<-
->

Est 10:1 And the king Ahasuerus laid a tribute upon the land, and upon the isles of the sea. Ary Ahasoerosy mpanjaka nampandoa hetra ny tany sy ny nosin-dranomasina. Ary Asoerosa mpanjaka nampandoa hetra ny tany be sy ny nosy eo amin' ny ranomasina. Le roi Assuérus leva tribut sur le continent et sur les îles de la mer.
Est 10:2 And all the acts of his power and of his might, and the declaration of the greatness of Mordecai, whereunto the king advanced him, are they not written in the book of the chronicles of the kings of Media and Persia? Ary izay rehetra nataony araka ny fahefany sy ny heriny mbamin' ny filazana ny fahalehibiazan' i Mordekay, araka izay nanandratan' ny mpanjaka azy, tsy efa voasoratra ao amin' ny bokin' ny tantaran' ny mpanjakan' i Media sy Persia va izany? Moa tsy voasoratra ao amin' ny bokin' ny Tantaran' ny mpanjakan' i Media sy Persa avokoa va ny zavatra momba ny fahefany sy ny herim-po nataony, ary ny andinidininy momba ny fahalehibeazana nanandratan' izy mpanjaka an' i Mardokea. Tous les exploits de sa vigueur et de sa vaillance, ainsi que la relation de l'élévation de Mardochée qu' il avait exalté, tout cela est écrit dans le livre des Chroniques des rois des Mèdes et des Perses.
Est 10:3 For Mordecai the Jew was next unto king Ahasuerus, and great among the Jews, and accepted of the multitude of his brethren, seeking the wealth of his people, and speaking peace to all his seed. Fa Mordekay Jiosy no nanarakaraka an' i Ahasoerosy mpanjaka sady nalaza tamin' ny Jiosy ka nankasitrahan' ny rahalahiny maro, satria nitady hihasoa ny fireneny izy sady nilaza fiadanana tamin' ny olona rehetra iray firazanana aminy. Fa ny Jody Mardokea dia filohan' ny mpandraharahan' i Asoerosa mpanjaka, malaza teo amin' ny Jody, mamin' ny rahalahiny be dia be, nitady izay hahasoa ny fireneny, ary niteny ny amin' izay hahasambatra ny iray razana aminy rehetra. (Tapitra eo ny boky amin' ny teny hebrio. Tapatapany fanampy hita amin' ny dikan' ny Soratra Masina amin' ny teny Greka) l La quatrième année du règne de Ptolémée et de Cléopâtre, Dosithée qui se disait prêtre et lévite, ainsi que son fils Ptolémée, apportèrent la présente lettre concernant les Purim. Ils la donnaient comme authentique et traduite par Lysimaque, fils de Ptolémée, de la communauté de Jérusalem.
Est 10:4 Dia hoy Mardokea: Andriamanitra no nanao izany zavatra rehetra izany! Et Mardochée dit : "C' est de Dieu qu' est venu tout cela!
Est 10:5 Tsaroako tokoa ny nanofisako ny amin' izany ka tsy misy tsy tanteraka ny andinidininy, na dia iray aza: Si je me remémore le songe que j' eus à ce sujet, rien n' a été omis
Est 10:6 Ny loharano kely nanjary ony, ny fahazavana niseho, ny masoandro, ary ny rano be: Ny ony, dia Estera, izay nalain' ny mpanjaka ho vady, sy nataony mpanjakavavy. ni la petite source qui devient un fleuve, ni la lumière qui brille, ni le soleil, ni l' abondance d' eaux. Esther est ce fleuve, elle qu'épousa le roi et qu' il fit reine.
Est 10:7 Ny dragona roa, dia izaho sy Amanà. Les deux dragons, c' est Aman et moi.
Est 10:8 Ny firenena, dia ireo izay nivory hanafoana ny anaran' ny Jody: Les peuples, ce sont ceux qui se coalisèrent pour détruire le nom des Juifs.
Est 10:9 ary ny fireneko dia Israely, izay nitaraina tamin' Andriamanitra ka voavonjy. Tamin' izany ny Tompo namonjy antsika, sy nanafaka antsika tamin' izany loza rehetra izany; nanao famantarana amam-pahagagana lehibe, tsy mba hita teo amin' ny firenena, Andriamanitra. Mon peuple, c' est Israël, ceux qui crièrent vers Dieu et furent sauvés. Oui, le Seigneur a sauvé son peuple, le Seigneur nous a arrachés à tous ces maux, Dieu a accompli des prodiges et des merveilles comme il n' y en eut jamais parmi les nations.
Est 10:10 Hahatanterahan' izany no nandaharany anjara roa, ny iray ho an' ny vahoakan' Andriamanitra, ary ny iray ho an' ny firenena rehetra. De fait, il a établi deux destinées, l' une en faveur de son peuple, l' autre pour les nations.
Est 10:11 Izany anjara roa izany dia tonga tamin' ny ora sy fotoana ary andron' ny fitsarana, eo anatrehan' Andriamanitra, ho an' ny firenena rehetra. Et ces destinées se sont accomplies à l' heure, au temps et au jour arrêtés selon son dessein et chez tous les peuples.
Est 10:12 Dia nahatsiaro ny vahoakany Andriamanitra sy nanao fitsarana ho an' ny lovany. Dieu, alors, s' est souvenu de son peuple, il a fait justice à son héritage,
Est 10:13 Ka ireo andron' ny volana Adara ireo, ny fahefatra ambin' ny folo sy fahadimy ambin' ny folon' izany volana izany, dia hankalazain' izy ireo am-pivoriana amin-kafaliana sy firavoravoana eo anatrehan' Andriamanitra, amin' ny taranaka hatrany hatrany, eo amin' Israely vahoakany. pour qui ces jours, les quatorzième et quinzième du mois d' Adar, seront désormais des jours d' assemblée, de liesse et de joie devant Dieu, pour toutes les générations et à perpétuité, dans Israël, son peuple."

<-
->