<-
->

Gen / Jen 50:1 And Joseph fell upon his father' s face, and wept upon him, and kissed him. Ary Josefa nihohoka tamin' ny tavan' ny rainy ka nitomany teo amboniny sady nanoroka azy. Nihohofan' i Josefa tamin' ny tavany ity rainy, ka sady nitomany teo aminy izy no nanoroka azy. Alors Joseph se jeta sur le visage de son père, le couvrit de larmes et de baisers.
Gen / Jen 50:2 And Joseph commanded his servants the physicians to embalm his father: and the physicians embalmed Israel. Ary nasain' i Josefa nanosotra zava-manitra an-drainy ny mpanompony izay mpanao fanafody; dia nanosotra an' Isiraely ny mpanao fanafody. Ary nomeny teny ny mpanao fanafody manompo azy, hanosotra zava-manitra an-drainy, ka dia nanosotra an' Israely ny mpanao fanafody. Puis Joseph donna aux médecins qui étaient à son service l' ordre d' embaumer son père, et les médecins embaumèrent Israël.
Gen / Jen 50:3 And forty days were fulfilled for him; for so are fulfilled the days of those which are embalmed: and the Egyptians mourned for him threescore and ten days. Ary notanterahiny taminy ny efa-polo andro, fa izany no isan' ny andro nanosoram-paty; ary ny Egyptiana nisaona azy fito-polo andro. Efa-polo andro no nanaovan' ireo an' izany, fa izany no fetr' andro fanosoram-paty. Ary fito-polo andro no nisaonan' ny Ejipsiana azy. Cela dura quarante jours, car telle est la durée de l' embaumement. Les Égyptiens le pleurèrent soixante-dix jours.
Gen / Jen 50:4 And when the days of his mourning were past, Joseph spake unto the house of Pharaoh, saying, If now I have found grace in your eyes, speak, I pray you, in the ears of Pharaoh, saying, Ary rehefa tapitra ny andro nisaonana azy, Josefa dia niteny tamin' ny tao an-tranon' i Farao ka nanao hoe: Raha mba nahita fitia eo imasonareo aho, masìna ianareo, lazao amin' i Farao, ka ataovy hoe: Nony tapitra ny andro nisaonany azy, dia niteny Josefa tamin' ny olona ao an-tranon' i Faraona nanao hoe: Raha mba nahita fitia teo imasonareo koa aho, dia mba lazao kely ho henon' i Faraona izao: Quand fut écoulé le temps des pleurs, Joseph parla ainsi au palais de Pharaon : Si vous avez de l' amitié pour moi, veuillez rapporter ceci aux oreilles de Pharaon :
Gen / Jen 50:5 My father made me swear, saying, Lo, I die: in my grave which I have digged for me in the land of Canaan, there shalt thou bury me. Now therefore let me go up, I pray thee, and bury my father, and I will come again. Ny raiko efa nampianiana ahy ka nanao hoe: Indro, ho faty aho; koa ao amin' ny fasako, izay nohadiko ho ahy any amin' ny tany Kanana, dia ao no andeveno ahy. Koa ankehitriny, trarantitra ianao, aoka aho hiakatra handevina ny raiko, dia hiverina atý indray. Nasain' ikaky nianiana aho, nataony hoe: Indro ho faty aho, ka any amin' ny fasana nohadiko ho ahy any amin' ny tany Kanaana no handevenanao ahy. Ka mba te-hiakatra any aho handevina ny raiko ary mbola hiverina indray. mon père m' a fait prêter ce serment : Je vais mourir, m' a-t-il dit, j' ai un tombeau que je me suis creusé au pays de Canaan, c' est là que tu m' enterreras. Qu' on me laisse donc monter pour enterrer mon père, et je reviendrai.
Gen / Jen 50:6 And Pharaoh said, Go up, and bury thy father, according as he made thee swear. Ary hoy Farao: Miakara ary, ka aleveno ny rainao araka izay nampianianany anao. Ary hoy ny navalin' i Faraona: Miakara àry, aleveno ny rainao, araka ny nampianianany anao. Pharaon répondit : Monte et enterre ton père, comme il te l' a fait jurer.
Gen / Jen 50:7 And Joseph went up to bury his father: and with him went up all the servants of Pharaoh, the elders of his house, and all the elders of the land of Egypt, Dia lasa niakatra Josefa handevina ny rainy; ary niara-niakatra taminy ny mpanompon' i Farao rehetra, dia ny loholona tao an-tranony sy ny loholona rehetra tany amin' ny tany Egypta, Dia niakatra handevina an-drainy Josefa. Niara-niakatra taminy koa ny mpanompon' i Faraona rehetra, ny loholona tao an-tranony, ny loholona rehetra tamin' ny tany Ejipta, Joseph monta enterrer son père, et montèrent avec lui tous les officiers de Pharaon, les dignitaires de son palais et tous les dignitaires du pays d'Égypte,
Gen / Jen 50:8 And all the house of Joseph, and his brethren, and his father' s house: only their little ones, and their flocks, and their herds, they left in the land of Goshen. ary ny ankohonan' i Josefa rehetra sy ny rahalahiny ary ny ankohonan-drainy; ny ankizy madinika sy ny ondriny aman' osiny sy ny ombiny ihany no navelany tao amin' ny tany Gosena. ny ankohonan' i Josefa rehetra, ny rahalahiny ary ny ankohonan-drainy. Ny ankizy madinika sy ny ondry ary ny omby ihany no sisa najanony teo amin' ny tany Gesena. ainsi que toute la famille de Joseph, ses frères et la famille de son père. Ils ne laissèrent en terre de Goshèn que les invalides, le petit et le gros bétail.
Gen / Jen 50:9 And there went up with him both chariots and horsemen: and it was a very great company. Ary nisy kalesy sy mpitaingin-tsoavaly niara-niakatra taminy koa, ka lehibe dia lehibe ny tobiny. Nisy kalesy amam-pitaingin-tsoavaly maro koa, niara-niakatra taminy, ka dia be ny mpanotrona. Avec lui montèrent aussi des chars et des charriers : c'était un cortège très imposant.
Gen / Jen 50:10 And they came to the threshingfloor of Atad, which is beyond Jordan, and there they mourned with a great and very sore lamentation: and he made a mourning for his father seven days. Ary rehefa tonga teo Goren' atada izy, izay ao an-dafin' i Jordana, dia nanao fisaonana lehibe sy mafy indrindra teo izy; dia nisaona an-drainy hafitoana Josefa. Nony tonga teo am-pamoloan' i Atada ao andafin' i Jordany izy ireo dia nitomany amam-pigogogogoana mafy, fa nanokana hafitoana hanaovana fisaonana ho voninahitry ny rainy, Josefa. Étant parvenus jusqu'à Gorèn-ha-Atad, - c' est au-delà du Jourdain, - ils y firent une grande et solennelle lamentation, et Joseph célébra pour son père un deuil de sept jours.
Gen / Jen 50:11 And when the inhabitants of the land, the Canaanites, saw the mourning in the floor of Atad, they said, This is a grievous mourning to the Egyptians: wherefore the name of it was called Abelmizraim, which is beyond Jordan. Ary rehefa hitan' ny Kananita tompon-tany ny fisaonana teo Goren-atada, dia hoy izy: Fisaonana mafy amin' ny Egyptiana izao; izany no nanaovany ny anarany hoe Abel-Egyptiana, izay ao an-dafin' i Jordana. Nony nahita izany fisaonana tao am-pamoloan' i Atada izany ny Kananeana tompon-tany dia hoy izy: Endrey izany fisaonana lehibe amin' ny Ejipsiana! Izany no nanaovana ny anaran' io fitoerana an-dafin' i Jordany io hoe: Abela Mitsraïma. Les habitants du pays, les Cananéens, virent le deuil à Gorèn-ha-Atad et ils dirent : Voilà un grand deuil pour les Égyptiens; et c' est pourquoi on a appelé ce lieu Abel-Miçrayim - c' est au-delà du Jourdain.
Gen / Jen 50:12 And his sons did unto him according as he commanded them: Ary ny zanakalahin' i Jakoba nanao taminy araka izay nandidiany azy, Koa dia nataon' ireo zanak' i Jakoba taminy àry izay nandidiany azy. Ses fils agirent à son égard comme il leur avait ordonné
Gen / Jen 50:13 For his sons carried him into the land of Canaan, and buried him in the cave of the field of Machpelah, which Abraham bought with the field for a possession of a buryingplace of Ephron the Hittite, before Mamre. dia nitondra azy tany amin' ny tany Kanana, ary nandevina azy tao amin' ny zohy amin' ny saha Makpela, tandrifin' i Mamre, dia ilay novidin' i Abrahama mbamin' ny saha tamin' i Efrona Hetita ho tany fandevenana. Nitondra azy ho any amin' ny tany Kanaana ny zanany, dia nandevina azy ao amin' ny zohy, amin' ny sahan' i Makpela, izay novidin' i Abrahama mbamin' ny saha tamin' i Efrona, Heteana, mba hananany fasana ho azy, tandrifin' i Mambre. et ils le transportèrent au pays de Canaan et l' ensevelirent dans la grotte du champ de Makpéla, qu' Abraham avait acquise d'Éphrôn le Hittite comme possession funéraire, en face de Mambré.
Gen / Jen 50:14 And Joseph returned into Egypt, he, and his brethren, and all that went up with him to bury his father, after he had buried his father. Ary rehefa voalevin' i Josefa ny rainy, dia niverina tany Egypta izy sy ny rahalahiny mbamin' izay rehetra niara-niakatra taminy handevina ny rainy. Nony vita levenana rainy dia niverina ho any Ejipta Josefa mbamin' ny rahalahiny, sy izay rehetra niara-niakatra taminy handevina an-drainy. Joseph revint alors en Égypte, ainsi que ses frères et tous ceux qui étaient montés avec lui pour enterrer son père.
Gen / Jen 50:15 And when Joseph' s brethren saw that their father was dead, they said, Joseph will peradventure hate us, and will certainly requite us all the evil which we did unto him. Ary rehefa hitan' ny rahalahin' i Josefa fa maty ny rainy, dia hoy izy: Andrao hanao fo-lentika amintsika Josefa ka hamaly antsika tokoa noho izay ratsy rehetra nataontsika taminy. Rahefa hitan' ireo rahalahin' i Josefa fa maty rainy dia hoy izy: Sao dia anaovan' i Josefa fo lentika isika, ka valiany amin' izao ny ratsy rehetra nataontsika taminy. Voyant que leur père était mort, les frères de Joseph se dirent : Si Joseph allait nous traiter en ennemis et nous rendre tout le mal que nous lui avons fait ?
Gen / Jen 50:16 And they sent a messenger unto Joseph, saying, Thy father did command before he died, saying, Dia naniraka nankany amin' i Josefa izy ka nanao hoe: Ny rainao nanafatra, fony izy tsy mbola maty, Koa nampilaza tamin' i Josefa izy nanao hoe: Nanafatra rainao talohan' ny nahafatesany, Aussi envoyèrent-ils dire à Joseph : Avant de mourir, ton père a exprimé cette volonté :
Gen / Jen 50:17 So shall ye say unto Joseph, Forgive, I pray thee now, the trespass of thy brethren, and their sin; for they did unto thee evil: and now, we pray thee, forgive the trespass of the servants of the God of thy father. And Joseph wept when they spake unto him. ka nanao hoe: Izao no holazainareo amin' i Josefa: Mamela re ny fahadisoan' ny rahalahinao sy ny fahotany, fa efa nanao ratsy taminao izy; eny, mamela ankehitriny ny fahadisoan' ny mpanompon' ny Andriamanitry ny rainao. Dia nitomany Josefa, raha niteny taminy izy ireo. nanao hoe: Izao no holazainareo amin' i Josefa: Avelao lahy ny heloka amam-pahotan' ireo rahalahinao, fa nahavita ratsy taminao izy. Nefa mifona aminao aho ankehitriny, avelao re ny heloky ny mpanompon' ny Andriamanitry ny rainao. Nitomany Josefa nandre izany teny izany. Vous parlerez ainsi à Joseph : Ah ! pardonne à tes frères leur crime et leur péché, tout le mal qu' ils t' ont fait ! Et maintenant, veuille pardonner le crime des serviteurs du Dieu de ton père ! Et Joseph pleura aux paroles qu' ils lui adressaient.
Gen / Jen 50:18 And his brethren also went and fell down before his face; and they said, Behold, we be thy servants. Koa nanatona azy ny rahalahiny, dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Indreto izahay ho mpanomponao. Ary ny tenan' ireo rahalahiny dia tonga niankohoka teo anatrehany nanao hoe: Mpanomponao izahay. Ses frères eux-mêmes vinrent et, se jetant à ses pieds, dirent : Nous voici pour toi comme des esclaves !
Gen / Jen 50:19 And Joseph said unto them, Fear not: for am I in the place of God? Ary hoy Josefa taminy: Aza matahotra; fa moa solon' Andriamanitra va aho? Fa hoy Josefa tamin' izy ireo: Aoka tsy hanan-tahotra hianareo; fa moa solon' Andriamanitra va aho? Mais Joseph leur répondit : Ne craignez point ! Vais-je me substituer à Dieu ?
Gen / Jen 50:20 But as for you, ye thought evil against me; but God meant it unto good, to bring to pass, as it is this day, to save much people alive. Hianareo no nisaina hanisy ratsy ahy; fa Andriamanitra kosa nisaina izany ho soa, hanao tahaka ny amin' izao anio izao, hamelona olona betsaka. Ny hanisy ratsy ahy no tao an-tsainareo; fa ny hampisy soa avy amin' izany kosa no tao an-tsain' Andriamanitra, mba hahatanteraka izao hita anio izao, mba hamonjy ny ain' ny vahoaka maro be. Le mal que vous aviez dessein de me faire, le dessein de Dieu l' a tourné en bien, afin d' accomplir ce qui se réalise aujourd' hui : sauver la vie à un peuple nombreux.
Gen / Jen 50:21 Now therefore fear ye not: I will nourish you, and your little ones. And he comforted them, and spake kindly unto them. Koa ankehitriny, aza matahotra ianareo; fa izaho hamelona anareo sy ny zanakareo madinika. Dia nampionona azy sy nanao teny malefaka nahafinaritra azy izy. Koa aza manan-tahotra akory, fa hamelona anareo, na ny tenanareo na ny zanakareo, aho. Toy izany no nampiononany azy tamin' ny teny mankamin' ny fon' izy ireo. Maintenant, ne craignez point : c' est moi qui vous entretiendrai, ainsi que les personnes à votre charge. Il les consola et leur parla affectueusement.
Gen / Jen 50:22 And Joseph dwelt in Egypt, he, and his father' s house: and Joseph lived an hundred and ten years. Ary Josefa sy ny ankohonan' ny rainy nonina tany Egypta; ary ny andro niainan' i Josefa dia folo amby zato taona. Ka dia nonina tany Ejipta Josefa, izy sy ny ankohonan-drainy. Folo amby zato taona no andro niainany. Ainsi Joseph et la famille de son père demeurèrent en Égypte, et Joseph vécut cent dix ans.
Gen / Jen 50:23 And Joseph saw Ephraim' s children of the third generation: the children also of Machir the son of Manasseh were brought up upon Joseph' s knees. Ary hitan' i Josefa ny zafiafin' i Efraima; ny zanak' i Makira koa, zanakalahin' i Manase, dia noraisin' i Josefa ho eo am-pofoany. Nahita ny terak' i Efraima hatramin' ny taranaka fahatelo izy. Ary nisy koa zanak' i Makira zanak' i Manase izay teraka ka noraisin' i Josefa teo am-pofoany. Joseph vit les arrière-petits-enfants qu' il eut d'Éphraïm, de même les fils de Makir, fils de Manassé, naquirent sur les genoux de Joseph.
Gen / Jen 50:24 And Joseph said unto his brethren, I die: and God will surely visit you, and bring you out of this land unto the land which he sware to Abraham, to Isaac, and to Jacob. Ary hoy Josefa tamin' ny rahalahiny: Ho faty aho; nefa Andriamanitra hamangy anareo tokoa ka hitondra anareo hiala amin' ity tany ity ho any amin' ny tany izay nianianany tamin' i Abrahama sy Isaka ary Jakoba homena azy. Ary hoy Josefa tamin' ireo rahalahiny: Izaho ity ho faty; nefa Andriamanitra kosa dia hamangy anareo tokoa sy hampiakatra anareo avy amin' ity tany ity ho any amin' ny tany nianianany homena an' i Abrahama sy Isaaka ary Jakoba. Enfin Joseph dit à ses frères : Je vais mourir, mais Dieu vous visitera et vous fera remonter de ce pays dans le pays qu' il a promis par serment à Abraham, Isaac et Jacob.
Gen / Jen 50:25 And Joseph took an oath of the children of Israel, saying, God will surely visit you, and ye shall carry up my bones from hence. Ary Josefa dia nampianiana ny zanak' Isiraely ka nanao hoe: Hamangy anareo tokoa Andriamanitra, dia hitondra ny taolako hiala eto ianareo. Dia nasain' i Josefa nianiana koa ireo zanak' Israely, nataony hoe: Hamangy anareo tokoa Andriamanitra ka hoentinareo miakatra hiala atý ny taolako. Et Joseph fit prêter ce serment aux fils d' Israël : Quand Dieu vous visitera, vous emporterez d' ici mes ossements.
Gen / Jen 50:26 So Joseph died, being an hundred and ten years old: and they embalmed him, and he was put in a coffin in Egypt. Dia maty Josefa, rehefa folo amby zato taona; ary dia nohosorany zava-manitra izy ka napetrany tao anatin' ny vata tany Egypta. Dia maty Josefa rahefa folo amby zato taona. Nohosorana zava-manitra izy, dia napetraka anaty vatam-paty tany Ejipta. Joseph mourut à l'âge de cent dix ans, on l' embauma et on le mit dans un cercueil en Égypte.

<-
->