<-
->

Sal 125:1 They that trust in the Lord shall be as mount Zion, which cannot be removed, but abideth for ever. Fihirana fiakarana. Izay matoky an' i Jehovah dia tahaka ny tendrombohitra Ziona, izay tsy mihetsika, fa mitoetra mandrakizay. Fihirana fiakarana. Izay mitoky amin' ny Tompo, dia tahaka ny tendrombohitra Siona; tsy mba mangozohozo izy, fa miorina mandrakizay. Cantique des montées. Qui s' appuie sur Yahvé ressemble au mont Sion rien ne l'ébranle, il est stable pour toujours.
Sal 125:2 As the mountains are round about Jerusalem, so the Lord is round about his people from henceforth even for ever. Tahaka ny tendrombohitra manodidina an' i Jerosalema no anodidinan' i Jehovah ny olony Hatramin' izao ka ho mandrakizay Jerosalema mihetra tendrombohitra manodidina azy: Iaveh manodidina ny vahoakany toy izany koa, hatramin' izao ka ho mandrakizay. Jérusalem! les montagnes l' entourent, ainsi Yahvé entoure son peuple dès maintenant et pour toujours.
Sal 125:3 For the rod of the wicked shall not rest upon the lot of the righteous; lest the righteous put forth their hands unto iniquity. Fa tsy hitoetra eo amin' ny anjaran' ny marina ny tehim-panjakan' ny ratsy fanahy, Fandrao ny marina haninjitra ny tànany hanendry zava-dratsy. Tsy hitoetra eo amin' ny lovan' ny marina ny tehim-panjakan' ny ratsy fanahy, mba tsy hanaingan' ny olo-marina, ny tànany hanao ratsy koa. Jamais un sceptre impie ne tombera sur la part des justes, de peur que ne tende au crime la main des justes.
Sal 125:4 Do good, O Lord, unto those that be good, and to them that are upright in their hearts. Jehovah ô, manaova soa amin' ny tsara Sy ny mahitsy fo. Iaveh ô, totofy soa ny tsara fanahy, sy ny mahitsy fo. Fais du bien, Yahvé, aux gens de bien, qui ont au coeur la droiture.
Sal 125:5 As for such as turn aside unto their crooked ways, the Lord shall lead them forth with the workers of iniquity: but peace shall be upon Israel. Fa izay mivily ho amin' ny sakeli-dalana mivilivily Dia horoahin' i Jehovah miaraka amin' ny mpanao ratsy anie. Fiadanana anie ho amin' ny Isiraely. Fa raha ireo mivily amin' ny làla-miolikolika kosa, aoka izy hafoin' ny Tompo miaraka amin' izay manao ratsy. Fiadanana anie ho amin' Israely! Mais les tortueux, les dévoyés, qu' il les repousse, Yahvé, avec les malfaisants! Paix sur Israël!

<-
->