<-
->

Sal 127:1 Except the Lord build the house, they labour in vain that build it: except the Lord keep the city, the watchman waketh but in vain. Fihirana fiakarana. Nataon' i Solomona. Raha tsy Jehovah no manao ny trano, Dia miasa foana ny mpanao azy. Raha tsy Jehovah no miambina ny tanàna, Dia miari-tory foana ny mpiambina. Fihirana fiakarana. Nataon' i Salomona. Raha tsy Iaveh no manorina ny trano, miasa foana izay manorina azy. Raha tsy Iaveh no miambina ny tanàna, miari-tory foana eo am-bavahadiny ny mpiambina. Cantique des montées. De Salomon. Si Yahvé ne bâtit la maison, en vain peinent les bâtisseurs; si Yahvé ne garde la ville, en vain la garde veille.
Sal 127:2 It is vain for you to rise up early, to sit up late, to eat the bread of sorrows: for so he giveth his beloved sleep. Zava-poana ho anareo ny mifoha maraina Sy ny alim-pandry Ka homana ny hanina azo amin' ny fahasahiranana; Izany anefa dia omeny ihany ho an' ny malalany, na dia matory aza izy. Tsy misy vokany ny fifohazanareo mbola tsy mipoaka ny andro, sy ny iaorianam-pandriana, mihinana ny hanim-pahoriana. Fa ny malalany dia omeny tsy latsaka izany eo am-patoriany fotsiny. Vanité de vous lever matin, de retarder votre coucher, mangeant le pain des douleurs, quand Lui comble son bien-aimé qui dort.
Sal 127:3 Lo, children are an heritage of the Lord: and the fruit of the womb is his reward. Indro, lova avy amin' i Jehovah ny zanaka maro; Tamby ny ateraky ny kibo. Indro fa lova avy amin' ny Tompo ny zanaka; valisoa ny aloaky ny kibo miteraka. C' est l' héritage de Yahvé que des fils, récompense, que le fruit des entrailles;
Sal 127:4 As arrows are in the hand of a mighty man; so are children of the youth. Tahaka ny zana-tsipìka eo an-tànan' ny mahery Ny zanaky ny fahatanorana. Tahaka ny zana-tsipìka eo an-tanan' ny mpiady, toy izany koa ny zanaky ny fahatanorana. comme flèches en la main du héros, ainsi les fils de la jeunesse.
Sal 127:5 Happy is the man that hath his quiver full of them: they shall not be ashamed, but they shall speak with the enemies in the gate. Sambatra izay mameno ny tranon-jana-tsipìkany amin' ireny; Tsy ho menatra ireny, raha mifamaly amin' ny fahavalo eo am-bavahady. Sambatra izay mameno ny tranon-jana-tsipìkany amin' izany, fa tsy ho menatra raha mifamaly amin' ny fahavalo eo am-bavahady. Heureux l' homme, celui-là qui en a rempli son carquois; point de honte pour eux, quand ils débattent à la porte, avec leurs ennemis.

<-
->