no nataoko fitafiako, dia efa ambentin-teny tamin' ireny aho. Mitomany sy mifady hanina aho, ka tonga fandatsan' ny olona, noho izany. Que j' afflige mon âme par le jeûne et l' on m' en fait un sujet d' insulte;
Sal 69:12 They that sit in the gate speak against me; and I was the song of the drunkards. Miresaka ahy izay mipetraka eo am-bavahady; ary ataon' ny mpisotro toaka an-kira aho. Lamba malailay no ataoko fitafy, dia zary fanarabin' izy ireo aho. que je prenne un sac pour vêtement et pour eux je deviens une fable,
Sal 69:13 But as for me, my prayer is unto thee, O Lord, in an acceptable time: O God, in the multitude of thy mercy hear me, in the truth of thy salvation. Fa izaho hivavaka aminao amin' ny andro fankasitrahana, Jehovah ô, dia aminao , Andriamanitra ô noho ny haben' ny famindram-ponao; valio aho araka ny hamarinan' ny famonjenao. Izay mipetraka eo am-bavahady, miresaka ahy; ary ny mpisotro fisotro mahery, manao an-kira ahy. le conte des gens assis à la porte et la chanson des buveurs de boissons fortes.
Sal 69:14 Deliver me out of the mire, and let me not sink: let me be delivered from them that hate me, and out of the deep waters. Afaho amin' ny fotaka aho, ka aza avela hilentika; vonjeo aho amin' izay mankahala ahy sy amin' ny rano lalina. Fa izaho kosa, ry Iaveh, mivavaka aminao, ka amin' ny andro mety, ry Andriamanitra, noho ny hatsaram-ponao lehibe, ekeo ny fangatahako araka ny hamarinan' ny famonjenao. Et moi, t' adressant ma prière, Yahvé, au temps favorable, en ton grand amour, Dieu, réponds-moi en la vérité de ton salut.
Sal 69:15 Let not the waterflood overflow me, neither let the deep swallow me up, and let not the pit shut her mouth upon me. Aza avela hanafotra ahy ny rano mandriaka, na hitelina ahy ny lalina; ary aza avela hikatom-bava amiko ny lavaka fantsakana. Esory amin' ny fotaka aho, ka tsy ho tafalentika ao intsony; aoka ho afaka amin' ny fahavaloko sy amin' ny rano lalina aho. Tire-moi du bourbier, que je n' enfonce, que j'échappe à mes adversaires, à l' abîme des eaux!
Sal 69:16 Hear me, O Lord; for thy lovingkindness is good: turn unto me according to the multitude of thy tender mercies. Valio aho, Jehovah ô, fa tsara ny famindram-ponao; todiho aho araka ny haben' ny fiantranao. Aoka ny onjan-drano tsy hanafotra ahy intsony, ny hantsana tsy hitelina ahy; ny fasana tsy hikatona amiko. Que le flux des eaux ne me submerge, que le gouffre ne me dévore, que la bouche de la fosse ne me happe!
Sal 69:17 And hide not thy face from thy servant; for I am in trouble: hear me speedily. Ary aza manafina ny tavanao amin' ny mpanomponao; fa azom-pahoriana aho, koa faingàna hamaly ahy Hianao. Valio vavaka aho, ry Iaveh, fa antra ny hatsaram-ponao, mitodiha aty amiko, amin' ny famindram-ponao lehibe, Réponds-moi, Yahvé : car ton amour est bonté; en ta grande tendresse regarde vers moi;
Sal 69:18 Draw nigh unto my soul, and redeem it: deliver me because of mine enemies. Hatony ny fanahiko, avoty izy; Eny, vonjeo aho noho ny ataon' ny fahavaloko. ary aza manafina ny tavanao amin' ny mpanomponao; fa azom-pahoriana aho, ka malakia mihaino ahy. à ton serviteur ne cache point ta face, l' oppression est sur moi, vite, réponds-moi;
Sal 69:19 Thou hast known my reproach, and my shame, and my dishonour: mine adversaries are all before thee. Hianao no mahalala ny latsa mihatra amiko ary ny fahamenarako sy ny fahafaham-boninahitro; Eo anatrehanao ny mpandrafy ahy rehetra. Hatony ny fanahiko, afaho izy; vonjeo aho noho ny fahavaloko. approche de mon âme, venge-la, à cause de mes ennemis, rachète-moi.
Sal 69:20 Reproach hath broken my heart; and I am full of heaviness: and I looked for some to take pity, but there was none; and for comforters, but I found none. Ny latsa dia nanorotoro ny foko ka reraka indrindra aho; ary niandry antra aho, fa tsy nisy, sy mpanony fa tsy nahita. Fantatrao ny latsa mahazo ahy, ny fahamenarako sy fahafaham-barakako; eo anatrehanao daholo ny mpanenjika ahy. Toi, tu connais mon insulte, ma honte et mon affront. Devant toi tous mes oppresseurs.
Sal 69:21 They gave me also gall for my meat; and in my thirst they gave me vinegar to drink. Fa zava-mangidy no nomeny ho haniko; ary vinaingitra no natolony ahy hosotroina, raha nangetaheta aho. Torotoron' ny latsa ny foko, ka marary aho, miandry horaka, fa tsy nisy; ary mpanony, fa tsy nahita iray akory. L' insulte m' a brisé le coeur, jusqu'à défaillir. J' espérais la compassion, mais en vain, des consolateurs, et je n' en ai pas trouvé.
Sal 69:22 Let their table become a snare before them: and that which should have been for their welfare, let it become a trap. Aoka ho fandrika ho azy ny latabany eo anoloany; eny, ho tonta ho an' ny tsy manana ahiahy. Ahitra mangidy no omeny hohaniko; vinaingitra no ampisotroiny ahy mangetaheta. Pour nourriture ils m' ont donné du poison, dans ma soif ils m' abreuvaient de vinaigre.
Sal 69:23 Let their eyes be darkened, that they see not; and make their loins continually to shake. Aoka ho jamba ny masony mba tsy hahita; ary ampangozohozoy mandrakariva ny valahany. Aoka kosa ny latabany ho fandrika ho azy ireo, ho tonta ao afovoan' ny fandriany fahizay. Que devant eux leur table soit un piège et leur abondance un traquenard;
Sal 69:24 Pour out thine indignation upon them, and let thy wrathful anger take hold of them. Aidino aminy ny fahatezeranao; ary aoka hahatratra azy ny firehetan' ny fahaviniranao. Aoka hihamaizina tsy mahita intsony ny masony; ampangozohozoy mandrakizay ny valahany. que leurs yeux s' enténèbrent pour ne plus voir, fais qu'à tout instant les reins leur manquent!
Sal 69:25 Let their habitation be desolate; and let none dwell in their tents. Aoka ho foana ny tobiny; aza avela hisy hitoetra ao an-dainy. Atosahy aminy ny hatezeranao; ary hihatra aminy anie ny fahaviniranao mirehitra! Déverse sur eux ton courroux, que le feu de ta colère les atteigne;
Sal 69:26 For they persecute him whom thou hast smitten; and they talk to the grief of those whom thou hast wounded. Fa izay nasianao no nenjehiny; Ary ny fahararian' ny voatsindronao dia lazalazainy. Aoka ho foana ny fonenany, ary tsy hisy mpitoetra intsony ao an-dainy. que leur enclos devienne un désert, que leurs tentes soient sans habitants
Sal 69:27 Add iniquity unto their iniquity: and let them not come into thy righteousness. Aoka hiampy ny helony; ary aoka tsy hiditra amin' ny fahamarinanao izy. Fa manenjika izay kapohinao izy; mitantara ny fijalian' izay tsindroninao izy. ils s' acharnent sur celui que tu frappes, ils rajoutent aux blessures de ta victime.
Sal 69:28 Let them be blotted out of the book of the living, and not be written with the righteous. Aoka hovonoina tsy ho eo amin' ny bokin' ny velona ny anarany, ary aoka tsy hosoratana eo amin' ny marina. Ataovy miampy heloka ny helony; ary aoka tsy hanana anjara amin' ny fahamarinanao izy. Charge-les, tort sur tort, qu' ils n' aient plus d' accès à ta justice;
Sal 69:29 But I am poor and sorrowful: let thy salvation, O God, set me up on high. Fa izaho dia ory sy mahantra, Andriamanitra ô; aoka ny famonjenao no hanandratra ahy. Aoka hovonoina eo amin' ny bokin' ny fiainana izy ireo; ary tsy ho voasoratra miaraka amin' ny marina izy. qu' ils soient rayés du livre de vie, retranchés du compte des justes.
Sal 69:30 I will praise the name of God with a song, and will magnify him with thanksgiving. Hankalaza ny anaran' Andriamanitra amin' ny fihirana aho, ary hidera Azy amin' ny fisaorana. Izaho kosa dia ory sy mijaly; hanarina ahy anie ny famonjenao, ry Andriamanitra! Et moi, courbé, blessé, que ton salut, Dieu, me redresse!
Sal 69:31 This also shall please the Lord better than an ox or bullock that hath horns and hoofs. Fa ho sitrak' i Jehovah Izany mihoatra noho ny vantotr' ombilahy, izay manan-tandroka sady mivaky kitro. Hankalaza ny anaran' Andriamanitra amin' ny fihirana aho; hanandratra azy amin' ny fisaorana. Je louerai le nom de Dieu par un cantique, je le magnifierai par l' action de grâces;
Sal 69:32 The humble shall see this, and be glad: and your heart shall live that seek God. Hahita izany ny mpandefitra ka ho faly; aoka ho velona ny fonareo, ry mpitady an' Andriamanitra. Fa hankasitrahan' ny Tompo mihoatra noho ny ombalahy izany, mihoatra noho ny vantotr' ombalahy manan-tandroka sy kitro. cela plaît à Yahvé plus qu' un taureau, une forte bête avec corne et sabot.
Sal 69:33 For the Lord heareth the poor, and despiseth not his prisoners. Fa mihaino ny malahelo Jehovah, ary ny olony mifatotra tsy mba hamavoiny. Rehefa mahita izany ny mahantra dia hifaly; ary ho velom-bolo koa ny fonareo mitady an' Andriamanitra. Ils ont vu, les humbles, ils jubilent; chercheurs de Dieu, que vive votre coeur!
Sal 69:34 Let the heaven and earth praise him, the seas, and every thing that moveth therein. Aoka hidera Azy ny lanitra sy ny tany, ny ranomasina sy izay rehetra mihetsika ao aminy. Fa mihaino ny mahantra Iaveh, ary tsy manamavo ny olony voababo. Car Yahvé exauce les pauvres, il n' a pas méprisé ses captifs.
Sal 69:35 For God will save Zion, and will build the cities of Judah: that they may dwell there, and have it in possession. Fa Andriamanitra hamonjy an' i Ziona sady hanangana ny tanànan' ny Joda; ary hitoetra ao ny olony ka ho tompony; Aoka hidera azy ny tany aman-danitra, mbamin' ny ranomasina sy izay rehetra mihetsiketsika ao anatiny! Que l' acclament le ciel et la terre, la mer et tout ce qui s' y remue!
Sal 69:36 The seed also of his servants shall inherit it: and they that love his name shall dwell therein. Dia handova azy ny taranaky ny mpanompony; ary hitoetra ao izay tia ny anarany. Fa hamonjy an' i Siona Andriamanitra sady hanangana ny tanànan' i Jodà, dia hitoetra ao ny olona sady hitsangan-ko tompony; Car Dieu sauvera Sion, il rebâtira les villes de Juda, là, on habitera, on possédera;
Sal 69:37 hahazo azy ho lovany ny taranaky ny mpanompony, ary hanana ny fonenany ao izay tia ny anarany. la lignée de ses serviteurs en hérite et les amants de son nom y demeurent.

<-
->