<-
->

Sal 36:1 The transgression of the wicked saith within my heart, that there is no fear of God before his eyes. Ho an' ny mpiventy hira. Nataon' i Davida, mpanompon' i Jehovah. Ny ota milaza ato am-poko ny amin' ny ratsy fanahy hoe: tsy misy fahatahorana an' Andriamanitra ao aminy. Ho an' ny mpampianatra hira. Nataon' i Davida mpanompon' ny Tompo. Du maître de chant. Du serviteur de Yahvé. De David.
Sal 36:2 For he flattereth himself in his own eyes, until his iniquity be found to be hateful. Fa miarahaba tena izy ny amin' ny tsy hahitana ny helony ka hankahalana azy. Ny tsy fahamarinana no miteny amin' ny ratsy fanahy ao am-pony; ny fahatahorana an' Andriamanitra tsy mba eo imasony. C' est un oracle pour l' impie que le péché au fond de son coeur; point de crainte de Dieu devant ses yeux.
Sal 36:3 The words of his mouth are iniquity and deceit: he hath left off to be wise, and to do good. Ny tenin' ny vavany dia faharatsiana sy fitaka; efa nihadala izy ka nitsahatra tsy hanao soa. Fa mandoka tena izy, eo imason' Andriamanitra, mihevitra fa hoe angamba tsy ho hitan' Andriamanitra na oviana na oviana sy tsy hankahalainy ny helony. Il se voit d' un oeil trop flatteur pour découvrir et détester son tort;
Sal 36:4 He deviseth mischief upon his bed; he setteth himself in a way that is not good; he abhorreth not evil. Faharatsiana no saintsaininy eo am-pandriany; mitsangana eo amin' ny lalana tsy mety izy; ny ratsy tsy mba laviny akory. Tsy fahamarinana sy fitaka no tenenin' ny vavany; efa natsahany ny mahalala sy manao soa. les paroles de sa bouche : fraude et méfait! c' est fini d'être un sage. En fait de bien
Sal 36:5 Thy mercy, O Lord, is in the heavens; and thy faithfulness reacheth unto the clouds. Jehovah ô, mipaka amin' ny lanitra ny famindram-ponao; mihatra amin' ny rahona ny fahamarinanao. Tsy fahamarinana no saintsaininy eo am-pandriany; làlana tsy marina no ifikirany; tsy ariany ny ratsy. il rumine le méfait jusque sur sa couche; ils s' obstine dans la voie qui n' est pas bonne, la mauvaise, il n' en démord pas.
Sal 36:6 Thy righteousness is like the great mountains; thy judgments are a great deep: O Lord, thou preservest man and beast. Ny fahamarinanao dia tahaka ny tendrombohitra avo dia avo; ny fitsaranao dia toy ny lalina indrindra; ny olona sy ny biby dia samy vonjenao, Jehovah ô, Ry Iaveh ô mipaka amin' ny lanitra ny hatsaram-ponao, mihatra amin' ny rahona ny fahamarinanao. Yahvé, dans les cieux ton amour, jusqu' aux nues, ta vérité;
Sal 36:7 How excellent is thy lovingkindness, O God! therefore the children of men put their trust under the shadow of thy wings. Endrey ny hatsaran' ny famindram-ponao, Andriamanitra ô! ka mialoka eo amin' ny aloky ny elatrao ny zanak' olombelona. Tahaka ny tendrombohitr' Andriamanitra ny hatsaram-ponao, toy ny hantsana lehibe indrindra ny fitsaranao. Ry Iaveh, samy tandremanao ny olona sy ny biby. ta justice, comme les montagnes de Dieu, tes jugements, le grand abîme. L' homme et le bétail, tu les secours, Yahvé,
Sal 36:8 They shall be abundantly satisfied with the fatness of thy house; and thou shalt make them drink of the river of thy pleasures. Voky ny matavy ao an-tranonao izy; ary ny ony fampifalianao no ampisotroanao azy. Akory ity hasarobidin' ny hatsaram-ponao, Andriamanitra ô. Ny aloky ny elatrao no itadiavan' ny zanak' olombelona fialofana. qu' il est précieux, ton amour, ô Dieu! Ainsi, les fils d' Adam à l' ombre de tes ailes ils ont abri.
Sal 36:9 For with thee is the fountain of life: in thy light shall we see light. Fa ao aminao no misy loharanon' aina; ny fahazavanao no hahitanay fahazavana. Boboky ny menaky ny tranonao izy; ary onim-pifaliana no ampisotroanao azy. Ils s' enivrent de la graisse de ta maison, au torrent de tes délices tu les abreuves;
Sal 36:10 O continue thy lovingkindness unto them that know thee; and thy righteousness to the upright in heart. Ampahareto amin' izay mahalala Anao ny famindram-ponao, ary ny fahamarinanao amin' ny mahitsy fo. Fa ao aminao no misy ny loharanon' aina; ary amin' ny fahazavanao no ahitanay fahazavana. en toi est la source de vie, par ta lumière nous voyons la lumière.
Sal 36:11 Let not the foot of pride come against me, and let not the hand of the wicked remove me. Aoka tsy hanitsaka ahy ny tongotry ny mpiavonavona, na hampandositra ahy ny tanan' ny ratsy fanahy. Tohizo ny hatsaram-ponao amin' izay matahotra anao, sy ny fahamarinanao amin' izay mahitsy fo. Garde ton amour à ceux qui te connaissent, et ta justice aux coeurs droits.
Sal 36:12 There are the workers of iniquity fallen: they are cast down, and shall not be able to rise. Indreo! efa lavo ny mpanao ratsy; naripaka izy ka tsy maharina. Aoka ny tongotry ny mpiavonavona tsy hahatratra ahy, ary ny tànan' ny ratsy fanahy tsy hampandositra ahy! Que le pied des superbes ne m' atteigne, que la main des impies ne me chasse!
Sal 36:13 Indro fa lavo ny mpanao ratsy! Voaongana izy sady tsy afa-miarina. Les voilà tombés, les malfaisants, abattus sans pouvoir se relever.

<-
->